Etiopiana Mpanohitra, Nohelohina Enina Taona Am-ponja Noho Ny Lahatsoratra Nalefany Facebook

Yonatan Tesfaye. Sary nozarain'i Eyasped Tesfaye @eyasped tao amin'ny Twitter

Tao Etiopia tamin'ity herinandro ity, roa malaza amin'ny fiarovana zon'olombelona no sady mpanakiana ny governemanta amperinasa no nomena sazy fidirana am-ponja mandritry ny fotoana maharitra, noho ny “fihantsiana” tao amin'ny Facebook.

Ny 25 May, nohelohina higadra enina taona sy telo volana i Yonatan Tesfaye  noho ny “fihantsiana” hetsipanoherana manohitra ny governemanta nalefa taminà sata fanavaozana niisa sivy tao amin'ny Facebook .

Vaovao mafàna: nampangaina ho nanao asa fampihorohoroana ary nohelohin'ny fitsaràna federaly ao Etiopia enina taona sy telo volana an-tranomaizina i #YonatanTesfaye ilay mpitarika fahiny ny antoko Manga sady mpanohitra.

Ity mpikatroka vao 30 taona ity dia mpanohitra tsy mena-maso niteny tamin'ireo valinkafatra feno herisetra nataon'ny governemanta tamin'ny hetsi-panoherana malaza, izay mankahàtra ny governemanta amperinasa sy ny antoko eo amin'ny fitondrana, efa hatramin'ny 2015. Tany aloha i Yonatan dia nitàna ny toeran'ny mpifandray amin'ny gazety teo anivon'ny antoko Manga avy amin'ny fanoherana, talohan'ny nialàny tamin'ny 2015.

Yonatan dia nogadraina noho ireo lahatsoratra sivy tao amin'ny Facebook naneho firaisankina tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana, niantsoana fifampidinihana sy niangavy ny hampitsaharana ny herisetra.

Ny andro talohan'ny nanamelohana azy, i Getachew Shiferaw mpiara-miasa fahiny tamin'i Yonatan, dia voaheloka ho nihantsy herisetra taminà hafatra manokana (MP) nalefany ho an'ireo mpiaramiasa aminy, tamin'ny alàlan'ilay fampiasa Facebook Messenger. Getachew, toniandahatsoratra fahiny tao amin'ilay gazety mpanohitra Negere Ethiopia, dia nosaziana hifonja herintaona sy tapany:

Vaovao mafàna: Nohelohin'ny fitsaràna ao Etiopia higadra 1 taona sy tapany, sazy efa vitany sahady, i Getachew, toniandahatsoratry ny Negere Ethiopia

Ny hafatra Facebook lazaina fa niaty fihantsiana dia manondro tranga iray mibaribary nikendrena ilay praiminisitra efa nodimandry, Meles Zenawi, nandritry ny vovonana iray tany Washington, D.C tamin'ny 2012. Nosoratan'i Getachew tao anatin'ilay hafatra ny hoe, “satria mikatona ny habaka politika eto Etiopia dia  tokony ho fenitra fomba fanao ny manakiana ireo manampahefana Etiopiana amin'ny hetsika imasombahoaka [sic].”

Santionany amin'ny maro ireo tranga hafa maro ireo, raha ny olona tsy dia fantatry ny vahoaka loatra izay sahy niteny nanohitra ny herisetran'ny fitondràna nikendrena ireo mpanao hetsi-panoherana mitaky ny fiarovana ny zo amin'ny tany sy ireo fahalalahana fototra. Araka ny lazain'ny Human Rights Watch, raha kely dia olona 800 no maty teny am-pelatanan'ny polisy Etiopiana, ary an'arivony ireo mpanohitra ara-politika no naiditra am-ponja sy nampijaliana nandritra ireo hetsi-panoherana.

Fitaovana manana ny lanjany ho an'ireo mpikatroka ny Facebook — sy ny fampiharana ny lalàna.

