(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny volana Janoary 2011 ny lahatsoratra teny anglisy)
Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia sy Ejypta, nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir sy ny governemantany. Tonga teo amin'ny fahefana tamin'ny taona 1989 i Omar al-Bashir taorian'ny fanonganam-panjakana mihoso-drà.
Miantso ny Sodaney rehetra ny fanentanana Sodana 30 Janoary mba hivoaka ny trano amin'ny 30 Janoary ary hanao fihetsiketsehana eny an-dalamben'ny tanàna feno olona indrindra ao Sodàna. Misy ny tatitra fa nidaroka sy nisambotra mpianatra tao an-tanàn-dehiben'i Khartoum ny polisy Sodaney.
Ity ny zava-nitranga notaterina tao anatin'ireo sioka farany amin'ny alalan'ny tenirohy #SudanJan30.
@elzubeir manoro hevitra ireo mpisera twitter mba hampiasa ny tenirohy #SudanJan30 ho an'ny firaisankina:
People tweeting on the protests in #Sudan today, please use the #SudanJan30 hashtag for consistency. #Jan30 may be confused with #Egypt's
Izay olona misioka momba ny fihetsiketsehana ao #Sudan androany, ampiasao azafady ny tenirohy #SudanJan30. Mety hifangaro amin'i #Egypt's ny #Jan30
@simsimt:
Can't tweet while walking. Numbers so far in tens. Could sum up to 100. Chants are mainly against price increases. #SudanJan30
Tsy afaka misioka fa mbola ety an-dalana. Isa am-polony hatramin'izao. Mety hahatratra 100. Manohitra ny fiakaram-bidim-piainana no tena ventsoventsoina.
@Pajama_Girl:
video on #sudan protests now on al-jazeera http://english.aljazeera.net/watch_now/ #sudanjan30
lahatsary momba ny fihetsiketsehana ao #sudan no mandeha ankehitriny ao amin'ny al-jazeera http://english.aljazeera.net/watch_now/ #sudanjan30
@cotton_crab:
次はスーダン。Riot police attacked us. Numbers started to build up. Protesters are spreading into smaller groups in internal streets. #SudanJan30
次はスーダン。Nanafika anay ny polisy misahana ny rotaka. Nanomboka nitombo ny isa. Miparitaka vondrona madinika ireo mpanao fihetsiketsehana any anatin'ny lalana. #SudanJan30
@tololy:
Protests in Sudan! You just can't make this stuff up! #SudanJan30 #ArabProtest #Egypt #JO #Yemen #ArabProtest
Fihetsiketsehana ao Sodàna! Tsy mahavita izao zavatra izao ianao! #SudanJan30 #ArabProtest #Egypt #JO #Yemen #ArabProtest
@o01tac:
#SudanJan30 Numbers are growing by the min
#SudanJan30 Mitombo isa-minitra ny isan'ny olona
@elzubeir:
@simsimt: Looks like we need the guys from #Egypt to come teach us a thing or two about organizing a protest. #SudanJan30 #Jan
@simsimt: Toa mila ireo namana avy ao #Egypt isika mba hampianatra zavatra antsika mikasika ny fikarakarana fihetsiketsehana. #SudanJan30 #Jan
@kksolanet:
#SudanJan30 RT @ykhogaly: #Sudan #jan30 Thousands of students from WadMadani Ahlia University join the demonstration in #WadMadani
#SudanJan30 RT @ykhogaly: #Sudan #jan30 Mpianatra an'arivony avy ao amin'ny Oniversiten'i WadMadani Ahlia no nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana ao #WadMadani
@polgrim
Please follow @simsimt who is on his way to attend a demo for #SudanJan30
Araho azafady i @simsimt izay eny an-dalana hanatrika ny fihetsiketsehana #SudanJan30
@simsimt:
It appears demo is resuming at Jackson's square, middle of Souq Arabi. Unconfirmed reports of clashes. I'm heading there. #SudanJan30
Toa lasa ao amin'ny kianjan'i Jackson, ao afovoan'i Souq Arabi ny fihetsiketsehana. Tatitra tsy voamarina momba ny fifandonana. Handeha ho any aho izao. #SudanJan30
@SudanGuardian:
PHOTO: Sudan Protest Started, Photo Update From the Protest. Please keep hashing to #SudanJan30 http://yfrog.com/gyji42j
SARY: Nanomboka ny Fihetsiketsehana Sodàna, Sary Farany Tao amin'ny Fihetsiketsehana. Araho foana azafady ny #SudanJan30 http://yfrog.com/gyji42j
@alunmcdonald:
#SudanJan30 Universities seem to be the centre of protests, as usual. Reports of crowds at Omdurman Islamic, Khartoum & Ahlia
#SudanJan30 Ireo Oniversite no toa foiben'ny fihetsiketsehana, araka ny mahazatra. Misy ny tatitra milaza fa feno vahoaka ao amin'ny Omdurman Islamika, Khartoum & Ahlia
@elzubeir wants AlJazeera to go to Sudan:
Hey AlJazeera, if you want to cover demonstrations and need to fill up time while #Egypt cuts you down, come to #Sudan for #SudanJan30
Hey AlJazeera, raha te handrakotra ny fihetsiketsehana ianao ary mila mameno ny fotoana rehefa tapahan'i #Egypt, tongava ao #Sudan #SudanJan30
Farany, Jan30Sudan dia tetikasa fandraketana an-tsaritany ny fihetsiketsehana mba hojeren'izao tontolo izao.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...