- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Midira Ho isan'ireo Hamolavola Ny Hoavin'ny GV— Manorata anarana Anatinà Vondrona ”Hetsika” na ”Hevitra”!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV
[1]

Sary “Fianarana Ifarimbonana” avy amin'ny Innovation Co-Lab ao amin'ny Anjerimanontolo Duke ary nampiasaina ho toy ny Sehatra Ho an'ny Daholobe avy amin'ny alàlan'ny Noun Project.

Ry mpikambana ato amin'ny GV -

Ho tohin'ilay Dinganà Paikadin'ny Global Voices natombotsika tamin'ny faran'ny taona 2016 [2], izay nahitana tsapahevitra manerana ny vondrom-piarahamonina (mbola afaka mameno izany ianao!) [3], sy resaka manokana [4] nifanaovan'ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina, dia te-hanolotra fomba hafa ahafahanao mandray anjara amin'ny famolavolana ny Global Voices ho lasa vondrom-piarahamonina sy fikambanana iray izahay.

Manomboka ny Alarobia 17 Mey dia manasa ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina GV izahay mba hivondrona amin'ny fomba roa: ao anatinà vondrona ”hetsika” kely mba hiketrika ireo asa manokana mety hampandaitra na hampahomby kokoa ny asantsika; na ao anatinà vondrona ”hevitra”, mba hijery sy hamelabelatra olana sy fanontaniana mivalapatra kokoa mikasika ireo fiasa amin'izao fotoana izao na ny fitondrana ny Global Voices amin'ny hoavy.

Ho fanampiana amin'ny famantarana ireo asa na fanontaniana izay sarobidy amintsika amin'ny maha-vondrom-piarahamonina antsika, dia manasa anao izahay hanolotra lohahevitra sy fotokevitra amin'ny fampiasàna ity Takelaka Fanaovana Domberina [5] ity.

TOROLÀLANA

FANDAHARAM-POTOANA/DINGANA

Toy izao no fomba hanatanterahana ny dingan'ny vondrona mpamolavola paikady:

17-26 Mey:

Manolotra lohahevitra ho an'ny vondrona mpamolavola paikady ireo mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina GV amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny takelaka fanaovana Domberina (afaka miditra ilay Sehatra ianao amin'ny fampiasàna ny tolotra rehetra, ohatra ny Google, ny Facebook, ny adiresy mailaka sns, izay mamantatra avy hatrany ny anaranao).

Afaka resahin'ireo lohahevitra atolotry ny vondrona ny fiainan'ny vondrom-piarahamonina GV, ireo fizarana manokana misy ato amin'ny GV (izany hoe ny Newsroom, ny Advox, ny Rising Voices, ny NewsFrames), ireo faritra manokana, ireo fiteny, ireo fitaovana, na izay zavatra rehetra mikasika ny tanjona sy ny asan'ny Global Voices.

26 Mey- 5 Jona

Mamerina mijery sy manamafy hatrany ireo lohahevitry ny vondrona araka ny sokajiny ny kaomity kely iray ahitàna mpamoaka lahatsoratra voafantina avy any amin'ny Faritra sy ao amin'ny Lingua ary avy amin'ny ekipa fototra.

5 Jona:

Manolotra ny lisitra farany mirakitra ireo lohahevitra ho an'ny vondrom-piarahamonina ny kaomity.

5 Jona- 12 Jona

Manoratra anarana anatinà vondrona ho anà lohahevitra iray ireo mpikambana ato anatin'ny vondrom-piarahamonina GV. Fantarina ireo mpitarika ny vondrona ary miara-mandrindra amin'ny kaomity.

15 Jona

Mihaona ireo vondrona mba hiresaka mikasika ireo lohaheviny na hanatanteraka  ny andraikiny. Manolotra fanambarana fohy ho an'ny ekipa mpitarika ao amin'ny vondrona mpamolavola paikady mikasika ny zavatra kasain'izy ireo hiasàna na vokarina ireo vondrona.

15 Jona – 30 Jolay

Mihaona anatin'ny tambajotra ireo vondrona ”hetsika” sy ”hevitra” mba hanatanteraka ny asany na hiresaka mikasika ilay olana nosafidiana.

1- 10 Aogositra

Manomana sy mandefa fanolorana izay hozaraina ato amin'ny blaogin'ny vondrom-piarahamonina ireo vondrona mpamolavola paikady.

10-20 Aogositra 

Asaina ireo mpikambana ato amin'ny GV hanome domberina sy tsikera mikasika ireo fanolorana, ary hanolotra dingana hafa raha ilaina.

Misaotra anao noho ny fisianao ho isan'ireo dingana lehibe amin'ny famolavolàna ny hoavin'ny GV. Tsy handrinay ny hahita ny zavatra tianao hiasàna sy hirotsahana  miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminao ato amin'ny GV. [5]