Ny Facebook, miaraka amin'ireo sehatra haino aman-.jery sosialy hafa, dia nanana anjara toerana lehibe noraisina tamin'ny fampiseraserana ireo manamphefana sy ireo mpanao hetsi-panoherana. Ny haino aman-jery no nomen'ireo manampahefana tsiny ho anton'ireo onjam-panoherana nitranga tamin'ny Aprily 2014 ary nitohy hatramin'izao. Tamin'ny Oktobra 2016, nobahanana tao Etiopia ny Facebook, tafiditra tao anatin'ilay fepetran'ny tany misahotaka navoakan'ny governemanta. Saingy ireo mpikatroka — ary toa ny mpampihatra lalàna Etiopiana ihany koa — dia nanohy mampiasa ilay sehatra amin'ny fampiasàna VPN.

Na sarotra aza ny hahafantatra ny isa marina momba ireo olona voafonja, ireo fisamborana ampolony maro dia toa niainga avy amin'ny fandefasan'ny olona iray lahatsoratra, na fitiavana izany, na koa fizaràna izany tao amin'ny Facebook. Ny hafa indray nosamborina noho ny fifandraisany tamin'ireo mpikatroka any ampielezana tamin'ny alàlan'ny hafatra Facebook.

Ireny tranga ireny dia vao mainka niharatsy tao anatin'ilay fomba fanao tsy mitsaha-mitombo itakian'ireo Etiopiana manampahefana mba hanomezan'ireo voafonja ny anarana sy tenimiafina ahafahana miditra amin'ny kaontin'izy ireo. Amin'ny tranga sasany, samborina aloha ny olona alohan'ny hanamelohana azy, terena hanome ny torohay rehetra momba ny kaontiny Facebook, ary avy eo dia elohina mifanaraka amin'izay hitan'ireo manampahefana tany anatin'ny kaontin-dry zareo.

Hisambotra mpikatroka ry zareo polisy, hanery azy ireo hanome ny torohay rehetra mombamomba ny kaonty Facebook, ary avy eo hanameloka azy ireo miainga avy amin'izay hitany tany anatin'ny tahirin-kafatra manokana nalefan'izy ireny.

Voaheloka ho “nihantsy herisetra” i Getachew taorian'ny nanerena azy hanome ny anarana sy ny tenimiafin'ny Facebook-ny. Naroso natao porofo tamin'ny antontan-taratasim-panamelohana azy ireo soratra avy amin'ny hafatra manokana nifampiresahany tao amin'ny Facebook .

Na ho inona na ho inona fanapahankevitra horaisin'ny fitsaràna, tian'ireo namana sy fianakavian'i Yonatan sy Getachew ho vita ilay raharaha. Araka izany, tian'izy ireo ho tantatra izay hahazo azy ireo, ho entiny manohy ny dingana manaraka amin'ny tolony. Saingy nahemotra ny raharahan'izy ireo, toy ny raharaham-pitsarana maro hafa ihany.

Ao Etiopia, raha oharina amin'ireo raharaha hafa, tsy vitsy ny ahitàna fitarazohan-draharaham-pitsaràna mahatafiditra bilaogera mpanao gazety ary politisiana. Miteraka hatrotrahana io ho an'ireo voaheloka ary mitondra hirifiry ho an'ireo havan-tian'izy ireo.

Samy efa nandany 18 volana tany am-ponja i Yonatan sy Getachew talohan'ny nahafantarany ny hiafaran'izy ireo. Efa im-polo kely ry zreo no nentina niatrika fitsarana. Naboridan'ireo manampahefana ny kaonty Facebook-ny. Tsy tonga tamin'ny fotoam-pitsaràna ireo mpitsara., ary adinon'ny polisy ny nitondra ny voaheloka tamin'ireo andro tokony nanaovana ny fitsarana azy ireo, nahatonga ny raharahan-dry zareo nitaritarika tonga hatramin'ny 18 volana.

Mba hiasàna handraketana ary ampitàna ireo fanitsakitsahana zon'olombelona, sehatra nanana ny lanjany ny Facebook ho an'ireo Etiopiana mpikatroka sy mpiaro zon'olombelona. Io dia mahatonga ny tranga niainan'i  Yonatan sy Getachew ho tantara iray mampahatahotra manokana an-dry zareo Etiopiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.