- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Ny Tena Fanonganam-panjakana Ejypsiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny Janoary 2011 ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)

1FED23AE-F703-4FA2-8D96-119E2BEDC6E7.jpg

Sary avy amin'i Ahmad347 [1] via Ms MoneyGirl [2]

Nanomboka tamin'ny faniriana izany…

ECF7B262-E35C-4AA1-BA30-FD44F908984D.jpg [3]

@Sarahngb [4] – That Rainbow over Tahrir is close to a miracle! Let's hope another will follow… RT @justimage [5]: http://yfrog.com/h0jzngjj #jan25

@Sarahngb [4] – Toa milaza fahatongavan'ny fahagagana ity Avana ao Tahrir ity! Antenaina fa hisy hafa hanaraka… RT @justimage [5]: http://yfrog.com/h0jzngjj #jan25

Avy eo tsahotsaho kely:

@Sandmonkey [6] – This might end tonite, hussam badrawy just said mubarak is coming on TV tonite to answer the people's demands. Fingers crossed.

This was seen by my dad on bbc. If anyone else saw hossam badrawy, let me know.

@Sandmonkey [6] – Mety hifarana amin'ny alina izany, vao avy nilaza i hussam badrawy fa ho ao amin'ny fahitalavitra i mubarak androany alina mba hamaly ny fitakian'ny vahoaka. Mikombo-tanana.

Hitan'ny dadako tao amin'ny bbc izany. Raha nisy olon-kafa nandre an'i hossam badrawy ihany koa, mba ilazao aho.

ary tamin'ny fotoana nanaovan'ny tafika “fanambarana voalohany” [7] tao amin'ny fahitalavi-panjakana Ejypsiana – feno sioka ny Twitter .

Niarahaba ny fanambarana ankamantatra nataon'ny tafika ny olona sasany niaraka tamin'ny hoe Tsy Misy Iraharahiako an'izany?? [8] saingy nahatakatra kosa i @SamihToukan [9]:

Army just made a useless announcement saying nothing … Whats most significant about Army announcement is not the announcement itself but fact that Mubarak was not chairing meeting.

Vao avy nanao fanambarana tsy misy ilana azy ny tafika,  …Ny tena zava-dehibe indrindra tamin'ny fanambaran'ny tafika dia tsy ny fanambarana mihitsy fa ny zava-misy fa tsy nitarika ny fivoriana i Moubarak.

Ary avy eo ny fat lady sang [10]:

Mission accomplished. Thanks to all the brave young Egyptians.

Vita ny adidy. Misaotra an'ireo tanora Ejypsiana mahery fo rehetra.

hoy i @ghonim, Wael Ghonim [11], mpitantana ny Google efa nogadraina sy olo-manandazan'ny revolisiona.

Saingy tamin'ny sunsetting [12](takarivan'i) Mubarak, nanomboka ny adihevitra sy ny tombatombana amin'ny ho avy:

@3arabawy tsy niombon-kevitra tamin'i @gonim tamin'ireo andian-dahatsoratra nosoratany:

We didn't fight and sacrifice all of this, so as to have the army, which is ruling us from 1952, remains in power! … The Revolution must continue … very disappointed with @Ghonim's position.

Tsy nitolona sy nanao sorona izany rehetra izany isika mba hijanon'ny tafika eo amin'ny fahefana, tafika izay nitondra antsika nanomboka tamin'ny taona 1952! … Tsy maintsy mitohy ny Revolisiona … diso fanantenana tanteraka tamin'ny fijerin'i @Ghonim.

Lasa lavitra i @ManAbuTaleb [13]:

@ghonim said previously “someone like me with an MA degree shouldn't be treated like this” so its OK if one has lesser degree?

@ghonim doesn't speak for me … have you seen him on TV just now? @Ghonim is saying very naive things. Very disappointing. Now where's that unfollow button?

nilaza i @ghonim taloha hoe “ny olona mitovy ahy manana diplaoma “taona faha-dimy” dia tsy tokony horaisina tahaka izany” ka ekena ve raha manana diplaoma latsaka noho izany?

Tsy miteny amiko izany @ghonim izany… hitanao tamin'ny fahitalavitra izy vao teo? milaza zavatra tsotra loatra i @Ghonim. Tena mandiso fanantenana. Aiza moa ankehitriny ilay bokotra fialàna?

Sandmonkey nanangona [14] ny toro-heviny manokana momba ny fandaharana ara-politika:

Now, I am not a leader of this movement, and god knows I would be loathe to name myself as a spokesperson for the 5 million individuals nationwide who have joined these protests. …

the status quo just won’t do. This lack of action and organization will be used against us (the protesters) in every way possible. … So here are my two cents

Eny, tsy mpitarika ity hetsika ity aho, ary fantatr'Andriamanitra fa tsy tiako ny manondro ny tenako ho mpitondratenin'ireo olona 5 tapitrisa manerana ny firenena izay nanatevin-daharana ity fihetsiketsehana ity.…

Tsy hety ny zava-misy ankehitriny. Izao tsy fisian'ny hetsika sy fandaminana izao no hamelezana antsika (mpanao fihetsiketsehana) amin'ny fomba rehetra azo atao. … Ka ity ny fandraisana anjarako

Ary nanome ny fandaharany ho amin'ny fiforonan'ny hetsika ara-politika vaovao izy.

Ary tao amin'ny bilaogy Arabista no niresahan'i Issandr El Amrani ny fandaharam-potoana ho amin'ny fanovàna ny lalàmpanorenena [15] ary niresahany ireo hevitra isan-karazany momba ny ho avy.

Hatsahatro eto – na inona na inona hitranga, rehefa mamaky ity lahatsoratra ianao, hiova indray izao tontolo izao! Vao fanombohana ihany izao, tokony hanana teny fototra “revolisiona” tokoa ny Global Voices.