- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Tonga Ao Baku Ny DOTCOM

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Etazonia, Zeorzia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tontolo_iainana, Tsidika, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 29 Martsa 2010 no nivoaka ny lahatsoratra teny anglisy)

dotcom

Tamin'ny alina farany teo, tonga tao Baku, Azerbaijan ireo mpandray anjara Amerikana ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana izay manohana ara-bola ny tetikasa DOTCOM [1]  mba hamory miaraka ireo tanora Armeniana, Amerikana ary Azerbaijani  amin'ny famoronana fampitam-baovao manaitra ara-tsosialy, mialoha ny fihaonamben'ny Media Sosialy ho amin'ny Fanovana Ara-tsosialy [2] izay hatao ny 9 sy 10 Aprily ao Tbilisi, Zeorzia.

Ny DOTCOM:  namoaka lahatsarin'ny fahatongavany sy ny fihaonany tamin'ny mpandray anjaran'ny tetikasa tao Azerbaijan [3] ny bilaogy Iraisam-pirenena PH. Amin'ny faran'ny herinandro, hitsidika an'i Armenia mandalo an'i Zeorzia ihany koa ny mpandray anjara Amerikana alohan'ny hiverenany any amin'ny fihaonambe ao Tbilisi.

Tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taona (2009), nanao antsafa [4] niaraka tamin'i Elizabeth Métraux Talen'ny Fandaharanasa DOTCOM ny Global Voices Online momba ny fandraisana andraikitra hamory ireo tanora avy any Etazonia miaraka amin'ireo avy any amin'ny firenena roa mbola ao anatin'ny fanjakana miady amin'ny fiatrehana ny olana ara-tsosialy toy ny tontolo iainana, ny miralenta sy ny zon'olombelona manerantany sy ny ao an-tokantrano ihany koa.

Marihina fa taorian'ny tatitra momba ny anjara toeran'ny media sosialy amin'ny famadihana ny ady  ( Fizarana I [6] , Fizarana II [7] , Fizarana III [8] ) tamin'ny herinandro lasa nataon'ny BBC Azeri ,niara-niasa indray tamin'ny bilaogeran'ny Flying Carpets and Broken Pipelines [9]  sy ny mpandalin'ny faritra i Arzu Geybullayeva, toniandahatsoratry ny Global Voices Online ao Kaokazia rehefa niara-nanatrika ny fihaonambe [10] izy ireo.

Mandra-pahatongan'izany, araho eto [11] ny dian'ny DOTCOM.

SMSC Conf Banner [2]