Fiteny: Topimaso Momba Ny Fifanakalozan-kevitra An-tserasera Ato Amin'ny Rakipeo Global Voices

(Marihina fa tamin'ny 15 Novambra 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ato amin'ity fizaran-tantaran'ny rakipeo Global Voices volana Novambra ity, mifantoka amin'ny fampiasana ny fiteny izay sarotra hita ao amin'ny Aterineto ny lohahevitry ny adihevitra. Manolotra ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera amin'ny alàlan'ny “Fampiasana ny Fitaovana Mediam-bahoaka Hampiroboroboana Ny Fiteny tsy dia Fahita Loatra ” ihany koa  ny rakipeo  izay nokarakarain'ny Rising Voices niaraka amin'ny Siokan'ny Tompotany sy ny Paikady Vaovao izay hanomboka amin'ny 16 Novambra.

Iray amin'ireo vahiny nasongadina ato amin'ny rakipeo i Kevin Scannell, izay nanontanian'i Jamillah Knowles momba ny fiaraha-miasany amin'ny tetikasa Siokan'ny Tompotany  sy ny fanamby izay atrehan'ireo vondrom-piarahamonina manana fiteny tsy fahita loatra amin'ny Aterineto. Indro ny rakipeon'ny antsafa, izay azo jerena ao amin'ny pejy Soundcloud Global Voices .

Antsafa Global Voices: Kevin Scannell miresaka ireo sioka sy blaogy tompotany avy amin'ny globalvoices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.