- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistan: Fihaonan'ny Bilaogera Tao Lahore

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 01 Desambra 2008 no nosoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 23 Novambra 2008, bilaogera Pakistaney maherin'ny 100 no nihaona tamin'ny fivoriana iray tao Lahore, fihaonana voalohany tao an-tanàndehibe tamin'ity karazany ity. Nokarakarain'ny LUMS IEEE Sampan'ny Mpianatra (fiaraha-miasa niarahana tamin'ny CIO Pakistan [1] sy ny Google Pakistan [2] ) ny hetsika. Ny hampivory ireo bilaogera mba hiara-midinika ny hevitra momba ny sehatra famahanana bilaogy ao Pakistan sy hampiroborobo ity fampitam-baovao ity no tanjona. Nifanakalo ny fomba fijeriny ireo bilaogera ary nizara ny tantaram-pahombiazany.

Fivoriana tsy nankalazaina ho an'ireo bilaogera hafahafa miisa roa-polo ao Lahore no nanomanana izany tany am-boalohany.  Ny  hetsika nalefa tao amin'ny Facebook avy amin'i Badar Khushnood [3] (Mpanolontsainan'ny Firenena , Google) no hany loharanom-baovao tamin'ity fihaonana ity. Toa tsy nampoizina anefa fa maro kokoa ny olona liana tamin'izany ary nihamaro hatrany ny isan'ny olona noheverina hanatrika.  Nahomby ny fiaraha-miasan'ny mpikarakara ny hetsika sy ny CIO Pakistan sy RedBull, ary nivadika ho fihaonamben'ny bilaogera ny hetsika izay nahitana ny fahafahan'ireo bilaogera manerana ny firenena nandray anjara.

Toy izao no nosoratan'i Rabia Garib [4] (toniandahatsoratra CIO ao Pakistan) momba ity trangan-javatra ity:

What started off as a really small 20 person event at LUMS has grown into something more than 100 attendees overnight… literally!

Izay nanomboka tamin'ny hetsika kely tsy nisy afatsy olona miisa 20 tao amin'ny LUMS dia lasa nisy mpanatrika mihoatra ny 100 nandritra ny alina … ara-bakiteny!

Nanatrika tany an-toerana ihany koa aho amin'ny maha-bilaogera ahy ary faly aho mitantara ity hetsika ity ho an'ny Global Voices. Mitovy amin'ny seminera ny hetsika raha ny hevitro mba handrisihana ireo izay vao manomboka. Nanazava ny maha zava-dehibe ny famahanana bilaogy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny i Badar Khushnood [3] .

Ireto avy ny hevi-dehibe nodinihina tao amin'ny Fihaonana :

Azonao jerena ato [5]amin'ny bilaogiko ny antsipiriany tamin'ny hetsika  na ao amin'ny pejy fandrakofana ofisialy ny tranonkala CIO Pakistan [6] .

Avy amin'i Farhan Janjua ny sary rehetra