- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Atao Fitaovana i Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny Janoary 2010 ny teny anglisy amin'izy ity)

Bilaogera nandao an'i Gaza vao haingana i Exiled (an-tsesintany) – ary tsy maika hiverina izy. Amin'ity fandikan-teny tamin'ny lahatsoratra nosorotany vao haingana ity, ho hitantsika ao ny heviny momba ny fampielezan-kevitra ara-politika sy ny fitiavan-tena, ny tonelina mankany Ejipta sy ny tetikasa fefy vy, ary ny toetry ny ahiahian'ny tontolo any ivelany ho an'ny tetezan-tanin'i Gaza.

Exiled nanoratra tao amin'ny bilaogy Nostalgia [1]:

لا شي يشبه غزة،خرجت منها ولم تخرج مني،ليس حنينا بقدر ماهو …. لست ادري. (…) لا اريد الرجوع ولم اندم لحظة على الخروج رفضت ان اكون بضاعة،سلعة رخيصة يتاجر بها اهل الدين والسياسة والاعلام، ارفض العودة للركض خلف انبوبة الغاز وانتظار الكهرباء في ليالي الشتاء الطويلة والصراخ والعويل الحزبي والتكلس الديني
غزة بلد الكلام والانشاء الرخيص لا يفهمها احد، ملعب بعشرات الفرق ومئات المهاجمين والمدافعين ولكن بلا حكم ،يختلط فيها الحابل بالنابل ويكثر فيها الهرج والمرج كلوحة سرياليلة تستعصي على بيكاسو وسلفادور دالي
تحفر الانفاق لتهريب البضائع من مصر الى غزة…في حين انها عملية بيع وشراء تتم تحت نظر السلطتين في غزة ومصر ولكن تبقى تحت مسمى التهريب كي يستفيد منها الطرفين كل لمصلحته،كي تشحت سلطة غزة على شعبها المسكين الذي يشرب اطفاله الحليب مهربا،وكي تكون ذريعة لمصر لتحمي امنها القومي وحدودها من مخاطر التهريب

Tsy misy tahaka an'i Gaza. Nandao azy aho, saingy tsy nandao ahy izy. Tsy dia misy fanembonana betsaka… Tsy fantatro. […] Tsy te-hiverina aho, ary tsy manenina aho miala mandritra ny fotoana fohy. Tsy te ho entam-barotra, entana mora vidy amidin'ny olona ara-pivavahana, politika sy ny fampahalalam-baovao aho. Mandà ny heverina hitsena etona mandatsa-dranomaso, miandry ny herinaratra mandritra ny ririnina lavabe amin'ny alina, hahabe tabataba sy fitarainan'ny antoko politika, sy ny fandrebirebena ara-pivavahana aho.

Toerana ho an'ny teny foana sy ny daroka baomba i Gaza. Tsy misy olona mahatakatra azy. Toeran-dalaon'ireo ekipa am-polony sy mpanafika ary mpiaro an-jatony, saingy tsy misy fitsipika. Nanjary nifangaro ny zava-drehetra ary nikorontana tanteraka, tahaka ny sary hosodoko mihoatra ny zava-misy ka na i Picasso na i Salvador Dali aza tsy mahatakatra izany.
Nolavahana ireo tonelina mba hitondrana an-tsokosoko ireo entana ao Ejypta mankao Gaza…ary satria raharaham-barotra (fividianana sy ny fivarotana) tontosaina eo imason'ireo manampahefana ao Gaza sy Ejypta izany, izay tohizana antsoina hoe “mpanondrana an-tsokosoko” mba hahazoan'ny roa tonta tombontsoa ho an'ny tanjon'izy ireo manokana – ka ahafahan'ny governemantan'i Gaza manararaotra ireo mahantra mamelona ny zanak'izy ireo amin'ny ronono naondrana an-tsokosoko, sy hanome ho an'ny Ejypta ny mody lazaina fa fiarovana ny filaminam-pirenena sy ny sisintany ho fanoherana ireo loza ateraky ny fanondranana an-tsokosoko..

