- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Zavakanto Sa Fanimbana Zavatr'olona Ny Graffiti?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 15 Aprily 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Fanontaniana iray mitranga matetika: Zavakanto sa fanimbana zavatr'olona ny graffiti ? Vao haingana ity fanontaniana ity no teo anivon'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Koesiana.

Nandefa lahatsary iray tao amin'ny YouTube, namoha ny adihevitra i Mark, mpibilaogy ao amin'ny 248am.com [1] rehefa nanoratra izy hoe:

A group in Kuwait called BLD have started posting videos of their graffiti escapades. So far they’ve posted only one video titled “Kuwait Graffiti #1″ and there is a second video on the way soon. I personally prefer more colorful graffiti which hopefully their second video will contain.

Misy vondrona nanomboka nandefa lahatsarin'ny fanaovany graffiti antsoina hoe BLD ao Koety. Lahatsary iray ihany aloha hatreto no navoakan'izy ireo izay mitondra ny lohateny hoe: “Kuwait Graffiti #1″ ary  efa an-dalana tsy ho ela ny lahatsary faharoa. Raha izaho manokana dia aleoko ny graffiti maroloko kokoa, izay antenaina fa ho hita ao amin'ny lahatsarin'izy ireo faharoa.

Nahasarika fanehoan-kevitra miisa 56 hatramin'izao ny lahatsary, miainga avy amin'ireo izay mihevitra fa tsara kokoa noho ny “fanorisorenana  ankizivavy” any amin'ny fivarotan-dehibe ny fanaovana  graffiti ho an'ireo izay naneho fahatezerana, ka nanolo-kevitra ny polisy handray andraikitra.

Naneho hevitra i Stafa hoe:

Cool seeing kids engaging themselves in activities (even if it’s minor vandalizing). It’s better than hanging out with the wrong people in malls, chasing and harassing girls

Mahafinaritra ny mahita ny ankizy mirotsaka amin'ny fanaovana hetsika (na dia toa somary fanimbana zavatr'olona aza izany). Tsara kokoa noho ny mifampitaona miaraka amin'ireo olona ratsy toetra manenjika ary manorisory ny ankizivavy any amin'ny fivarotan-dehibe izany.

Nizara tantara mitondra aingam-panahy i b momba ny hoe nahoana ity endrika zavakanto ity no nampiasaina any an-tsekoly miaraka amin'ny fomba fisainana kinga mba hanakiviana ireo mpianatra amin'ny fifohana sigara:

that’s nothing last year i was in al 3dwany high school in audailiah and a bunch of student’s had this talent going on real good, so the principal of the school asked them to do a no smoking pics and words on the school wall inside near the Cafeteria cuz all the students smoke there

tsy nisy dikany izany tamin'ny taon-dasa rehefa tao amin'ny lisea al 3dwany aho ao audailiah ary  nanana izany talenta tena tsara izany ny vondrona mpianatra, ary nangataka azy ireo mba hanao ny sary sy soratra amin'ny tsy fifohana sigara teo amin'ny rindrin'ny sekoly anatiny teo akaikin'ny toeram-pisakafoan'ny mpianatra ny lehiben'ny sekoly satria eo no mifoka sigara ny mpianatra rehetra

Tezitra i Kuwaiti  :

… Unfortunately… I’m so upset from my I see… is that what you guys learned from the Private schools… !!
I’m in the mid of 30’s .. and I don’t recall that we done such thing before.. it’s a waste of Money

… Indrisy anefa … tohina aho tamin'ny fomba fahitako izany … izany ve ry zalahy ny zavatra nianaranareo tany amin'ny sekoly tsy miankina … !!
Ao anatin'ny taonan'ny fahamatorana aho izao .. ary tsy tsaroako nanao zavatra toy izany izahay teo aloha .. fa fandaniam-bola izany

Nanolo-kevitra ny handraisan'ny polisy andraikitra i 3azeez :

Kuwait is small and everyone knows everyone else. This kind of graffiti is ruining many places in Kuwait and one of them is where I live. Therefore, I highly encourage anyone who knows these kids to download the video and report them to the police.

Kely i Koety ary mifankahalala avokoa ny olona rehetra. Manimba toerana maro ao Koety ity karazana graffiti ity ary anisan'izany ny toerana iray misy ny fonenako. Noho izany, tena mandrisika ny rehetra aho izay mahafantatra ireo ankizy ireo mba hitroka ny lahatsary ary hitatitra izany any amin'ny polisy.

Avy eo nampiany hoe :

Any illegal act should be reported. Whether they own the building, or its to be demolished or not is a matter to be investigated later on. Yes people like that do vandalize my neighborhood and I dont appreciate seeing this kind of tasteless stuff where I live. If you disagree with me then bohoo… its illegal so its not a matter to be discussed.

Tokony hanaovana tatitra [fitoriana] ny hetsika tsy ara-dalàna rehetra. Na dia azy ireo aza ny tranobe, na tokony horavana izany na tsia dia tokony hanaovana fanadihadiana any aoriana. Eny, manimba ny faritra manodidina ahy ny olona toy izany ary tsy ankasitrahako ny mahita ity karazan-javatra tsy misy endriny ity any amin'ny toeram-ponenako. Raha tsy mitovy hevitra amiko ianao dia mitomania… tsy ara-dalàna izany ary zavatra tsy tokony horesahina akory.

Fa nanana ny filazany ny bilaogera Koesiana sy ny mpamaky azy ireo, ary ahoana ny hevitrao?