- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Olona Mihoatra Ny 70.000 No Nafindra Toerana Noho Ny Fifandonana Teo Amin'ny Miaramila Filipina Sy Ny Vondrona Ahiana Ho Tohanan'ny ISIS

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Vonjy Voina, Zon'olombelona
[1]

Lavarangana lehibe natao foibe vonjimaika ho an'ny mponina nafindra toerana noho ny ady mitam-piadiana ao Marawi. Sary avy amin’ Ina Alleco Roldan Silverio, mpiasa ao amin'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana. Nahazoana alàlana .

Nahatonga ny fifindran'ny mponina an'arivony tao an-tanàndehiben'i Marawi, any amin'ny nosy atsimon'i Mindanao ny fanafihana nataon'ny miaramilan'ny governemanta Filipiana ny vondrona ao an-toerana ahiana ho manana fifandraisana amin'ny ISIS.

Tamin'ny 23 May, voalaza fa nanafika [2]sy nibodo tranobe isankarazany tao Marawi ny mpitolona ao amin'ny vondrona Maute. Noho ny filazana azy ireo ho manana fifandraisana amin”ny vondrona ISIS, dia  nanambara [3]ny lalàna miaramila tao Mindanao ny filoha Filipina ary nandidy ny miaramila hisambotra ny mpikambana Maute sy hampitsahatra ny fihanaky ny ekstremisma.

Ahitana Miozolomana maro i Mindanao. Mitolona ho amin'ny fizakan-tena izay anton'ny dingana mankany amin'ny fandriampahalemana amin'izao fotoana izao ny vondrona ao an-toerana, kanefa nanameloka [4]ny fihetsiky ny mpitolona ao amin'ny Maute izy ireo.

Mikendry ny vondrona ao amin'ny Maute ny lalàna miaramila, kanefa nahatonga famindran-toerana faobe [5] ho an'ny mponina Marawi ho any amin'ny tanàndehibe manodidina izany. Nandositra ny tranony ny fianakaviana an'arivony mba tsy ho tratran'ny fifampitifirana [6].

Tamin'ny marainan'ny 30 May 2017, nilaza ny governemanta fa hiantraika [7] amin'ny fianakaviana  miisa 14.313  na olona miisa 71.115 ny ady mitam-piadiana ao Marawi. Nilaza ny governemanta fa misokatra ny foibe fialofana miisa 20 ho an'ny  fianakaviana miisa  2.261 na olona miisa 10.809.  Olona an'arivony no nandeha nitady fialofana tany an-tanàndehibe hafa noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa. Hita nandeha an-tongotra nitondra ny enta-keliny ny olona sasany.

Herinandro taorian'ny fanambarana ny lalàna miaramila, nilaza ny governemanta fa efa eo ambany fanaraha-mason'izy ireo i Marawi. Kanefa toa mbola olana sarotra ny fanatsarana ny zavatra iainan'ny bakwit (ireo nafindra toerana) ho an'ny mpitarika  ao an-toerana izay manombana ny fiantraikan'ny lalàna miaramila sy ny fanafihana ny vondrona Maute ankehitriny .

Afaka nizara sakafo ho an'ny fianakavian'ireo olon-tsotra voakasika izahay omaly tany amin'ireo faritra saro-dalàna tao an-tanàndehiben'ny Marawi .

Ireto ambany ireto ny sary izay mampiseho ireo mponina nandositra an'i Marawi, ny zava-misy tao anatin'ny foibe fialofana, ary ny zava-misy tao an-tanàndehibe fehezin'ny miaramila:

[10]

Naparitaka tao an-tanàndehiben'i Marawi ny miaramila taorian'ny fanambarana ny lalàna miaramila . Sary: pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon. Nahazoana alàlana.

[11]

Tsy afaka namela ny biby fiompiny ny mpiompy sasany rehefa nandositra ny tanàndehiben'i Marawi. Sary: pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon. Nahazoana alàlana.

[12]

Rehefa nampiharina ny hamehana tao Marawi, olona an'arivony no namonjy izay fitaovam-pitaterana nisy mba handosirana ny tanàndehibe . Sary: pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon. Nahazoana alàlana.

[13]

“Toerana masina ” iray ao an-tanàndehiben'ny  Saguiaran ho an'ny olona nafindra toerana tao Marawi , Lanao Del Sur. Sary nalain'i Jerome Succor Aba. Nahazoana alàlana.

[14]

Karazana foibe fialofana ao amin'ny tranom-panjakana . Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Ina Alleco Roldan Silverio, mpiasan'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana . Nahazoana alàlana.