[Rakipeo] Fanavaozam-baovao avy Amin'i Chennai Mangarahara

(Marihina fa tamin'ny 22 Jolay 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Niresaka momba ny fivoaran'ny tetikasa andraisana anjara an-tsarintany ao Chennai, India izahay vao haingana niarahana tamin'i Siddharth Hande avy ao amin'ny tetikasa Transparent Chennai tohanan'i Rising Voices ara-bola. Nanome fanavaozam-baovao tsy tapaka sy fampahafantarana fototra momba ny tanjon'ny tetikasa ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa i Sid. Ato amin'ity rakipeo ity, manontany an'i Sid izahay momba ny fomba nanombohany ny fifandraisana tamin'ny vondrom-piarahamonina mpanjono, sy ny antony manokana nahaliana azy tamin'ny fanondroana an-tsarintany. Ankoatra izany, nahafantatra bebe kokoa momba ireo drafitra sasany ho an'ny fiaraha-miasa tamin'ny ankizy sy ireo mponina beantitra any ambanivohitra izahay, sy ny fanamby tokana mitranga hatreto ihany koa.

Henoy ny resadresaky ny rakipeo niarahana tamin'i Siddharth Hande:

Trohy eto ny dosie mp3  .

Siddharth Hande mitarika ny fanondroana an-tsarintany niaraka tamin'ny mpianatra tao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.