- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Rakipeo] Ny Andro Ho An'ny Fitenenana Boliviana

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 10 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

4A3AE990-2473-4349-9034-C9B5493AD754.jpg

Tamin'ny 19 Aprily, nampiantrano ny Andro ho an'ny Fitenenana Boliviana [1] ny Voces Bolivianas [2] tao amin'ny toerana miisa valo samihafa manerana ny tanàndehibe Boliviana miisa enina, hetsika voarindra iray andro izay manofana ny Boliviana am-polony amin'ny fomba hanombohana ny bilaoginy manokana sy ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera nasionaly [3] sy manerantany [4] .

Ato amin'ity rakipeo iarahana amin'ny mpanorina ny Voces Bolivianas, Eduardo Ávila [5] ity, no andrenesantsika ny famaranana ny lanona [6]n'ny andiana atrikasa tao Santa Cruz [7] sy ny antony nahatapa-kevitra ny Voces Bolivianas hikarakara ny fiofanana iray andro tao amin'ny toerana maro samihafa manerana ny firenena.

icon Download MP3 File [8]