- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Guinea-Bissau Asongadina Ato Amin'ny Rakipeo Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Feon'ny Tanoran'i Bandim sy Fandevenana, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 5 Jolay 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Niverina ny rakipeo Global Voices, ary iray amin'ireo fizaran-tantara asongadina amin'izao fotoana izao ny Rising Voices. Nandritra ny fitsidihanay vao haingana [1]  ny tetikasa fanohanana ara-bola vaovao “Youth Voices of Bandim and Enterramento [2]” na “Ny Feon'ny Tanoran'i Bandim sy Enterramento” tao Ginea-Bissau, dia nisy ny fandraketana rakipeo fohy momba ny tarika mpihira vehivavy antsoina hoe Manjuandadi. Handray anjara amin'ireo atrikasa mifantoka amin'ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, toy ny sary nomerika sy ny fandraisana rakipeo ity tarika ity izay notohanan'ny vondrona ara-kolontsaina “Netos de Bandim”.  Handray anjara amin'ny rakipeo amin'ny fizaran-tantara manaraka ihany koa ny Rising Voices. Henoy ny rakipeo feno [3] [mg] izay ahitana ny antsafa sy ny fifanakalozan-kevitra manerana ny vondrom-piarahamonina Global Voices rehetra .

[4]