- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Ny Lokan'ny Fahalalahana An-tserasera  RSF Ny Tranonkala Iraniana Miaro ny Zon'ny Vehivavy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 17 Martsa 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nanome mari-pankasitrahana [1] ny mpanao gazetin'ny we-change [2], tranonkala miaro ny zon'ny vehivavy an-tserasera tamin'ny 12 Desambra miaraka amin'ny “Lokan'ny Mpisera ” voalohany ny Reporters Sans Frontières (RSF) sy ny Google, mari-pankasitrahana iray vaovao isan-taona ho an'ireo izay miaro ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera. Navoaka tamin'io andro io ihany koa ny tatitry ny  RSF ao amin'ny “Fahavalon'ny Aterineto [3]” .

Nandray ny loka tao amin'ny biraon'ny Google ao Paris i Parvin Ardalan [4] avy ao amin'ny we-change. Naneho fanoherana hatrany ny hetsiky ny vehivavy Iraniana… Ary mitondra ny traikefany sy ny fomba fiasany ara-demaokratika ao amin'ny tontolon'ny aterineto ny hetsika ankehitriny  .

Ny tranonkala we-change no mpanohana ny fanentanana virtoaly iray antsoina hoe Sonia Iray Tapitrisa Mitaky Ny Fiovan'ny Lalànan'ny Fanavakavahana [5]. Miantso ny fampitsaharana ny fanavakavahana mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny lalàna Iraniana ny fanentanana. Ary mbola tohin'ny hetsi-panoherana am-pilaminana izay natao tamin'ny 12 Jona 2006 tao amin'ny Kianjan'ny Haft-e Tir ao Tehran izany.

Indro ny lahatsary fampahafantarana ny tanjona sy ny tantaran'ny we-change :

Nahazo ny Loka Olaf Palme [6]  tamin'ny taona 2007 ihany koa i Parvin Ardalan, saingy  tsy namela azy hiala ny firenena mba handray izany tamin'ny alàlan'ny tenany manokana ny governemanta Iraniana. Noraketiny tao amin'ny You Tube ity hafatra ity.

Mandritra izany fotoana izany, bilaogera Iraniana maro no nogadraina nanomboka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jona, anisan'izany Shiva Nazarahari [7] izay vehivavy bilaogera sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, .