- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Afaka Manambady Ihany Izahay!': Firenena Aziatika Voalohany Nankasitraka Ny Fanambadian'ny Pelaka i Taiwan

Sokajy: Azia Atsinanana, Taiwan (ROC), Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
[1]

Vondrona mpanohana ny  fanambadian'ny LGBT nankalaza ny didim-pitsarana tamin'ny 24 May 2017. Sary tao amin'ny pejy Facebook, manohana ny fanambadian'ny LGBT.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Elson Tong ary navoaka voalohany [2] tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 24 May 2017. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panovana noho ny fifanaraham-piarahamiasa.

Namoaka didy ny fitsarana ambony ao Taiwan tamin'ny 24 May 2017 fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny lalàna amin'izao fotoana izao izay mandràra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa mifankatia mitovy taovam-pananahana.

Midika ny fanapahan-kevitry ny ftsarana avo momba ny Lalàmpanorenana fa lasa firenena Aziatika voalohany mankasitraka ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana ny nosy.

Nanambara ny vokatry ny fandinihana lalàmpanorenena naharitra roa volana be izao tamin'ny Alarobia tolakandro ireo mpitsara 14, ary nandidy ireo mpanao lalàna mba hanova ny Fehezan-dalàna Sivily na hampiditra fepetra vaovao mba hankatoa ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana ao anatin'ny roa taona.

Nilaza ny fitsarana fa ny lalàna amin'izao fotoana izao dia manitsakitsaka ny zo voalaza ao anatin'ny lalàmpanorenana momba ny fahalalahana eo amin'ny fanambadiana sy ny fitovian-jo eo amin'ny olom-pirenena.

Nanapa-kevitra i #Taiwan [3] fa ny fahalalahana hanambady ho an'ny olona roa  dia ahitana “izay tiana hanambadiana” sy izay “tiana hovadiana” – ity ny andinin-dahatsoratra feno #loveislove [4] pic.twitter.com/i6f0Ob9IQA [5]

Roa tamin'ireo mpitsara 14 no nanohitra ny fanapahan-kevitra, raha tsy naneho hevitra kosa ny iray.

An-jatony ireo mpanohana ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana nanao fankalazana tao Taipei ivelan'ny antenimiera, tamin'ny fihetsiketsehana notontosain'ny vondrona ho an'ny zon'ny pelaka (Marriage Equality Coalition) (Fikambanana ho an'ny Fitovian-jo amin'ny Fanambadiana).

“Afaka manambady ihany izahay!” hoy ny hiakan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao ivelan'ny Antenimiera Yuan.

Na izany aza, mbola nitoby teo ivelan'ny trano fitsarana ireo mpanohitra taorian'ny fihetsiketsehan'izy ireo tamin'ny Talata. Nanao fitokonana tsy hisakafo nandritra ny efatra andro tao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ao Taipei ilay mpikatroka mpanohitra ny zon'ny pelaka, Abdulluh Musad.

“Nanatri-maso tantara eo am-piovana aho”

Nampidirin'ny vondrona roa teo anatrehan'ny fitsarana ny fandinihana tamin'ny Alarobia, ny iray tamin'izany dia i Chi Chia-Wei, 59 taona, mpikatroka ny zon'ny pelaka izay nanandrana nisoratra anarana voalohany mba hanambady ny lehilahy saikazany tamin'ny taona 1986.

Noho ny lalàna miaramila tao Taiwan tamin'izany fotoana izany, nampidirina am-ponja nandritra ny dimy volana izy. Namaly ny fangatahany mba hiantso ny fahapelahana ho “faharatsian'ny vondrona vitsy an'isa iray” ny mpanao lalàna.

Niaraka tamin'i Chi tamin'ny fitakiany amin'izao fotoana izao ny Departemantan'ny Raharaha Sivily ao amin'ny governemanta Taipei, izay nilaza taloha fa hanaja ny didim-pitsarana izy, na inona na inona izany.

[7]

Chi Chia-wei. Sary avy amin'ilay mpisera Facebook, Tsai Yi.

Nahita ilay lahy antitra tao ivelan'ny Antenimiera Yuan ny mpisera Facebook iray, Tsai Yi ary nandrakitra ny fotoana mana-tantara [7] (dika amin'ny teny Anglisy nadikan'i Tony Lin Zhiyang):

畫面中的這個人叫祁家威,1986年28歲的他在台北一家麥當勞前召開國際記者會公開出櫃,成為台灣第一位公開出櫃的同性戀,此後的三十年間,祁家威的人生幾乎全部投注在同志運動當中,爭取同志平權,為了結婚而戰。

今天,台灣司法院公佈了祁家威提出的釋憲申請,判定民法不保障同性伴侶結婚違憲。

爭取台灣婚姻平權這條路祁家威從一個人走到百萬人走了三十年,而他也從少年走到了白頭。

今天在釋憲現場看到他,匆匆擦肩而過,卻有滄海桑田之感。有生之年可以見證,人生足已。

Raha nivoaka ampahibemaso toy ny lehilahy pelaka voalohany tao Taiwan izy 30 taona lasa izay, mbola tovolahy izy tamin'izany fotoana izany.

Chi Chia-Wei ny lehilahy eo amin'ny sary. Tamin'ny taona 1986, nanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety teo anoloan'ny McDonald ao Taipei i Chi, 28 taona tamin'izany, lasa lehilahy pelaka voalohany niseho vahoaka tao Taiwan izy. 30 taona taty aoriana, mandany ny ankamaroan'ny fahalebiazany ho an'ny zon'ny LGBT sy ny tolona ho amin'ny fitovian-jo amin'ny fanambadiana i Chi.

Ankehitriny, naneho ny heviny ara-pitsarana momba ny fitakian'i Chi ny Fitsarana Yuan ao Taiwan; tsy manaraka ny lalàm-panorenana ao amin'ny Fehezan-dalàna Sivilin'i Taiwan ny mandràra ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana.

Nanomboka izany tolona izany 30 taona lasa izy fony tovolahy, ary izy irery, saingy amin'izao fotoana izao, manana olona an-tapitrisany izy manohana azy.

Nandalo teo anoloany aho androany maraina tamin'ny fivoriam-bahoaka tao ivelan'ny mpanao lalàna Yuan. Resaka segondra fotsiny izany, ary efa nanatri-maso tantara an-dalam-piovana aho.

Notoherina tamin'ny volavolan-dalàna natolotr'ilay mpanao lalàna Yu Mei-nu avy ao amin'ny Antokon'ny fitondrana Tia Fivoarana Demaokratika ihany koa ny fitsipika efa misy izay milaza ny fanambadiana ho firaisana eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy. Nodinihana voalohany tamin'ny volana Desambra 2016 tao amin'ny mpanao lalàna Yuan ny volavolan-dalàna, saingy antenaina fa atao amin'ny faran'ity taona ity farafahatarany ny fandinihana farany (fanintelony).