Ny Angano Momba Ilay ‘Kanadiana Mahafinaritra’

Ned Flanders, Kanadiana. Pikantsary avy ao amin'ny YouTube.
Ny fanontaniana azoko betsaka indrindra tany Japana: “Amerikana ve ianao?”
“Ah, azafady,” hoy aho, “raha ny marina dia avy any Kanadà aho.” Monina any Japana aho, indraindray, nanomboka tamin'ny 1994. Arakaraka ny zava-mitranga, raisina ho fahalalam-pomba ny fanehoana fahalianana amin'ny olona resahanao amin'ny alàlan'ny fametrahana fanontaniana momba azy manokana.
“Oh, tendrombohitra feno harambato, lalao hockey an-dranomandry, natiora,” no valinteny mahazatra setrin'ny amin'ny fanazavako. maro ireo Kanadiana mety hitroatra anaty noho ny fampifangaroana azy ireo amin'ny Amerikana, saingy tsy mampaninona ahy izany. Ho an'ny maso tsy zatra, kely dia kely ny fahasamihafàna eo amin'ny Kanadiana sy ny Amerikana. Izany no antony mahatonga ireo Kanadiana maro mametaka ny sainampirenen'i Kanadà mivandravandra eo amin'ny kitapony rehefa mandeha any ivelany. Tian'ny rehetra ny Kanadiana. Ny Amerikana kosa anefa…
Toy izany no zava-nisy hatramin'ny nanombohako nandeha tany ivelany 20 taona lasa izay, efa talohan'i Donald Trump, talohan'ny fanafiham-bohitra an'i Iràka, ary talohan'ny tamin'ny 9/11. Mametraka ravinà “érable” amin'ny entany ireo Kanadiana mba hanavahany ny tenany amin'ireo Amerikana rahalahiny.
Manana fikarakarana ara-pahasalamana maimaimpoana izahay! Tsy misy basy aty! Efa ara-dalàna ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana aty Kanadà nanomboka tamin'ny 2005!
Toa mihevitra an'i Kanadà ho tena kapotsaka ny rehetra. Mahalala fomba izahay. Toa manao “azafady” matetika. Heverina ho firenena be fandeferana indrindra manoloana ireo foko ny Kanadiana. Tsy mitovy amin-dry zalahy hafa any atsimon'ny sisitany. Mahafinaritra izahay Kanadiana.
Halako izany.
Voalohany aloha, maro ireo namako Amerikana tena deraiko. Tsy mampaninona ahy, ohatra, ny fampifangaroana ahy amin'i Johnny ary any Dallas. I Marc avy any Austin. I Adam avy any San Francisco. Na i Michael avy any Honolulu.
Ary koa, misy olana vitsivitsy ateraky ny fiantsoana olona ho “mahafinaritra.” Ny voalohany: ny fiantsoana olona ho “mahafinaritra” dia tahaka ny fiantsoana azy ho “mahazatra”, tahaka an'i Ned Flanders avy ao amin'ny “The Simpsons” (izay manana Kanadiana iray mitovy tsy misy valaka aminy), mamy, tsara fanahy saingy mampalahelo fa tsy mahomby mihitsy.
Raha mety ho firenenà Ned Flanders marobe tokoa mantsy i Kanadà dia mety ho fivoarana izany, saingy ny tena olana dia tsy manana ny maha izy azy ny olona mahafinaritra. Tsy misy hasiaka, ary tsy misy na inona na inona mampihemotra azy. Tsy misongadina sy tsy mahaliana ny olona malefaka, tsy mendrika hisintona ny saina. Tsara izany raha toa ka ny hifangaro tanteraka amin'ny loko lafika no fanirianao, ary hijanona lavitry ny zava-mitranga manodidina anao.
