Vietnam: Mitohy Ny Fitakiana Ny Rariny Herintaona Taorian'ilay Rano Voapozina Nahafaty Trondro Marobe

Hetsipanoherana eo ambonin'ireo rano miaraka amin'ny sorabaventy mivaky hoe  “Heloka bevava ny fanimbana ny tontolo iainana”. Loharano: Pejy Facebook-n'i Cọt's Hiếu

Ity lahatsoratr'i Đôn Lê ity dia avy ao amin'ny Loa, vohikala iray mpampita vaovao sady tetikasan'ny Viet Tan momba ny onjampeo anaty aterineto izay mitatitra ireo tantara momba an'i Vietnam. Naverin'ny Global Voices navoaka izy ity ho ampahan'ny fifanarahana amin'ny fizaràna votoaty.

Vietnamiana an'arivony no naka ireo torapasika sy lakana tany amin'ireo vohitra samihafa tany Vietnam Afovoany ary koa ny media sosialy nandritra ny herinandro voalohan'ny Aprily 2017 ho fanoherana ny orinasa avy any Taiwan mpanodina vy,  herintaona taorian'ny vono trondro marobe sy ny takaitra nateraky ny rano voapoizina avoakan'io orinasa io.

Manameloka ny Orinasa Mpanodina vy, Formosa Hà Tĩnh, sy ny governemanta Vietnamiana ireo mpanao fihetsiketsehana noho izay heverina ho loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainan'i Vietnam.

Niafara tamin'ny fahafatesanà trondro maherin'ny 70 taonina sy ny fitondran'ny ranomasina ireo biby hafa ho eny amoron'ireo torapasika afovoan'i Vietnam ilay rano voapoizina. Nanembatsembana ny fivelomana manerana ireo faritany efatra ihany koa izany — dia i Hà Tĩnh, Quảng Bình, Quảng Trị ary i Thừa Thiên-Huế. Nilaza tamin'ny Reuters ny lefitry ny talen'ny tontolo iainana ao an-toerana fa manodidina ny 3000 ireo sambo voakasika raha ao amin'io faritany io irery, ary maro tamin'ireo mpanjono sy ny ankohonany no voatery nandao ny sambony.

Niely manerana ny firenena ny hatezerana sy ny fahasorenana manoloana ny fahelan'ny valintenin'ny governemanta sy ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra eo amin'ny fihazonana ilay orinasa mpanodina vy ho tompon'antoka, ary mbola nitohy ireo hetsipanoherana nandritra ny taona lasa, na dia teo aza ny fifanarahana izay nanomezan'ny Formosa 500 tapitrisa dolara amerikana ny governemanta Vietnamiana. Milaza ireo mpanjono fa tsy ampy io onitra io ary tsy nanampy ny vahoaka tena voa mafy tao amin'ny faritra.

Naka ireo torapasika ny mponina tao amin'ny tanànan'i Kỳ Anh, izay itobian'ilay orinasa Formosa, ary nanaovan'izy ireo lobaka fotsy misy sarinà taolan-trondro mba hanamarihana ny tsingerintaona. Nanofahofa sorabaventy izy ireo ho fiantsoana ny Formosa hanajanona ny asany.

Midina any amin'ny torapasika ireo mpanao fihetsiketsehana any Kỳ Anh, Faritanin'i Hà Tĩnh. Loharano: Facebook-n'i Bạch Hồng Quyền

Nilaza ny Reverend Trần Đình Lai, iray amin'ireo pretra Katôlika mitarika ilay hetsipanoherana, fa:

tsy maintsy manaiky ny andraikitra feno ny Formosa ary manao ireo ezaka ilaina amin'ny famerenana ny tontolo iainana madio ho an'ny firenentsika, ny vahoakantsika ary i Vietnam Afovoany mialohan'ny fandaozany an'i Vietnam.

Ao amin'ny Faritanin'i Nghệ An mpifanolobodirindrina aminy, nanao ny fihetsiketsehany teny an-dranomasina ireo mponina. Nanofahofa saina mainty ahitàna taolan-trondro sy saina ahitàna saritigetra misy loko dimy ireo andian-tsambo raha nanatanteraka ny hetsipanoherany teny ambony rano.

Mandritra izany fotoana izany, olona maherin'ny 8.000 no nidina tany amin'ny Tranoben'ny Kaomitim-bahoaka any amin'ny fileovan'i Lộc Hà, Faritanin'i Hà Tĩnh.

Nitangorona teo amin'ny Tranoben'ny Kaomitim-bahoaka ireo mpanao fihetsiketsehana tany Lộc Hà. Loharano: Facebook-n'i Bạch Hồng Quyền

Tamin'ny voalohandohan'ny herinandro, nitondra harato ireo mpanjono ary  nanakana ny fifamoivoizana tany amin'ny lalam-pirenena 1A tany amin'ny Faritanin'i Hà Tĩnh ho fangatahana onitra bebe kokoa.

Mitondra harato eny amin'ny làlana 1A ireo mpanjono ao Vietnam ho fanoherana ny Formosa & ho fangatahana onitra. Jereo ny sorabaventin'ireo ankizy.

Mandritra izany fotoana izany, namorona fanangonantsonia ao anaty aterineto ireo Vietnamiana mpampiasa aterineto mandrisika ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena mba hanohitra ity loza mianjady amin'ny tontolo iainana ity. Notononina tanatin'ity fanangonantsonia ity ireo olo-malaza eo amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpino sy ny mpikatroka mafana fo izay miantso ny famahàna araka ny tokony ho izy an'ity loza ateraky ny Formosa ity. Tsy ampy roa herinandro taorian'ny nanombohana azy akory dia efa nahangona sonia maherin'ny 100.000 ilay fanangonantsonia.

Miantso ny fanohanana iraisam-pirenena ny sombiny amin'ity fanangonantsonia ity:

Manantena izahay fa handrisika ny governemanta Vietnamiana handray andraikitra amin'ny fanarenana ny tontolo iainanay sy ny fiainan'ireo niharam-boina ny Firenena Mikambana, ny Firaisambe Eoropeana, ny Banky Iraisam-pirenena, ny Banky ho an'ny Fampandrosoana an'i Azia ary ireo fikambanana iraisam-pirenena misahana ny tontolo iainana.

Naneho ny firahalahiany tamin'ireo niharam-boina noho ilay loza eo amin'ny tontolo iainana ny vahoaka manerana ny firenena tamin'ny alàlan'ny fizaràna ny sarin'izy ireo eo akaikin'ilay rano ao amin'ny Facebook.

Ireo mpikatroka mafana fo any Avaratr'i Vietnam manohana ireo olona niharam-boina noho ny Formosa. Loharano: Pejy Facebook-n'ny Hoàng Sa Club

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Luân Lê, mpisolovava monina ao Hà Nội:

Mety hiteraka onjam-pahatezerana ny fahefana amin'ny fotoana tsy mety, eo am-pelatànan'olona tsy izy. (Ireo manam-pahefana dia tsy maintsy) miova ho governemanta tompon'andraikitra, matihanina, ary be herim-po rehefa miatrika ny lolompon'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.