- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistàna: Avereno Indray Ny Fanentanana Teknolojika

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2009)

Ny Take Back The Tech, [1] (TBTT) na Avereno Indray Ny Fanentanana Teknolojia dia fanentanana iray ifandrimbonana izay misy mandritra ny 16 Andron'ny Fikatrohana Manohitra ny Herisetra Mifandray amin'ny Maha-Lahy na Vavy [2] (25 Nov – 10 Dec). Ny tanjony dia ny hampiroborobo ny TIC ho hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Ao Pakistàna, ny P@SH@- Pakistan Software Houses Association [3]- dia mandray ilay hetsika sy mitondra azy mandroso ary efa nanomboka sahady fanentanana any anaty sehatra samihafa anaty aterineto any.

Jehan Ara, Filohan'ny P@sh@, no nanomboka ilay fanentanana taorian'ny nitarihany fihaonana kely niarahana tamin'ireo bilaogera mba hanampy amin'ny fikarohana làlana mba hiteraka vokatsoa ilay fanentanana. Ao amin'ny bilaoginy In the Line Of Wire [4], zarain'i Jehan ny antsipirihany amin'ilay fanentanana sy ireo fomba azon'ny olona hitondrana ny anjara birikiny.

Manomboka ny 25 Novambra hatramin'ny 10 Desambra, mivonòna hanapotsitra ny voalavokelinao, hanetsika ny rantsanao hitendry someso ary hitondra angovo feno hifehezana ny teknolojia mba hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Antsoin'ny Fandaharanasa “Solosaina ho an'ny Vehivavy” ireo fampielezampeo, fahitalavitra, aterineto, imailaka ary telefaona finday mba “Hamerina indray ny Teknolojia”!

Mandritra izany koa i Jehan dia nanomboka fanentanana tao amin'ny Twitter izay nahazoany valiny nirarak'ompana avy amin'ireo lehilahy sy vehivavy toa azy.

jehan_ara [5]: Ndeha horesahantsika hoe lalàna inona no misy hiadiana amin'ny Herisetra manjo ny Vehivavy, amin'ny fampiasantsika ny TIC ary raha toa ilaina ny manova/manitsy azy ireny #takebackthetech [6]

rai_azlan [7] Efa fantatra loatra fa ny herisetra dia mazàna mifàrana rehefa misy hafa miditra an-tsehatra. #takebackthetech [6]

faisalkapadia: [8] HO AN'IREO VEHIVAVY AO PAKISTANA Ndeha hofaranantsika ny herisetra an-tokantrano manjo azy ireo #TBTT [9]

Fariha Akthar ao amin'ny “Far Quest shared” nanambara ilay fanentanana ety anaty aterineto tamin'ny alàlan'ny lahatsoratra [10]iray :

Androany ny ankamaroan'ny fotoana malalaka rehetra nanànako dia natokako hanandramana ny  TBTT….eny “Hamerenana Indray Ny Teknolojia!” ary dia hitohy ho toy izany farafaharatsny mandritra ny 16 andro ho avy. [..]

Isika eto Pakistàna dia nikarakara hanao fanentanana TBTT eto an-toerana.(..) Nisy lasitra fototra ho an'ireo hetsika isanandro, ho arahantsika mba hamoronana fahatsiarovantena eny amin'ny olona momba ireo olan'ny fisotasotàna atao amin'ny vehivavy, ary hizaràna torohevitra momba izay fomba hiadiana amin'io ambana io.

Rai Azlan ao amin'ny bilaogy “My land Pakistan” [11] dia niresaka ny filàna manasongadina ireo tranganà herisetra manjo ny vehivavy.

Miaina ao anaty fiarahamonina iray anjakazakàn'ny lehilahy loatra, matetka aho no mihevitra fa ambony kokoa noho ilay tsy mitovy amiko, angamba izany mety vokatry ny rivotra sosialy amin'ny ankapobeny. Kanefa, mino aho fa ny fahamboniana dia avy amin'ny fandraisana andraikitra ary ny olona iray dia afaka fotsiny ho ambony raha tontosany daholo ireo adidiny.

[..] Vantany vao fantatro ny lanjany sy ny tanjona ao ambadik'ity fanentanana ity, dia tsapako hoe mety ho io no fomba ahafahako manatontosa ny andraikitro.

Teabreak [12], ilay toerana lehibe indrindra famondronana bilaogy ao Pakistàna, dia nanambàra [11] ny fanohanany ilay fanentanana, niantso ireo bilaoger rehetra hanatevina laharana sy hanely ny feo. Toerana iray mampiantrano bilaogy maherin'ny 1.200 voasoratra anarana ao Pakistàna ny Teabreak. Ny fanokanantena ho an'ilay hetsika dia hanampy hanely azy ho any aminà olona bebe kokoa. Betsaka ireo fanohanana tonga rehefa injay ny  “The Laid Back Show [13]“, nampiantranoin'ireo bilaogera malaza Awab Alvi [14] sy Faisal Kapadia [15], nanokana andiany iray manontolo ho an'ilay fanentanana mba ho fanampiana amin'ny fanapariahana ny fanairana ary hanangonana tohana misimisy kokoa.

Niteraka adihevitra momba ny fampiasàna ireo fitaovan'ny haino aman.jery sosialy ilay fanentanana, ary niresahana tranga momba ny filàna vaniny ety anaty aterineto. Ndeha isika hanantena hoe ho lasa fanentanana matanjaka kokoa ity hetsika ity mba hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy – fanentanana iray tsy tokony ho voafetra ho anaty andro 16, fa haharitra mandra-pahita fihenana goavana amin'ny isanjaton'ireo vehivavy miatrika herisetra.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataon'ny Global Voices momba ny Ending Violence Against Women 2009 [16]