SARIPIKA: Olona Mihoatra Ny 70.000 No Nafindra Toerana Noho Ny Fifandonana Teo Amin'ny Miaramila Filipina Sy Ny Vondrona Ahiana Ho Tohanan'ny ISIS

Lavarangana lehibe natao foibe vonjimaika ho an'ny mponina nafindra toerana noho ny ady mitam-piadiana ao Marawi. Sary avy amin’ Ina Alleco Roldan Silverio, mpiasa ao amin'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana. Nahazoana alàlana .

Nahatonga ny fifindran'ny mponina an'arivony tao an-tanàndehiben'i Marawi, any amin'ny nosy atsimon'i Mindanao ny fanafihana nataon'ny miaramilan'ny governemanta Filipiana ny vondrona ao an-toerana ahiana ho manana fifandraisana amin'ny ISIS.

Tamin'ny 23 May, voalaza fa nanafika sy nibodo tranobe isankarazany tao Marawi ny mpitolona ao amin'ny vondrona Maute. Noho ny filazana azy ireo ho manana fifandraisana amin”ny vondrona ISIS, dia  nanambara ny lalàna miaramila tao Mindanao ny filoha Filipina ary nandidy ny miaramila hisambotra ny mpikambana Maute sy hampitsahatra ny fihanaky ny ekstremisma.

Ahitana Miozolomana maro i Mindanao. Mitolona ho amin'ny fizakan-tena izay anton'ny dingana mankany amin'ny fandriampahalemana amin'izao fotoana izao ny vondrona ao an-toerana, kanefa nanameloka ny fihetsiky ny mpitolona ao amin'ny Maute izy ireo.

Mikendry ny vondrona ao amin'ny Maute ny lalàna miaramila, kanefa nahatonga famindran-toerana faobe ho an'ny mponina Marawi ho any amin'ny tanàndehibe manodidina izany. Nandositra ny tranony ny fianakaviana an'arivony mba tsy ho tratran'ny fifampitifirana .

Tamin'ny marainan'ny 30 May 2017, nilaza ny governemanta fa hiantraika amin'ny fianakaviana  miisa 14.313  na olona miisa 71.115 ny ady mitam-piadiana ao Marawi. Nilaza ny governemanta fa misokatra ny foibe fialofana miisa 20 ho an'ny  fianakaviana miisa  2.261 na olona miisa 10.809.  Olona an'arivony no nandeha nitady fialofana tany an-tanàndehibe hafa noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa. Hita nandeha an-tongotra nitondra ny enta-keliny ny olona sasany.

Herinandro taorian'ny fanambarana ny lalàna miaramila, nilaza ny governemanta fa efa eo ambany fanaraha-mason'izy ireo i Marawi. Kanefa toa mbola olana sarotra ny fanatsarana ny zavatra iainan'ny bakwit (ireo nafindra toerana) ho an'ny mpitarika  ao an-toerana izay manombana ny fiantraikan'ny lalàna miaramila sy ny fanafihana ny vondrona Maute ankehitriny .

Afaka nizara sakafo ho an'ny fianakavian'ireo olon-tsotra voakasika izahay omaly tany amin'ireo faritra saro-dalàna tao an-tanàndehiben'ny Marawi .

Ireto ambany ireto ny sary izay mampiseho ireo mponina nandositra an'i Marawi, ny zava-misy tao anatin'ny foibe fialofana, ary ny zava-misy tao an-tanàndehibe fehezin'ny miaramila:

Naparitaka tao an-tanàndehiben'i Marawi ny miaramila taorian'ny fanambarana ny lalàna miaramila . Sary: pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon. Nahazoana alàlana.

Tsy afaka namela ny biby fiompiny ny mpiompy sasany rehefa nandositra ny tanàndehiben'i Marawi. Sary: pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon. Nahazoana alàlana.

Rehefa nampiharina ny hamehana tao Marawi, olona an'arivony no namonjy izay fitaovam-pitaterana nisy mba handosirana ny tanàndehibe . Sary: pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon. Nahazoana alàlana.

“Toerana masina ” iray ao an-tanàndehiben'ny  Saguiaran ho an'ny olona nafindra toerana tao Marawi , Lanao Del Sur. Sary nalain'i Jerome Succor Aba. Nahazoana alàlana.

Karazana foibe fialofana ao amin'ny tranom-panjakana . Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Ina Alleco Roldan Silverio, mpiasan'ny Departemantan'ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampandrosoana . Nahazoana alàlana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.