
Santionany amin'ny sakafo plastika (食品サンプル) any ivelan'ny toeram-pisakafoanana iray any Japana. Sary avy amin'ny mpisera Flickr sayot. Sary lisansa: Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)
Ao Japana, saika hita any ivelan'ny toeram-pisakafoanana rehetra ny maodelin'ny sakafo plastika . Hita eo am-pidirana ny fanomezana fanazavana ny mpanjifa mahazatra momba ny tena fangaron'ny sakafo, shokuhin sanpuru (食品サンプル, “santionan-tsakafo “), na ny fanazavana ny fanamboarana mitovy amin'ny antsipiriany isaky ny sakafo aroso ao amin'ilay toeram-pisakafoanana. Mandinika ny santionan'ny sakafo ny mpanjifa , ary avy eo manapa-kevitra ny hiditra ao amin'ny toeram-pivarotana, na mitady toeran-kafa hisakafoanana.
Sehatr'orinasa iray manontolo no manoka-tena ho amin'ny famoronana ireo santionan-tsakafo ireo. Feno ireo orinasa madinika izay manamboatra ny santionany amin'izany sakafo plastika izany ao amin'ny manodidina an'i Kappabashi ao Tokyo, izay nanaovan'ilay mpamokatra sarimihetsika alemà Wim Wenders fanadihadiana tao amin'ny horonantsariny Tokyo-Ga 20 taona mahery lasa izay.
Koa satria maro loatra ao Japana ny santionan'ny sakafo plastika ka tsy tsikaritry ny ankamaroan'ny Japoney intsony, dia misy ny fironana vaovao ao an-toerana mba hanovana izany ho kojakojam-pinday mahasarika ny maso sy karazan-javatra maro samihafa. Nanangona ny rohin'ny media sosialy isan-karazany miaraka amin'ny sarin'ny fomba famadihana ny shokuhin sanpuru ilay bilaogera itinii raha nanoratra tao amin'ny Naver Matome .
吉祥寺東急百貨店にて食品サンプル展示販売中です。#食品サンプル#ストラップ pic.twitter.com/evagZC1PwV
— 食品サンプルのながお食研 (@nagaosample) May 7, 2017
Amidy ato: fatotra smartfinday vaovao miaraka amin'ny santionan'ny sakafo ato amin'ny trano fivarotana Kichijoji Tokyu.
Navadika ho haingon-javatra azo angonina isan-karazany mihitsy ny santionany amin'ilay sakafo, anisan'izany ny fanaingona vata fampangatsiahana :
東京駅での食品サンプル展示販売のために、マグネットを貼り付ける。#食品サンプル
#ストラップ#マグネット pic.twitter.com/8wD8wnjQyI— 食品サンプルのながお食研 (@nagaosample) May 17, 2017
Ireto ny santionany vaovao amin'ny haingonà vata fampangatsiahana shokuhin sasany ao amin'ny Garan'i Tokyo.
Vao maika niha-tsara kokoa ny fanavaozana ny lamaodin'ny santionan'ny sakafo. Amin'ity tranga manaraka ity, novaina ho haingonà smartfinday ny kaisen-don (vary miaraka hazan-dranomasina malaza) .
あの、三角コーナーも使えますよ(笑)ついに、スマホスタンドになっちゃった。
今回も、東京駅のために作ってしまった。#食品サンプル pic.twitter.com/JajjOcFjgE
— 食品サンプルのながお食研 (@nagaosample) May 19, 2017
Nahita fomba tsara ampiasana ny lovia telozoro izahay hitoeran'ny smartfinday . Nataonay ho an'ny fampirantiana ao amin'ny Garan'i Tokyo hatrany izany .
Ary ny paoma eto no lafiky ny smartfindainao:
☆りんごモチーフ_りんごを大胆にカットして作ったデザイン性が印象的。可愛い彩りとみずみずしい雰囲気が素敵な食品サンプル風リンゴのスマホスタンドです。https://t.co/iTnYkwklvo pic.twitter.com/uuu8CRacss
— フェミニン インテリア情報 (@twfeminfo) April 27, 2017
Natao hitovy amin'ny paoma miaraka amin'ny silany nendahina hitoeran'ny finday, tena famolavolana mahavariana izany .
Fanombohana mankany amin'ny endrika faminavinana fotsiny ihany izany. Mamela anao hamorona ny asakanto ho anao manokana ny mpamolavola lafika sy sarona smartfinday amin'ny alalan'ny fampiasana ny ikura amin'ity indray mitoraka ity, na ny atodin-trondro malaza izay aroso miaraka amin'ny vary fotsy. Niahiahy ny mpisera Twitter iray:
このイクラごはんの食品サンプルiPhoneケース、『えっ!カスタマイズ用に50粒も付属のイクラが!?すごーい!!✨✨』ってなる人いるの?いないでしょ。私しかいないでしょ pic.twitter.com/eSq8yTV2iy
— かのまん (@kanotantan) April 30, 2017
Misy tokoa ve ny olona hiteny hoe: “Oay, tena milay, afaka manaingo ny smartfindaiko amin'ny atodin-trondro aho?” Mino aho fa izaho irery no hanao izany.
Afaka atao amin'ny endrika tsy mampilendalenda koa ity firongatry ny lamaodin'ny sakafo hosoka ity , anisan'izany ny zavatra mananihany mba hanairana ny mpiara-miasa sy ny fianakaviana.
今日作った食品サンプルはアイス溶けてる風のスマホスタンド✌️?✨
あと、おにぎりピアスとシャケのストラップ買った〜? pic.twitter.com/kkxlMq1PWn— ごやや☀︎︎︎ (@goyaya_ars8) May 3, 2017
Avy amin'ny endrika gilasy mitsonika ny lafika vaovao ho an'ny smartfindaintsika. Misy ihany koa ny vongam-bary (onigiri) miendrika kavina sy ny tady mihazona smartfinday natao amin'ny trondro maina .
Raha hijery bebe kokoa momba ny fampiasana hafahafa ny sakafo hosoka, dia tsidiho ny bilaogin-dahatsoratr'i itinii Naver Matome, na araho ny tenirohy ao amin'ny Twitter #食品#食品サンプル#ストラップ.
And to learn more about the original trend that started it all, this video provides a glimpse of Kappabashi in Tokyo, a district devoted to supplying the restaurant industry, including with shokuhin sanpuru.
Mba hamantarana bebe kokoa momba ny nanombohan'izany fironana rehetra izany tany am-boalohany ity lahatsary ity dia manome topimaso ny Kappabashi ao Tokyo, distrika natokana hamatsy ny orinasan'ny trano fisakafoanana, anisan'izany ny shokuhin sanpuru.
Manome topimaso amin'ny fomba hanamboarana ny santionany amin'ny sakafo plastika Japoney ihany koa ity lahatsary manaraka ity.