Te-hilaza aho fa, raha ny marina, toetra voalohany maha Kanadiana ny faniriana hijanona ho irery sy tsy ho voafatotry ny andraikitra. Zatra tsy miraharaha afa-tsy ny momba anay izahay. Mety ho fahalalam-pomba mangatsiaka fotsiny ihany ilay lazain'ireo vahiny ho toetra “mahafinaritra”. Tsy dia manao resaka ivelan'ny fefy loatra miaraka amin'ny mpiray vodirindrina aminy ny Kanadiana. Tsy ampy ilay finamanana feno hafanàna sy fisokafana zary niarahako tamin'ireo namako Amerikanina izahay.
Soa ihany ho anay (sy ho an'izao tontolo izao), nipoitra i Justin Trudeau mba hahatonga ny Kanadiana hihoatra ny “mahafinaritra”; nahatonga ny firenenay hanaitra amin'ny lafiny tsara ny praiminisitra.
This meme. 🙌🏼 @JustinTrudeau pic.twitter.com/032pEqOhQm
— Hedieh Attai (@lovehedieh) May 7, 2017
Ranjanana, tsara tarehy, mpanao fanatanjahantena sady mpiaro ny zon'ny vehivavy izy, nanova an'i Kanadà miala aminà firenena iray fantatra fotsiny amin'ny lalao hockey an-dranomandry sy ny ronono amidy anaty harona plastika, ho tonga mandatehezan'ny fandeferana sy fialofana lavitr'ireo olan'izao tontolo izao.
Eny tokoa, nampiova tanteraka ny tsindrimpeon-dahatenin'i Kanadà i Trudeau andro iray monja taorian'ny nahavoafidy azy tamin'ny Oktobra 2015. Taorianà hetsi-panentanana fandraràna ny niqab nahitàna ny Mpitahiry ny fomban-drazana mpifanandrina aminy, tonga dia naka “selfie” miaraka amin'ireo Kanadiana Silamo i Trudeau tao amin'ny Metro an'i Montreal.
Avy eo, nanome toky ny governemanta Trudeau fa hampiantrano mpitsoamponenana 25.000 aty Kanadà tanatinà volana vitsy monja, raha toa ka nisalasala ny hanampy hanena ny krizin'ny mpitsoaponenana kosa ny governemanta teo aloha. Hatreto dia azo lazaina ho lavorary ihany ny drafitry ny governemanta Trudeau momba ny mpitsoaponenana.
Araka izany, tamin'ity 2017 ity, nanomboka nahatsapa ny Kanadiana fa mihoatra ilay mahafinaritra, noho ny fandokafan'izao tontolo izao sy ny fisarihana ara-nofo vao hita tsy ela izay. Mahara-baovao, milay sady mahay mandefitra isika. Saingy tena izay ve?
Satria manakana ihany koa ny fiatrehanay Kanadiana ireo olana fototra sasany ato aminay, izay tsy hiala atsy ho atsy, io angano momba ny “Kanadiana mahafinaritra” io. Manakaiky ny 20% ireo ankizy miaina anaty fahantrana aty Kanadà, ary saika ho antsasak'ireo ankizy avy amin'ireo Firenena Voalohany. Misy krizin'ny toeram-ponenana aty Kanadà, arahina krizin'ny tsy fananana fialofana. Raha miainga amin'ny mponina tsirairay, voalohany eran-tany ny Kanadiana amin'ny famoahana entona manimba ny tontolo iainana.
Samy manana ny olany ny firenena rehetra, mazava ho azy, ary maro ireo zavatra tsara momba an'i Kanadà. (Ankafiziko manokana ny karazanà fanaovan-dabiera vita tànana ao Kolombià-Britanika sy ny “sehatrà mozika vita an-trano” ho an'ireo vao hanomboka) ao Montreal.
Fa aoka izay ilay famantarana ho “mahafinaritra”. Antony iray mahatonga an'i Kanadà tsy dia handray andraikitra izany ary manakana anay hanatratra ny tsara indrindra amin'ny maha firenena anay.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...