RDC: Nitombo Isa Ny Taranaka Rajako Virunga

Kibirizi the silverback(Marihina fa tamin'ny 27 Janoary 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ny Talata, 27 Janoary 2009, namoaka fanambarana an-gazety ny manampahefanan'ny Valan-javaboahary Virunga ao amin'ny  Repoblika Demokratikan'i Congo izay milaza fa nitombo 12,5% ​​tao anatin'ny 18 volana farany (nanomboka ny volana Aogositra 2007 ka hatramin'ny volana Janoary 2009) ny rajako an-tendrombohitra mahalala baiko na zatra olona ao amin'ny Valan-javaboahary na dia teo aza ny ady masiaka izay nandetika ny Faritry ny Gorila Mikeno tao Virunga. Ny Faritry ny Mikeno no hany toerana ahitana Rajako An-tendrombohitra, Gorilla gorilla beringei  ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo .

Faly tamin'ny vaovao i Paula Kahumbu tao amin'ny bilaogin'ny Fiarovana ny Rajako ao amin'ny WildlifeDirect, ary nampita ny fanambarana an-gazety tao amin'ny bilaogin-dahatsoratra. Nilaza ny fanambarana fa misy rajako 81 ankehitriny ao amin'ny vondrona zatra olona na mahalala baiko, anisan'izany ny zanaka rajako 10 vaovao, mihoatra ny 72 voaisa tamin'ny taona 2007. Hoy ny fanambarana an-gazety:

During the 16-month period from August 2007 to late January 2009, 10 baby gorillas were born into 4 of the habituated families – the Kabirizi, Mapuwa, Lulengo and Mapuwa families – and 2 adult female gorillas previously non-identified (from non-habituated groups) have joined habituated gorilla families. Three gorillas that had been previously identified in the August 2007 census have not been found and are listed as missing.

Nandritra ny 16 volana, nanomboka tamin'ny volana  Aogositra 2007 ka hatramin'ny  faramparan'ny volana Janoary 2009, zanaka rajako miisa 10 no teraka tao amin'ny fianakaviana rajako mahalala baiko miisa 4, ny fianakaviana rajako Kabirizi, Mapuwa, Lulengo sy Mapuwa ary rajako vavy lehibe miisa 2 izay  tsy fantatra teo aloha (avy amin'ny vondrona tsy mahalala baiko na zatra olona) no nanatevin-daharana ireo fianakaviana rajako mahalala baiko na zatra olona. Nosokajiana tao anatin'ny tsy hita ny rajako telo izay efa fantatra teo aloha fa tsy hita tamin'ny fanisana tamin'ny volana Aogositra 2007 .

Mpiambina ny Valan-javaboahary mihoatra ny 50 no nitarika mpisafo miisa 128 nandritra ny fanisana ireo rajako, ary nanombana ny isan'ny rajako tsy mahalala baiko na zatra olona ho 120 izy ireo ankoatra ny rajako mahalala baiko na zatra olona, ​​izay midika fa miisa 211 ankehitriny ny taranaka rajako ao anatin'ny Faritra Mikeno izay mirefy 250 kilometatra toradroa .

Tombanana ho miisa 720 ny taranaka rajako manerantany any anaty ala ary nisy fitomboana teo amin'ny  9 teo ny isan'ny rajako amin'ity faritra ity izay tena vaovao lehibe nifanandrify tamin'ny filazan'ny mpahay siansa fa  mety ahitana fihenana eo amin'ny 10% ny taranaka rajako an-tendrombohitra ao Ogandà .

Azonao atao ny mamaky ny fanambarana an-gazety manontolo araka ny nampitaina tao amin'ny bilaogy Fiarovana ny Rajako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.