Maso Arabo: Ny Afovoany Atsinanana An-tsary

(Marihina fa tamin'ny 18 Jona 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ny Afovoany Atsinanana An-tsary anio dia hitondra antsika ho any amin'ny torapasika milamina ao Dubai, i Doha rehefa amin'ny alina, ny sarin'ny voninkazo ao Bahrain, ny voninkazo mamelana an-jaridaina ao Syria amin'ity lohataona ity ary farany ny fividianana Viagra ao an-tsenan'i Fez, ao Maraoka.

Dubai, Emirà Arabo Mitambatra :

Iza no tsy te hitsilailay eto amin'ity fasika ity? Fantatro fa te hanao izany aho kanefa ny toetrandro ao Dubai sy ny tabataban'ny milina fanorenana izay midobodoboka minitra vitsivitsy miala avy eo no hampiova hevitra ahy avy hatrany. Raha nandeha tany an-toerana nanao izany i Seabee dia nitondra ho antsika eto ireo sarin'ny torapasika mahafinaritra ao Dubai tamin'ity herinandro ity .

Dubai only has about 40 kilometres of natural coastline. A lot of that is taken up by the city, Port Rashid, Jebel Ali Port, Dubai Dry Docks plus some which is private for the beach hotels and some for Sheikhs’ beach villas.

But we still have maybe 15 kilometres or so of open public beach. The main stretch starts beside Burj Al Arab, our famous seven-star hotel, and runs back towards Dubai city, which is about 30 kilometres away.

Mirefy eo amin'ny 40 kilaometatra eo ho eo ny morontsiraka voajanaharin'i Dubai. Maro amin'izany no lasan'ny tanàndehibe, ny Seranantsambo Rashid, ny Seranantsambo Jebel Ali, ny Toeram-panamboaran-tsambo ao Dubai miampy ireo toerana sasany an'ny trano fandraisam-bahiny eny amin'ny torapasika manokana sy ho an'ireo trano raitran'ny Sheikhs eny amin'ny torapasika .

Kanefa mbola manana torapasika ho an'ny daholobe eo amin'ny 15 kilaometatra eo ho eo isika. Manomboka eo akaikin'ny Burj Al Arab, ilay trano fandraisam-bahiny kintana fito malaza, ary miverina any amin'ny tanàndehiben'i Dubai, tokony any amin'ny 30 km any ho any.

Doha, Qatar:

Eo akaikin'i Doha, renivohitr'i Qatar, ary fonenan'i Al Jazeera, manolotra  antsika ity sarin'i Doha amin'ny alina ity ny Qatar Victor .

Novelomina miaraka amin'ny sary mahafinaritra eto ny endriky ny toerana Qatar Living  avy ao amin'ny firenena Helodrano manankarena solika .


Bahrain:

Rehefa nandalo tao Bahrain,  nanambara tamim-pirehareha ilay bilaogera BuZain fa namoaka ny sariny voalohany tao amin'ny flickr izy ato .

I just uploaded my first flickr photo taken with my new Nikon D80 digital SLR camera. This getting-into-photography thing is a long story and it is too late to tell it all so I'll let the juice for a separate post…I took like 400 pictures since I bought the D80 few days ago but this picture is the one I like most and I thought I'll share it with you all.

Vao nandefa ny sary nalaiko voalohany tao amin'ny Flickr aho miaraka amin'ny fakantsariko nomerika vaovao Nikon D80 SLR. Tantara lava ity firotsahana amin'ny fakana sary ity ary efa tara loatra ny hitantarako izany rehetra izany ka noho izany dia ataoko ho an'ny lahatsoratra mitokana ny fakana tsirony momba izany… sary miisa 400 no nalaiko hatramin'ny nividianako ny D80 andro vitsy lasa izay, fa ity sary iray ity no tena tiako indrindra amin'izy ireo ka mihevitra aho fa ho zaraiko aminareo rehetra .


Syria:

Avy any Syria, manolotra antsika ny sarin'ny voninkazo maro kokoa izay mamelana amin'ity lohataona ity amin'ny loko marevaka ilay bilaogera Hovic. Azo jerena eto ihany koa ireo sarin'ny zavamaniry maromaro ao Syria.

Mirehareha  amin'ireo sary mahatalanjon'ny tanàna maty ihany koa ny tranonkalan'ny sary atao hoe Syria Looks , izay hita tany amin'ny vanim-potoanan'ny Byzance , ary ny Mandan'i Aleppo .

Azo jerena ato ao amin'ny Syria Winks ihany koa ireo sary hafa avy amin'ireo toerana mahatalanjona.

Fez, Maraoka:

Ao Fez, Maraoka ny fiantsonantsika farany amin'ity herinandro ity, izay ahitana ilay fanafody nentim-paharazana ho an'ny fanenjanan-kozatra ( Viagra) eny amin'ny fivarotana rehetra eny .

“Now, you probably think that Viagra is not a usual item on a tourist's shopping list in the old Medina of Fez. Maybe right – however, when you go into a traditional medicine shop, you can be surprised,” notes The View.

“Ankehitriny, mihevitra angamba ianao fa tsy zavatra mahazatra ao anaty lisitry ny tsenan'ny mpizaha tany ny Viagra ao Medina ao Fez fahiny . Mety ho marina izany kanefa na izany aza, mety ho gaga ianao rehefa miditra ao amin'ny toeram-pivarotana fanafody nentim-paharazana “, hoy ny The View .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.