- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Ataon'ny Fetibe El Korba Isan-taona Mamiratra Amin'ny Tena Hatsaran-tarehiny ny Tanàndehibe

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 19 May 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
korba-post-2 [1]

Andao hiresaka tanjaka miabo. Tamin'ny Zoma (15 May), nankalaza ny fetiben'ny fandriampahalemany fahadimy ny El Korba, iray amin'ireo distrikan'i Kairo tranainy indrindra. Niandry ity hetsika fanao isan-taona ity ny mponina maro ao Heliopolis sy ny avy amin'ny faritra samihafa ao Kairo, fotoana izay ahafahan'izy ireo miala voly sy mankafy ny hatsaran'ny distrika Heliopolitana be mponina amin'ny fotoana rehetra, nikatona ny fifamoivoizan'ny fiara tamin'io andro io.

Ny fialam-boly sy hetsika ara-kolontsaina no ao anatin'ny fandaharam-potoana rehefa mihaona ao amin'ny toerana iray ny fandriampahalemana sy ny fahasamihafana.

Tao amin'ny bilaogin-dahatsorany momba ny fetibe, nilaza i Fattractive [2]hoe:

Korba is one of the oldest districts in Heliopolis. All these gorgeous old buildings. Sadly, it’s become extremely crowded and annoying, but on one day every year, it becomes a pedestrian street, and it’s true beauty shines through

Iray amin'ireo distrika tranainy indrindra ao Heliopolis i Korba. Ireo tranobe tsara tarehy tranainy rehetra ireo. Saingy mampalahelo fa lasa feno olona sy tena manorisory izany, kanefa ao anatin'ny iray andro isan-taona, dia lasa lalambe ho an'ny mpandeha an-tongotra izany, ary mamirapiratra amin'ny tena hatsaran-tarehiny izany.

korba-overview

Hoy izy nanohy avy eo :

All the cafes set their tables outside, bands entertain us up on a stage, kids draw on the street with chalks, and companies fall all over themselves to market their products in the most innovative ways. Entertainment is varied: the traditional tanoura/ oriental dances, and then guitar/ jazz bands. It got way crowded at night, but still very fun

Mamelatra ny latabany eny ivelany ny trano fisotroana kafe rehetra,  misy ny tarika mpitsoka mozika izay mampiala voly anay eny amin'ny lampihazo, manao kisarisary eny an-dalambe amin'ny tsaoka ny ankizy, ary mifaninana amin'ny famarotana amin'ny fomba hafa kely ny vokatry avoakany ny orinasa. Misy ny fialam-boly maro isan-karazany: ny tanoura  nentim-paharazana/dihy tatsinanana, ary ny tarika mpitendry gitara/Jazz. Mbola maro ny olona amin'ny alina, kanefa mbola tena mahafinaritra

Mody miaraka amin'ny sary tsara tarehy nalaina tamin'ny fotoana nahafinaritra ny olona aorian'ny hetsika ary mizara izany ao amin'ny Vondrona Facebook-n'ny hetsika [3] .

Ny vondrona dia mamaritra ny andro ho :

For Heliopolis residents and admirers and guests from across Cairo, this is the day we celebrate peace in Cairo's oldest and vintage quarter “korba Heliopolis”.

Ity no andro fankalazana ny fandriampahalemana ho an'ny mponin'i Heliopolis sy ny mpankafy ary ny vahiny manerana an'i Kairo ao amin'ny faritra tranainy indrindra ao “korba Heliopolis”.

Ireto ny sasany tamin'ireo sary avy amin'ny fetibe:

korba-folk
korba-respect

Sary avy amin'i: Nermeen Edrees (1 sy 2 )