تروج الانفاق على انها عمل وطني بحت يقوم به اناس شرفاء خدمة لشعبهم المكلوب…في حين ان حيتان التجارة ومجرميها في غزة هم من يقوما بالحفر خدمة لمصالحهم المادية البحتة،ولهم مقاومين للايجار حيث اذا فتحت اسرائيل معابرها من غزة لادخال البضائع يضرب اولئك المقاومين المرتزقة الصواريخ على المعابر لاقفالها لكي يحتكرو البيع (…) يسوق الشعب الغزي في الاعلام على انه شعب جائع ويأكل من المزابل،في حين ان مليارات الدولارات تم ضخها الى مصر من عمليات الشراء والبيع تحت الانفاق
فضحت مصر ونشر غسيلها الوسخ واحتشد المتظاهرون المتضامنون امام السفارات المصرية في العالم تنديدا بالجدار الفولاذي على الحدود، في حين ان مصر كانت قادرة ببساطة وبكل هدوء وبدون اي شوشرة اغلاق جميع الانفاق مع غزة دون اي شوشرة اعلاميةتبني مصرجدار فولاذي عالي…ولا احد في غزة يدري لماذا؟ فاغلاق الانفاق لا يحتاج الى هذا الجدار، ولن يمنع الجدار الانفاق!
Nohatsaraina mba ho asa madio ho an'ny firenena ny tonelina, karakarain'ireo olo-marina miasa ho an'ny mpiray tanindrazana amin'izy ireo diso fanantenana…raha toa kosa ka mandavaka ny tonelina ho an'ny tombontsoan'izy ireo manokana ireo trondroben'ny varotra ao Gaza sy ny jiolahimboton'izy ireo. Manana ny mpanohitra nokaramain'izy ireo manokana izy ireo, satria raha nanokatra ny lalana fiampitàny ao Gaza i Israely mba ahafahan'ireo entana hiditra, hamely ny fiampitàna amin'ny daroka balafomanga izany mersenera mpanohitra izany mba hanakatonana azy, mba hanaovana ampihimamba ny varotra. […] Hita amin'ny fampahalalam-baovao tahaka ny olona matin'ny hanoanana mivelona amin'ny fako ny olon'i Gaza, raha atsipy ao Ejypta amin'ny famarotana sy fividianana amin'ny alalan'ny tonelina ny miliara dolara.
Nivandravandra i Ejypta ary hitam-bahoaka ny faharatsiany raha nitangorona teo anoloan'ny masoivoho Ejypsiana ireo mpanao fihetsiketsehana ho amin'ny firaisankina mba hiampanga ny rindrim-by ao amin'ny sisintany, kanefa afaka manidy tsotra izao sy am-pahanginana ireo tonelina rehetra ao Gaza i Ejypta – tsy misy na dia tsikera kely avy amin'ny fampahalalam-baovao aza.Nanangana fefy vy avo be i Ejypta…ary tsy fantatry ny olona ao Gaza ny antony! Raha hanidy ny tonelina, tsy mila izany rindrina izany, ary tsy hanakana ny tonelina ny rindrina !
في غباء غير معهود من النظام المصري يعرقل قافلة جالاوي التضامنية ؟! والتي لا تعود بالنفع على غزة الا مزيدا من الشعارات الحنجورية الرنانة بلا اي جديد وبلا اي حل جذري لمعضلة غزة والتي يتم تسويقها على انها محنة غذاء
يأتي اهل الخير والضمير والثوار النبلاء من العالم نحو غزة ليتضامنوا معها، في حين ان غزة هي من تتضامن معهم وتمنحهم راحة الضمير والالق الثوري والبروباجندا الاعلامية
لا احد يفهم غزة
Noho ny hadalana tsy mahazatra ataon'ny fitondrana Ejypsiana, nosakanana ny Galloway solidarity convoy [2] [Tandahatra Fiaraha-mientana Galloway]?! Zavatra tsy mitondra tombontsoa hafa ho an'i Gaza ankoatra ny teny filamatra mitabataba sy mirentirenty, tsy misy zava-baovao sy vahaolana ilaina manoloana ny olana goavana ao Gaza, izay tiana aseho ho krizy ara-tsakafo.
Tonga ao Gaza ireo olona tsara sitrapo mahatsapa tena, sy ny revolisionera ambony avy amin'izao tontolo izao haneho ny firaisankinan'izy ireo. Mandritra izany, i Gaza izay miray hina amin'izy ireo sy manome ho azy ireo ny filaminan'ny feon'ny fieritreretana, laza revolisionera sy fitaovana fampielezan-kevitra.Tsy misy olona mahatakatra momba an'i Gaza.

Vaovao farany: Efa nofafana ity bilaogy ity nanomboka tamin'izany.