Taorian'ny Tabataba, Niezaka Ny Niala Tsiny Tamin'ireo Vondrom-piarahamonina Kristianina Ao Iraka Ny Lehiben'ny Shiita

Pikantsarin'i Alaa al-Moussawi nandritra ny antsafa niarahana tamin'ny al-Hurra. Sary: YouTube

Lahatsary iray vao haingana nahitana an'i Alaa al-Moussawi, filohan'ny Tahirim-bola Fanohanana ny Shiita ao Iraka  (fikambanana vatsian'ny governemanta ara-bola ho fihazonana ny toerana ara-pivavahana), no toa miantso ireo Kristianina sy Jiosy ao Iraka mba hiova ho Silamo, na hovonoina, na handoa “djizya,” hetram-pivavahana ao amin'ny tsy silamo.

Nampitandrina ny vondrom-piarahamonina Kristianina ao amin'ny firenena (saika tsy dia misy ny vahoaka Jiosy ao Iraka) ny lahatsary efa nivoaka telo taona noho ny fitoviana eo amin'ny fanamarihany sy ny kabary tsara lahatra avy amin'ny vondrona mpikatroka mahery setra ISIS. Tamin'ny taona 2014, rehefa avy nifaoka ny ankamaroan'ny faritra avaratr'i Iraka ny ISIS, niatrika fiantsiana tahaka izany ihany koa ny Kristianina. Maro ny fianakaviana nisafidy ny handositra ny tranon'izy ireo  rehefa noterena hisafidy ny fiovana finoana na ny fahafatesana.

Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny al-Hurra, fantsom-baovao amin'ny teny Arabo, namaly ireo tsikera i al-Moussawi tamin'ny filazana fa tsy nahafantatra ny zava-misy izy ary fikasan'ireo mpanohana ny ISIS mba hanapaka ny fifandraisana eo amin'ny Shiita ao iraka sy ny vondrom-piarahamonina Kristianina izany. Nilaza ihany koa izy fa avy amin'ny lesona ara-pivavahana nomena ny moskea tao amin'ny tanàna masin'i Najaf mikasika ny lohahevitra tsy Miozolomana nandritra ny fiandohan'ny Silamo ny lahatsary manokana. Nanamafy izy fa ny tanjon'ny lahateny dia ny hampahafantra fotsiny ary nilaza koa fa tsy niantso hanimba ny Kristianina ao Iraka izy.

Tao anatin'ny ezaka hamaha ny olana eo amin'ny vondrom-piarahamonina roa tonta, nandefa delegasiona ho any amin'ny Brigady Babyloniana, ​​hetsika Kristianina natsangana mba hitaky ny tany very tamin'ny taona 2014 i al-Moussawi, miaraka amin'ny taratasy miala tsiny sy manazava ny tena votoatin'ny lahatsary.

Ny fahatezerana naterak'izany fanamarihana izany dia nitarika fitoriana maromaro an'i al-Moussawi tany am-boalohany, anisan'izany ny fitoriana niara-napetraky ny fianakaviana 180 noho ny “fikotrehana fampirisihana hamely ny Kristianina sy manelingelina ny fimaroana ara-kolontsain'i Iràka.” Na izany aza, nisy ny marimaritra iraisana mba hanatsoahana ny fitoriana rehetra taorian'ny fivoriana ofisialy niarahana tamin'ny delegasiona Kristianina notarihin'i Rayan al-Kildani, lehiben'ny Brigady Babyloniana.

Afaka mijery ny horonantsary nisy ny resadresaka efa tamin'ny telo taona lasa miaraka amin'ny fanontaniana etsy ambany ianao:

‘Tsy handao ny tanin'ny rainay sy ny raibenay izahay’

Hatramin'ny nirodanan'ny fitondrana Ba'ath tamin'ny taona 2003, nihena manodidina ny 500.000 ny vondrom-piarahamonina Kristianina ao Iraka noho ny fitomboan'ny sekta raha 1,5 tapitrisa izany teo aloha. Nitatitra tao amin'ny fampahalalam-baovao, Voice of America vatsian'ny governemanta Amerikana ara-bola, namariparitra ny zava-misy marina momba ny fiovam-pinoan'ny kristianina i Rikar Hussein:

According to Iraqi Christian Relief Council, a non-profit organization that advocates for Christian minorities in the country, sectarian violence following the U.S.-led invasion of Iraq and systematic targeting of religious minorities by IS and other militant groups have forced approximately 80 percent of the Christian population to leave the country.

Araka ny filazan'ny Vaomieram-panavotana Kristianina Irakiana, fikambanana tsy mitady tombontsoa izay miaro ireo Kristianina vitsy an'isa ao amin'ny firenena, nanery ny teo amin'ny 80 isan-jaton'ny mponina kristianina mba handao ny firenena ny herisetra ara-pivavahana taorian'ny fanafihana notarihan'ny Amerikana tao Iraka sy ny fikendrena hatrany ireo vitsy an'isa ara-pivavahana ataon'ny IS sy ireo vondrona milisy Amerikana hafa.

Raha nanakorontana manokana ny vondrom-piarahamonina Kristianina ao Iraka ny telo taona lasa, maro ireo naneho ny fanoloran-tenany mba hiverina any amin'ny tranon-drazany ao amin'ny faritanin'i Ninive. Araka ny filazan'i Louis Sako, filohan'ny Fiangonana Kaldeanina ao Iraka, fianakaviana 1.300 teo no eo no te-hiverina haingana ao amin'ny tanànan'izy ireo noafahana, anisan'izany ny ao Tal Usquf, Baqofa, sy Batnaya.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny New Arabo Niños Abdul Ahad, Irakiana nafindra toerana iray no nampanantena ny fiverenan'ny vondrom-piarahamonina Kristianina:

The Christians will return to their land, despite the destruction we will rebuild churches, schools, and homes, and remove the remnants of ISIS. We will not abandon the land of our fathers and grandfathers.”

Hiverina any amin'ny tanin'izy ireo ny Kristianina, na dia eo aza ny fandravàna, hanangana fiangonana, sekoly, sy trano izahay ary hanaisotra ny sisa navelan'ny ISIS. Tsy handao ny tanin'ny rainay sy ny raibenay izahay. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.