Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

30 Mey 2017

Tantara tamin'ny 30 Mey 2017

Tontolo Arabo: Ratsy Dikateny Ilay Boky Momba Ireo Arabo Pelaka

Vao nivoaka dia efa nisedra olana ilay boky pelaka voalohany indrindra voadika amin'ny teny Arabo taorian'ny namoahana azy mialoha tamin'ny teny Anglisy. Mitatitra ireo fanehoankevitry ny mpitoraka bilaogy momba ilay boky Gay Travels in the Muslim World i Katharine Ganly, ny dikateniny izay niteraka adihevitra mafana.

Taorian'ny Tabataba, Niezaka Ny Niala Tsiny Tamin'ireo Vondrom-piarahamonina Kristianina Ao Iraka Ny Lehiben'ny Shiita

Niteraka fitoriana maromaro napetraky ny fianakaviana Kristianina Irakiana azy ny fanehoan-kevitra farany avy amin'i Alaa al-Moussawi noho ny fanakorontanana ny fimaroan'i Iraka. Niala tsiny izy avy eo.

Sodàna: Ho Avy Ny Revolisionam-bahoaka?

Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia sy Ejypta, nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir sy ny governemantany.

Brezila: Topimaso An-tsarin'ny Campus Party Tao Brezila

Nifarana ny Alahady teo ny Campus Party taona 2009 tao São Paulo. Mihoatra ny 6.500 ny olona nandray anjara tamin'ity andiany faharoa ity izay azo lazaina fa hetsika lehibe indrindra momba ny teknolojia sy ny kolontsaina nomerika ao Amerika Latina. Ho hitanao ato ny sasany amin'ireo sary mahaliana indrindra.

Maraoka: Anarana Samy Hafa, Tantara Mitovy

Na dia eo aza ny fandrosoana ivelany, niatrika tsy fahombiazana maro ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy i Maraoka.

Pakistàna: Avereno Indray Ny Fanentanana Teknolojika

Tao Pakistàna, ny P@SH@- Pakistan Software Houses Association- dia nandray ilay hetsika TBTT sy nitondra azy mandroso ary efa nanomboka sahady fanentanana tany anaty sehatra samihafa anaty aterineto any.

Japàna: Ilay Andro Tsy iantsenàna

Mpanjifa manara-drenirano fotsiny isika..."izay vidianao no mamaritra ny maha-ianao anao"

RDC: Nitombo Isa Ny Taranaka Rajako Virunga

Ny Talata, 27 Janoary 2009, namoaka fanambarana an-gazety ny manampahefan'ny Valan-javaboahary Virunga ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo izay milaza fa nitombo 12.5% ny rajako an-tendrombohitra mahalala baiko na zatra olona ao amin'ny Valan-javaboahary ...

Egypta: Ho Arefotra Ilay Sambo Nalaina An-keriny

Mbola mampahatsiahy antsika indray ny zava-mitranga i Zeinobia herinandro vitsivitsy taorian'ny fanambarana ny fijirihan'ny jiolahin-tsambon'i Somalia ny sambo Egyptianina .