Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Guinea-Bissau Asongadina Ato Amin'ny Rakipeo Global Voices

(Marihina fa tamin'ny 5 Jolay 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Niverina ny rakipeo Global Voices, ary iray amin'ireo fizaran-tantara asongadina amin'izao fotoana izao ny Rising Voices. Nandritra ny fitsidihanay vao haingana  ny tetikasa fanohanana ara-bola vaovao “Youth Voices of Bandim and Enterramento” na “Ny Feon'ny Tanoran'i Bandim sy Enterramento” tao Ginea-Bissau, dia nisy ny fandraketana rakipeo fohy momba ny tarika mpihira vehivavy antsoina hoe Manjuandadi. Handray anjara amin'ireo atrikasa mifantoka amin'ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, toy ny sary nomerika sy ny fandraisana rakipeo ity tarika ity izay notohanan'ny vondrona ara-kolontsaina “Netos de Bandim”.  Handray anjara amin'ny rakipeo amin'ny fizaran-tantara manaraka ihany koa ny Rising Voices. Henoy ny rakipeo feno [mg] izay ahitana ny antsafa sy ny fifanakalozan-kevitra manerana ny vondrom-piarahamonina Global Voices rehetra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.