- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodàna: Ho Avy Ny Revolisionam-bahoaka?

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny volana Janoary 2011 ny lahatsoratra teny anglisy)

Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia  [1]sy Ejypta [2], nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir [3]sy ny governemantany. Tonga teo amin'ny fahefana tamin'ny taona 1989 i Omar al-Bashir taorian'ny fanonganam-panjakana mihoso-drà.

Miantso ny Sodaney rehetra ny fanentanana Sodana 30 Janoary mba hivoaka ny trano amin'ny 30 Janoary ary hanao fihetsiketsehana eny an-dalamben'ny tanàna feno olona indrindra ao Sodàna. Misy ny tatitra [4] fa nidaroka sy nisambotra mpianatra tao an-tanàn-dehiben'i Khartoum ny polisy Sodaney.

Ity ny zava-nitranga notaterina tao anatin'ireo sioka farany amin'ny alalan'ny tenirohy #SudanJan30 [5].

@elzubeir manoro hevitra ireo mpisera twitter [6]mba hampiasa ny tenirohy #SudanJan30 ho an'ny firaisankina:

People tweeting on the protests in #Sudan today, please use the #SudanJan30 hashtag for consistency. #Jan30 may be confused with #Egypt's

Izay olona misioka momba ny fihetsiketsehana ao #Sudan androany, ampiasao azafady ny tenirohy #SudanJan30. Mety hifangaro amin'i #Egypt's ny #Jan30

@simsimt:

Can't tweet while walking. Numbers so far in tens. Could sum up to 100. Chants are mainly against price increases. #SudanJan30

Tsy afaka misioka fa mbola ety an-dalana. Isa am-polony hatramin'izao. Mety hahatratra 100. Manohitra ny fiakaram-bidim-piainana no tena ventsoventsoina.

@Pajama_Girl:

video on #sudan protests now on al-jazeera http://english.aljazeera.net/watch_now/ #sudanjan30

lahatsary momba ny fihetsiketsehana ao #sudan no mandeha ankehitriny ao amin'ny al-jazeera http://english.aljazeera.net/watch_now/ #sudanjan30

@cotton_crab:

次はスーダン。Riot police attacked us. Numbers started to build up. Protesters are spreading into smaller groups in internal streets. #SudanJan30

次はスーダン。Nanafika anay ny polisy misahana ny rotaka. Nanomboka nitombo ny isa. Miparitaka vondrona madinika ireo mpanao fihetsiketsehana any anatin'ny lalana. #SudanJan30

@tololy:

Protests in Sudan! You just can't make this stuff up! #SudanJan30 #ArabProtest #Egypt #JO #Yemen #ArabProtest

Fihetsiketsehana ao Sodàna! Tsy mahavita izao zavatra izao ianao! #SudanJan30 #ArabProtest #Egypt #JO #Yemen #ArabProtest

@o01tac:

#SudanJan30 Numbers are growing by the min

#SudanJan30 Mitombo isa-minitra ny isan'ny olona

@elzubeir:

@simsimt: Looks like we need the guys from #Egypt to come teach us a thing or two about organizing a protest. #SudanJan30 #Jan

@simsimt: Toa mila ireo namana avy ao #Egypt isika mba hampianatra zavatra antsika mikasika ny fikarakarana fihetsiketsehana. #SudanJan30 #Jan

@kksolanet:

#SudanJan30 RT @ykhogaly: #Sudan #jan30 Thousands of students from WadMadani Ahlia University join the demonstration in #WadMadani

[7]

Sudan Protest: Photo Update From the Protest. Photo courtesy of @SudanGuardian

#SudanJan30 RT @ykhogaly: #Sudan #jan30 Mpianatra an'arivony avy ao amin'ny Oniversiten'i WadMadani Ahlia no nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana ao #WadMadani

@polgrim

Please follow @simsimt who is on his way to attend a demo for #SudanJan30

Araho azafady i @simsimt izay eny an-dalana hanatrika ny fihetsiketsehana #SudanJan30

@simsimt:

It appears demo is resuming at Jackson's square, middle of Souq Arabi. Unconfirmed reports of clashes. I'm heading there. #SudanJan30

Toa lasa ao amin'ny kianjan'i Jackson, ao afovoan'i Souq Arabi ny fihetsiketsehana. Tatitra tsy voamarina momba ny fifandonana. Handeha ho any aho izao. #SudanJan30

@SudanGuardian:

PHOTO: Sudan Protest Started, Photo Update From the Protest. Please keep hashing to #SudanJan30 http://yfrog.com/gyji42j

SARY: Nanomboka ny Fihetsiketsehana Sodàna, Sary Farany Tao amin'ny Fihetsiketsehana. Araho foana azafady ny #SudanJan30 http://yfrog.com/gyji42j

@alunmcdonald:

#SudanJan30 Universities seem to be the centre of protests, as usual. Reports of crowds at Omdurman Islamic, Khartoum & Ahlia

 #SudanJan30 Ireo Oniversite no toa foiben'ny fihetsiketsehana, araka ny mahazatra. Misy ny tatitra milaza fa feno vahoaka ao amin'ny Omdurman Islamika, Khartoum & Ahlia

@elzubeir wants AlJazeera to go to Sudan [8]:

Hey AlJazeera, if you want to cover demonstrations and need to fill up time while #Egypt cuts you down, come to #Sudan for #SudanJan30

Hey AlJazeera, raha te handrakotra ny fihetsiketsehana ianao ary mila mameno ny fotoana rehefa tapahan'i #Egypt, tongava ao #Sudan #SudanJan30

Farany, Jan30Sudan [9] dia tetikasa fandraketana an-tsaritany ny fihetsiketsehana mba hojeren'izao tontolo izao.