- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Ny Vatana no Maty Fa Tsy Maty Ny Firenena': Mihaino Ve Ianareo? Rakipeo

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Brezila, India, Nizeria, Thailandy, Venezoela, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Global Voices Podcast

Manao topimaso ireo tantara vitsivitsy nivoaka vao haingana tato amin'ny famoaham-baovao ny Global Voices podcast Mihaino Ve Ianareo? Ato amin'ity fizaran-tantra ity isika handre ny fomba henjana niovan'ny Venezoela; ny tsy rariny atrehin'ny mponin'i Kashmir tantanan'ny Indiana; ny fidedahan'ny Nizeriana amin'ny fomba fahandro ny vary jollof; ny fanamelohana miharihary ny finamanana Facebook ao Thailandy; ary ny fanavakavaham-bolokoditry ny andrim-panjakana izay misy amin'ny rafi-pitsarana ao Brezila .

Misaotra indrindra an'i Kat Batuigas noho ny famoahana miaraka ity fizaran-tantara ity sy i Laura Vidal, i Mariana Parra, ary i Raphael Tsavkko Garcia noho ny fanampiany anay tamin'ny fitantarana. Ary mankasitraka ireo mpandray anjaran'ny Global Voices ihany koa  Luis Carlos Diaz [1], Nwachukwu Egbunike [2]Mong Palatino [3]Mariana Parra, ary Raphael Tsavkko Garcia [4] sy ny mpiara-miasa ao amin'ny VideoVolunteers [5] noho ny tantara izay asongadinay ato amin'ity rakipeo ity.

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany ny Let's Start at the Beginning [6] avy amin'i Lee Rosevere (CC BY 4.0); The Sun Is Scheduled to Come Out Tomorrow [7] avy amin'i Chris Zabriskie (CC BY 4.0); Oldie Song [8] avy amin'i David Szesztay (CC BY-NC 3.0); Aurora Borealis [9] avy amin'i Lee Rosevere (CC BY-NC 3.0); Backed Vibes Clean [10] avy amin'i Kevin MacLeod (CC BY 3.0); Skeptic [11] avy amin'i Podington Bear (CC BY-NC 3.0); ary Resiste! [12] avy amin'i el zombi flash (CC BY 4.0).

Sariitatra nataon'i Eduardo Sanabria (Edo Ilustrado) ny sary asongadina ao amin'ny hajiantsary Soundcloud. Nahazoana alalana [1].