- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: 10.000$ Ho Fikojakojana Fiara Fotsiny!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Hevitra, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 15 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Handany 10.000 $ ve ianao mba hikojakojana ny fiaranao ho mamiratra? Fantatro fa tsy hanao izany aho, kanefa misarika ny saintsika momba ilay olona iray izay manao izany fotsiny ny bilaogera Libaney Mark [1], izay mipetraka ao Koety.

Hoy i Mark nanoratra :

Back in December I posted about a user on YouTube called paradise1man who had just received his Bugatti Veyron [2] and shot a video of it and uploaded it online. Well I just checked his account now and he has a ton of more videos the latest is of Paul Dalton [3], “The worlds best car cleaner” who came in all the way from the UK to clean his car.

The video above is of Paul Dalton waxing the car which alone costs $10,000. If it was me I would have probably gotten bored of the car a month later and just started taking it to the Bayan (local) car wash…

Tamin'ny volana Desambra, niresaka  momba ny mpisera iray tao amin'ny YouTube antsoina hoe paradise1man aho izay vao nahazo Bugatti Veyron [2] ary naka lahatsary momba izany sy nandefa azy an-tserasera. Raha nijery ny kaontiny aho amin'izao fotoana izao dia manana lahatsary aman-taoniny izy, momba an'i Paul Dalton no farany indrindra tamin'izany, “Ilay mpanadio fiara mahay indrindra eto amin'izao tontolo izao”, izay tonga avy any amin'ny Fanjakana Britanika mihitsy mba hanadio ny fiarany fotsiny.

Ahitana an'i Paul Dalton manadio ny fiara amin'ny 10.000 $ ny lahatsary etsy ambony. Raha izaho izany dia efa leo an'ilay fiara aho afaka iray volana tatỳ aoriana, ary nanomboka nitondra izany ho any amin'ny mpanasa fiara Bayan (ao an-toerana) …

Namaly ny lahatsoratra i Paradiseman  hoe:

just want to tell you some thing,you did not know how much he cost me if it was $10000 or $1?and you don’t know if he was my friend or not,maybe he is making it for free you never know,i think i will keep you all guessing,sorry if i said anything hurt your feelings,but i love you all and god bless you,good luck and have a nice day.

Tiako ny milaza aminao zavatra iray, tsy fantatrao hoe ohatrinona ny vidin'izany amiko na 10000$ io na 1$ ? ary tsy fantatrao raha namako izy na tsia, na mety ho nanao izany maimaim-poana fa tsy fantatrao, mihevitra aho fa aleo ianareo haminavina ny momba izany, miala tsiny aho raha nilaza zavatra mahatohina ny fihetseham-ponareo, kanefa tiako ianareo rehetra ary Andriamanitra hitahy anareo, mirary soa ary mazotoa.

Manana fanangonana lahatsary ao amin'ny YouTube izay mampiseho ny fanangonany fiara sarobidy sy ny fomba fikarakarana ireo fiara amin'ny fomba manaram-penitra iraisampirenena ny Paradise1man [4] . Ity ny lahatsarin'ilay fikojakojana fiara nolazaina fa 10.000$ (Mariho ary fa efa voafafa ilay sary):

https://youtube.com/watch?v=S8J7OkS-m1w