[Rakipeo] Ny Andro Ho An'ny Fitenenana Boliviana

(Marihina fa tamin'ny 10 Aprily 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

4A3AE990-2473-4349-9034-C9B5493AD754.jpg

Tamin'ny 19 Aprily, nampiantrano ny Andro ho an'ny Fitenenana Boliviana ny Voces Bolivianas tao amin'ny toerana miisa valo samihafa manerana ny tanàndehibe Boliviana miisa enina, hetsika voarindra iray andro izay manofana ny Boliviana am-polony amin'ny fomba hanombohana ny bilaoginy manokana sy ny fandraisana anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera nasionaly sy manerantany .

Ato amin'ity rakipeo iarahana amin'ny mpanorina ny Voces Bolivianas, Eduardo Ávila ity, no andrenesantsika ny famaranana ny lanonan'ny andiana atrikasa tao Santa Cruz sy ny antony nahatapa-kevitra ny Voces Bolivianas hikarakara ny fiofanana iray andro tao amin'ny toerana maro samihafa manerana ny firenena.

icon Download MP3 File

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.