- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela: Tamin'ny Fanamarihana ny Faha-12 Taona Nitondran'i Hugo Chavez

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny Febroary 2011 ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)

[1]

Filoha Hugo Chávez Frías. Sary tao amin'ilay mpisera Flickr, Bernardo Londoy, CC BY-NC-SA 2.0 license

Tsy mila monina ao Venezoela ianao vao hanamarika fa nampizara ny fanjakana ho firenena roa samy hafa ny fahasamihafana ara-poto-kevitra. Marina fa tokony hanana fomba fijery samihafa, antoko politika sy vondrona manohana sy manohitra ny fitondrana ankehitriny ny firenena tsirairay mba hisian'ny fanjakana voalanjalanja tsara izay afaka hisian'ny adihevitra lehibe, lasa toe-javatra mihoatra lavitra ny fahasamihafana izay azo heverina ho ” ara-dalàna ” i Venezoela ao amin'ny firenena Amerika Latina hafa ankehitriny. Ny hany zavatra itovian'ny roa tonta dia ny filohan'izy ireo, Hugo Chávez [2], izay nankalaza ny 12 taona nitondrany tamin'ny 2 Febroary 2011.

Azo tsapain-tanana eo amin'ny rindrina rehetra eny an-dalamben'ny firenena izany fisarahana izany. Mandritra izany, tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy, nahita izay antsointsika hoe fiarahamonina 2.0 izao tontolo izao: nandray ny Twitter ho sehatra hiresahan'izy ireo ny toe-javatra ao amin'ny firenena sy izay midika amin'ny lafiny iray hoe ny fahadisoan'ny governemanta nandritra ny 12 taona, sy izay heverin'ny hafa fa fahombiazan'ny revolisiona ny Venezoeliana. Luis Vicente León (@luisvicenteleon [3]), talen'ny Datanálisis [4] [es] (Orinasam-Pikarohana momba ny Tsena), nanambara hoe:

12 años después Venezuela esta dividida en dos mitades, pero una tiene más plata, poder, control y cohesión.

12 taona taty aoriana, nisasaka roa i Venezoelà, saingy ny iray manam-bola be, manana fahefana sy fifehezana ary firaisankina noho ny iray hafa.

Jereo fotsiny ireo sioka tamin'ny 2 Febroary mba hanamarihana izany fisarahana izany. Etsy andaniny, Sonia Aguirre (@soniaguir [5]) nanontany hoe:

¿Cómo se puede celebrar la mediocridad??? 12 Años haciéndolo es como demasiado, verdad????

Ahoana no ahafahan'izy ireo mankalaza ny fahadondronana? 12 taona, tsy efa betsaka ve izany?

Domingo Sifontes (@dsifontes [6]) nilaza hoe:

Por que Esteban [nombre que hace referencia al presidente por los ciudadanos opositores [7]] se mereceria otra oportunidad? si la tuvo y la desperdicio dividiendo el/al pais. Esta como el esposo q le pega a su pareja.

Nahoana i Esteban [anarana ampiasain'ny mpanohitra [8] hanondroana ny filoha] no mendrika vintana iray hafa? efa nanana izany izy saingy nolaniany fotsiny tamin'ny fampisarahana ny firenena. Tahaka ny lehilahy midaroka ny vadiny.

Luis Manuel González (@Luismac [9]) naneho hevitra hoe:

12 años… Sin paz

12 taona…. tsy misy fandriampahalemana

Ny andaniny kosa nankalaza ny 12 taonan'ny revolisiona. FFM, Frente Francisco de Miranda [10] [es], (@fmm_oficial [11]) nitatitra hoe:

En 12 años de Revolución Bolivariana Gobierno Nacional ha construido más de 500 escuelas http://bit.ly/hXfHyD [12]#12revolución [13]

Tao anatin'ny12 taona ny Revolisiona Bolivariana, nanangana sekoly maherin'ny 500 ny Governemantam-pirenena http://bit.ly/hXfHyD [12]#12revolution [13]

Oscar José Armas G. (@OJarmas [14]) nanoratra hoe:

#12REVOLUCION [15] de libertad y de liberacion de cadenas…..

