Mey, 2017

Tantara tamin'ny Mey, 2017

Sodàna: Ho Avy Ny Revolisionam-bahoaka?

  30 Mey 2017

Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia sy Ejypta, nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir sy ny governemantany.

Brezila: Topimaso An-tsarin'ny Campus Party Tao Brezila

  30 Mey 2017

Nifarana ny Alahady teo ny Campus Party taona 2009 tao São Paulo. Mihoatra ny 6.500 ny olona nandray anjara tamin'ity andiany faharoa ity izay azo lazaina fa hetsika lehibe indrindra momba ny teknolojia sy ny kolontsaina nomerika ao Amerika Latina. Ho hitanao ato ny sasany amin'ireo sary mahaliana indrindra.

RDC: Nitombo Isa Ny Taranaka Rajako Virunga

  30 Mey 2017

Ny Talata, 27 Janoary 2009, namoaka fanambarana an-gazety ny manampahefan'ny Valan-javaboahary Virunga ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo izay milaza fa nitombo 12.5% ny rajako an-tendrombohitra mahalala baiko na zatra olona ao amin'ny Valan-javaboahary ...

Nikaragoà: Ny Takaitra Navelan'ny Horohorontanin'ny Taona 1972

  29 Mey 2017

Tamin'ny 23 Desambra 1972, namely an'i Managoa, Nikaragoà ny horohorontany mahery vaika amin'ny maridrefy 6.2, namono olona 5.000, sy maratra 20.000, ary tsy manan-kialofana 250.000. Ankizy tamin'izany fotoana izany ilay bilaogera Nikaragoàna, Homero, saingy manana ny fahatsiarovana ireo voka-dratsiny, izay nosokajiany tamin'ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny bilaoginy.