- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Thailandy: Fijery Sy Fandaharana Vaovao Ao Amin'ny Fahitalavi-panjakana

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Martsa 2009 ity)

Tany am-piandohan'ny taona 2008, niova ho NBT [1] (Fahitalavi-pirenena, jereo ny Wikipedia [2]). ny Channel 11. Fantsom-pahitalavitra tranainy indrindra tantanin'ny Sampan'ny Seraseram-bahoakan'ny governemanta (PRD) ao Thailandy ny Channel 11. Natao teo ambanin'ny antoko mpanohana ny praiminisitra teo aloha Thaksin ny fanovana mba hanoherana ny fiovan'ny fantsom-pahitalavitra iray hafa Thai PBS [3], taorian'ny fanonganana ny governemanta talohan'ny fiandohan'ny taona 2007.

Ankehitriny, satria mitantana ny firenena ny antokon'ny mpanohitra Demaokraty, fotoana izao “hanovana” ny NBT indray?

Nilaza tamin'ny gazety momba ny “fanavaozana ny NBT” izay kendrena hanomboka amin'ny 1 Aprily 2009 i Satit Wongnongtaey, Minisitry ny Biraon'ny Praiminisitra, izay misahana ny PRD. Hanana fandaharana vaovao, fango vaovao sy birao vaovao tanteraka ny “NBT vaovao”. Hihena 7 ora isan'andro ny ampaham-baovao amin'ny fandaharana vaovao raha 12 ora/andro izany teo aloha. Ho fandaharana “fahalalàna” ihany koa ireo fandaharana vaovao fanampiny.

Nanome ohatra bebe kokoa momba ny fandaharanasa vaovao i Satit: fandaharana izay mifantoka amin'ny toekarena sy ny olana momba ny asa, fandaharana hametrahana ny fampihavanana sy ny firindram-pirenena, ary fandaharana momba ny famoronana/fitondran-tena. Hijanona ao anatin'ny NBT vaovao ho mpitarika asavireo mpiasa tranainy ao amin'ny NBT.

Nomarihana ihany koa fa tsy handefa vaovao “mampiadihevitra” ny NBT vaovao, nisisika nilaza i Satit fa tsy tetikasa manohitra an'i Thaksin ny NBT Vaovao ary tsy hanome valisoa ho an'ireo mpitarika ny hetsika manohitra an'i Thaksin ihany koa.

Tao amin'ny Prachatai [4] (amin'ny teny Thailandey). Fanehoan-kevitra tsara iray [5] avy amin'i Kapook, vavahadin-tserasera faharoa lehibe indrindra ao Thailandy, mpikambana (fanehoan-kevitra # 24):

I'm one of the producer for NBT channel. My program broadcasts once a week. Everytime the government changes, the new government comes and changes NBT schedule, move lots of program. I'm very bored with this. My audience will have to change their watching habit and time. Once they get used to the new timeslot, new government comes and changes it again.

Iray amin'ireo mpamokatra ny fantsona NBT aho. Indray mandeha isan-kerinandro ny fandefasana ny fandaharako. Isaky ny miova ny governemanta, tonga ny governemanta vaovao ary manova ny fandaharam-potoanan'ny NBT, manova fandaharana betsaka. Leo be an'izany aho. Tsy maintsy manova ny ora sy fotoana fahazaran'izy ireo ny mpijery ahy. Raha vao zatra ny ora vaovao amin'ny fandaharana izy ireo, tonga ny governemanta vaovao ary manova izany indray.

Manontany ny antony mahatonga an'i Satit mila manova ny fangon'ny NBT ny adihevitra [6]tao amin'ny Pantip, sehatra fifanakalozan-kevitra lehibe indrindra ao Thailandy. Milaza ny mpaneho hevitra iray fa araka ny loharanom-baovaon'ny NBT, anisan'ireo nangataka fango vaovao ny mpiasan'ny NBT fa tsy i Satit ihany.

The new logo contest comes from NBT staff. Their reaso is the old logo is too aligned for one political side (Thaksin's) and they are not proud of being NBT people anymore under the old NBT logo.

Avy amin'ny mpiasan'ny NBT ny fangatahana fango vaovao. Araka ny filazan'izy ireo, mifanaraka loatra amin'ny ankilany ara-politika (Thaksin) ny fango taloha ary tsy mirehareha intsony ho anisan'ny mpiasan'ny NBT izy ireo amin'ny fango taloha.