#12REVOLUTION [15] ny fahalalahana sy famakiana ny rojo….

Constanza Harding V (@ConstanzaHV [16]) nizara ny fijeriny momba ny tsingerintaona miaraka amin'ny endrim-pihetsehampo:

#12REVOLUCION [15]

Hita maso isan'andro izany fahasamihafana voamarika izany; izany no nanjarian'i Venezoelà tao anatin'ny 12 taona.

Maria Belén Otero (@mariabelenotero [17]) nilaza ireo tarehimarika notaterina tao amin'ny gazety El Nacional ary nampiditra izany tao amin'ny lisitra antsoina hoe “#CifrasdelDictador” [#TheDictator'sFigures] [18] [es]:

#CifrasdelDictador: 15 millones de armas ilegales hay actualmente en el país. #ElNacional 13/08/10

#CifrasdelDictador: En los últimos 10 años los homicidios se incrementaron en 134% en Venezuela. #ElNacional 14/08/10

#CifrasdelDictador: El secuestro pasó de 44 casos en 1999 a 795 denuncias en 2009, lo que representa un aumento de 1.707%. #ElNacional 14/08/10

#CifrasdelDictador: El aumento de 1.707% de secuestros en el últimos 10 años no considera la cifra negra, que son los casos no denunciados. #ElNacional 14/08/10

#CifrasdelDictador: Cada 27 minutos un venezolano es víctima mortal de la violencia: 52 al día. #ElNacional 20/08/10

#EndrikynyJadona: Fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna 15 tapitrisa no misy ankehitriny ao amin'ny firenena. #ElNacional 13/08/10

#EndrikynyJadona: Tao anatin'ny 10 taona farany, nitombo 134% ny vono olona tao Venezoela. #ElNacional 14/08/10

#EndrikynyJadona: Fakàna an-keriny 44 no nitranga tamin'ny taona 1999 raha fitarainana momba ny fakàna an-keriny 795 kosa no voaray tamin'ny taona 2009, izay nitombo 1707%. #ElNacional 14/08/10

#TheDictator'sFigures: Tsy tafiditra ao anatin'ireo tranga tsy voatatitra ny fitomboan'ny fakàna an-keriny 1707% tao anatin'ny 10 taona farany. #ElNacional 14/08/10

#EndrikynyJadona: Isaky ny 27 minitra, Venezoeliana iray no mamoy ny ainy noho ny herisetra: 52 isan'andro. #ElNacional 20/08/10

Avy amin'ny fomba fijery mifanohitra amin'izany, Venezuelan Analysis [19] namoaka lahatsoratra avy amin'i Gregory Wilpert, hoy izy,

Venezuela has made significant progress in the past 12 years of Chavez’s presidency towards creating a more egalitarian, inclusive, and participatory society

Nahavita fandrosoana lehibe i Venezoelà tao anatin'ny 12 taonan'ny fitondran'i Chavez, tamin'ny alalan'ny fananganana fiarahamonina mitovy tantana, mahatafiditra ny rehetra sy andraisan'ny rehetra anjara.

Notohizan'i Wilpert tamin'ny filazana ny fandrosoan'ny governemanta teo amin'ny sehatra ara-politika, ara-toekarena, sy ara-tsosialy, ary koa ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena. Nandinika ny fahadisoana sy ny vato misakana natrehan'ny governemanta tao anatin'izay 12 taona izay ihany koa izy.

Nampiseho indray ny fisarahana atrehan'i Venezoelà ny tsingerintaona faha-12n'ny fitondran'i Hugo Chavez. Manantena ny sasany fa hitohy ny zava-misy nandritra izay 12 taona izay tao Venezoela, ny hafa kosa maniry mafy fiovana haingana araka izay azo atao. Handeha handatsa-bato indray ny Venezoeliana amin'ny volana Desambra 2012 mba hanapa-kevitra ny ho avin'ny ny governemanta Venezoeliana.