Maraoka: Anarana Samy Hafa, Tantara Mitovy

Ali Anouzla and Jamal Boudouma have each been fined MAD200,000, the equivalent of approximately USD$23,800

Ali Anouzla sy Jamal Boudouma samy voasazy handoa onitra MAD200.000, eo amin'ny 23.800 dolara Amerikana.

(Fanamarihana:  nivoaka tamin'ny volana Martsa 2009 ny lahatsoratra teny anglisy)

Na dia eo aza ny fandrosoana ivelany, niatrika tsy fahombiazana maro ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy i Maraoka. Vao haingana indrindra, voalaza fa samy nahazo sazy mihantona roa volana sy voasazy handoa onitra MAD 200.000 (eo amin'ny 23.800 dolara) i Ali Anouzla sy i Jamal Boudouma, tonia mpitantana sy talen'ny famoahana ao amin'ny gazety Maraokana Al-Jarida Al-Oula (الجريدة الأولى) noho ny “fanalam-baraka” sy “faniratsirana ny fitsarana.” Nilaza i Anouzla fa hampakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavany raha vao voaray ny dika mitovy amin'ny didim-pitsarana.

Araka ny filazan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ):

The lawsuit, the second in less than three months in regard to the same article, was filed by Khalil Hachemi Idrissi, publishing director of the daily French-language newspaper Aujourd'hui Le Maroc in January. Idrissi filed a previous lawsuit against Anouzla in September 2008, after the newspaper reported on an incident in which Hassan al-Yaqoubi, the spouse of King Muhammad VI's aunt had shot and injured a traffic policeman who had stopped him.

“We urge the court of appeals to overturn this unjust ruling,” said Mohamed Abdel Dayam, CPJ's Middle East and North Africa program coordinator. “This fine and another that was issued in January smack of political score-settling and are likely to bring down the newspaper if upheld by the court of appeals.”

Idrissi wrote a piece in Aujourd'hui Le Maroc calling the newspapers that covered the incident unpatriotic and said they lacked journalistic ethics. Al-Jarida al-Oula was the only newspaper that wrote about the incident at the time, Anouzla told CPJ.

Napetrak'i Khalil Hachemi Idrissi, talen'ny famoahana ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Frantsay Le Maroc tamin'ny Janoary ny fitoriana, izay faharoa tao anatin'ny telo volana latsaka mikasika ny lahatsoratra iray. Efa nametraka fitoriana an'i Anouzla i Idrissi tamin'ny Septambra 2008, rehefa nitatitra zava-nitranga ny gazety, zava-nitranga momba an'i Hassan Al-Yaqoubi, vadin'ny Mpanjaka Mohammed VI, izay nitifitra sy nandratra polisy mpandamina ny fifamoivoizana nanakana azy.

“Mandrisika ny Fitsarana Ambony izahay mba handrava ity didim-pitsarana tsy ara-drariny ity”, hoy i Mohamed Abdel Dayam, mpandrindra ny fandaharana Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra ao amin'ny CPJ. “Navoaka tao anatin'ny raharaha misy ambadika politika izany onitra izany sy ny hafa navoaka tamin'ny volana Janoary ary mety hampikatona ny gazety raha hamafisin'ny Fitsarana Ambony.”

Nanoratra tao amin'ny Aujourd'hui Le Maroc i Idrissi, miantso ireo gazety izay nitatitra ny loza ho tsy tia tanindrazana ary nilaza fa tsy manana etika maha-mpanao gazety izy ireo. Al-Jarida al-Oula no hany gazety nanoratra ny zava-nitranga tamin'izany fotoana izany, hoy i Anouzla tamin'ny CPJ.

Mpanoratra Maraokana Laila Lalami nibilaogy momba ny tantara androany, nilaza mazava ny tsy fanekeny ny didim-pitsarana:

So let me see if I get this straight: One prominent journalist sues another for defamation and wins. (And it just so happens that the latter was critical of the regime’s handling of the al-Yacoubi case.) The censorship machine is so well-oiled nowadays that the Moroccan government doesn’t need to do anything.

Koa avelao aho hijery raha mahatakatra izany: Mpanao gazety iray malaza nitory mpanao gazety hafa noho ny fanalam-baraka, ary nandresy. (Ary vao hita fa ity farany no nitsikera ny fomba fandraisan'ny fitondrana ny raharaha al-Yacoubi). Toa misosa tsara ankehitriny ny milin'ny sivana ka tsy mila manao na inona na inona ny governemanta Maraokana.

Will of the blog One Hump or Two? manantena fa ho hita any anaty lahatsoratra ny fijoroana vavolombelona:

I hope Al-Jarida Al-Oula, if it decides the risk of continuing to publish the testimony isn't worth it, is able to give or sell the documents to a foreign paper (I think Spain would be best). That's not an ideal solution, though, because it makes the information more difficult for Moroccans to reach.

Manantena aho fa raha manapa-kevitra ny Al-Jarida Al-Oula, fa tsy ilaina ny manohy mamoaka ny fijoroana vavolombelona, dia afaka manome na mivarotra ireo antontan-taratasy amin'ny gazety vahiny izy (mino aho fa i Espaina no tsara kokoa). Tsy vahaolana tonga lafatra izany, satria mahatonga ny vaovao ho sarotra kokoa ho an'ny Maraokana ny mahazo azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.