Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!

(Marihina fa tamin'ny 24 Janoary 2010 no nivoaka ny lahatsoratra teny anglisy)

Nanohy indray ny famahanana bilaogy andro vitsy lasa izay, izany hoe tamin'ny alahady 17 Janoary 2010 ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca, izay voasambotra roa volana lasa izay. Gaga izy anefa raha nahita fa nosivanin'ny manampahefana ny bilaoginy tamin'ny Zoma 22 Janoary 2010. Noho izany, voasivana tao anatin'ny herinandro araka ny asehon’ity rohy ity ny bilaogy izay nahitana lahatsoratra tokana.

Mailaka ny fanehoan'ireo bilaogera ny fanoherana ity sivana ity. Nanoratra i Khannouf  hoe:

Le nez bouché, le regard embué par un rhume et la tête fiévreuse, par une colère, entre autres : Fatma vient d’être censurée. Après ses tracas, avec courage son blog est ressuscité par un billet « unique » posté le 17 janvier, et 53 commentaires furent reçus pleins d’enthousiasme de retrouver cette jeune femme au verbe franc.

Ny orona tsentsina, ny maso bongon'ny hatsiaka sy ny fanaviana avy  amin'ny hatezerana. Eny tokoa, voasivana i Fatma  Taorian'ny olana niainany, nifoha niaraka tamin'ny herimpo ny bilaoginy tao anaty lahatsoratra iray nalefa tamin'ny 17 Janoary, ary nandray ilay vehivavy tso-po sy be herimpo ny fanehoan-kevitra feno hafanam-po miisa 53 .

Naneho hevitra tao amin'ny pejy i La7mer:

بربي آش فمة ؟ علاش عاودو سكرولك مدونتك .. آش صار ؟ حسب ما قاعد نشوف على الصفحة ما فما حتى ربع سبب !؟
Andriamanitra ô, tsy azoko. Nahoana no nakaton'izy ireo indray ny bilaoginao? Fa nisy inona? Raha ny fahitako azy, tsy mahita na inona na inona eo amin'ny pejy aho izay manome azy ireo na dia ny ampahefatry ny anton'izany sivana izany aza.

Vetivety dia tonga tany amin'ny Twitter ny vaovao, izay nahitana ireo mpisera nampitampita vaovao momba ny fanakanana. Ireto misy sioka vitsivitsy momba izany:

arabica censure

Kanefa tsy i Fatma Arabicca irery ihany no lasibatra tamin'ny sivana amin'izao fotoana izao fa toy ilay mpanao gazety Sofiene Chourabi ihany koa izay nahita ny bilaoginy Ho an'ny Demokratika, Sosialy, ary Firaisankina ao Tonizia voasivana faninefany tao anatin'ny roa volana.

Ary tsy diso ny Sekreteram-panjakana Amerikana Hilary Clinton rehefa nitanisa an'i Tonizia tao anatin'ireo firenena mifehy sy mametra ny fahafahana miditra amin'ny Aterineto tao amin'ny kabariny momba ny fahalalahan'ny Aterineto izay nivoaka tao amin'ny Newseum tao Washington, DC

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.