Avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Jordaniana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2005)

”Fihaonamben'ny Jordan Planet Voalohany tao Amerika Avaratra” avy amin'i Jameed

”Fihaonan'ny Jordaniana Mpitoraka blaogy Tamin'ny Novambra” avy amin'i Roba Al-Assi

Koa satria efapolo isan-jaton'ireo Jordaniana mpitoraka blaogy no tsy monina ao Jordania, dia mitranga matetika maneran-tany ireo fihaonana. Mitatitra avy amin'ny Fihaonamben'ny Jordan Planet Voalohany ao Amerika Avaratra i Jameed, izay “natao tany Las Vegas, Nevada nanomboka ny 25 Novambra ka hatramin'ny 26.”

Nanatanteraka ny fihaonany isam-bolana ho an'ny volana Novambra ihany koa ireo Jordaniana mpitoraka blaogy monina ao Jordania, ary tao anatin'ireo fanontaniana naely eraky ny latabatra ny resaka momba ny fanafenana anarana, ny fanontanian'i Lina Ejeilat hoe ”Inona no ao anatin'ny anarana?”; ny fahafaha-mifantina; ary ny Jordan Planet.

Ary koa, manoratra i Isam Bayazidi, ”koa satria hampiantrano ny andiany faharoa an'ny Sehatra Fifampiresahana momba ny Kolontsaina Maneran-tany i Jordania amin'ny herinandro, dia noforonina ny Blaogin'ny Sehatra Fifampiresahana momba ny Kolontsaina Maneran-tany, miaraka amin'ny fitahiana sy fanohanan'ny MECCAD, ary miaraka amin'ny fiaraha-miasa, ny fikarakarana, sy ny fanohanana avy amin'ny Jordan Planet.” Mandritra izany fotoana izany kosa i Shaden dia nanatrika ny Fanaovangazety Anaty Aterineto tanatin'ny fihaonamben'ny Tontolo Arabo notarihina tao amin'ny Anjerimanontolon'i Sharjah, ary nanao tatitra feno momba ilay hetsika sy ny vokany.

Raha ny mikasika ireo vaovao any an-tanindrazana, izao no lazain'i Naseem Tarawneh,Dingana iray mandroso, Dingana Roa Mihemotra: izany no zavatra tsapako momba an'i Jordania indraindray rehefa mamaky vaovao aho.” Mitatitra mikasika ny ”habibiana” izay nivoahan'ny lehilahy iray ny fonja 15 volana monja taorian'ny fihazonana azy noho ny famonoany ny anabaviny i Natasha Tynes. Mandritra izany fotoana izany, mampidi-taratra ny fiainana taorian'ny daroka baomba tao Amman- Mitatitra i Sabbah, ”Nandrisika ny parlemanta Jordaniana mba hanaiky haingana ny lalàna manohitra ny fampihorohoroana ny Mpanjaka lahy Abdullah II an'i Jordania,” ary maneho ny fahasorenany manoloana ny tsy fitandreman'ilay fiarovana nampitomboana be kosa i Tololy, na dia milaza aza izy hoe ”mahatsapa ny hasarobidin'ny fiarovana aho ary momba ilay fepetra vao haingana mifandraika amin'ny fiarovana tao Amman.”

Manana lahatsoratra tena mahaliana sy mahatsikaiky momba ny feminisma ao aminà firenena tahaka an'i Jordania i Rami Abdel-Rahman, ”Tena kely ny hafanam-pon'ny vehivavy anatinà fiarahamonina mitodika amin'ny lehilahy toy izao. Tena vitsy ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy sady tsy ampy hery ara-bola sy eo amin'ny lafiny media ary indrindra avy any ifotony, raha ny fahitako azy.”

Miaraka amin'ny toetrandro miavaka tena nahafinaritra nandritra ity herinandro ity raha ho an'ny vanin-taona toy izao, dia nanatanteraka fakan-drivotra maro manerana ilay renivohitra malala ihany koa ireo mpitoraka blaogy, noho izany dia manaova fitsangatsanganana ao amin'ny afovoan-tanànan'i Amman miaraka amin'i Ahmad Humeid, mandehana manodidina ireo làlankely tranainy ao Jabal Amman miaraka amin'i Lina Ejeilat, na mankafiza ny fararanon'i Amman miaraka amin'i Roba Al-Assi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.