- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpihira Rosiana Nanatevin-daharana Ny Ezaka Fisarihana Mpizahatany Ao Atsinanan'i Okraina Rotiky Ny Ady

Sokajy: Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Tsidika, Akon'ny RuNet

Sary: Kremlin.ru

Efa ho telo taona tao anatin'ny ady ny ao atsinanan'i Okraina, niezaka indray hanintona mpizaha tany vahiny ao amin'ny fanjakany tsy nankatoavin'ny iraisam-pirenena ny Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk sy Luhansk  (DNR sy LNR) -miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny iray amin'ireo mpihira (crooner) malaza indrindra ao Rosia.

Nitarika ezaka ho fahatsiarovana ny sisa tavela tao amin'ny indostria goavana ao atsinanan'i Okraina i Joseph Kobzon, mpihira malaza sy mpikambana ao amin'ny “Duma”-mpanjakana, antenimieram-pirenena Rosiana ao anatin'ny ezaka farany ho fanohanana ny fizahantany ao amin'ny repoblika mpisintaka tohanan'i Rosia.

Tamin'ny herinandro lasa, nisy fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “Lova Tamin'ny Foto-drafitrasan'i Donbass” nisokatra tao amin'ny “Duma”m-panjakana ao Moskoa. Nanambara drafitra [1] hamorona “faritra arovana hialam-boly taorian'ny fotoana indostrialy” ireo mpikarakara ny fampirantiana, ao anatin'izany i Kobzon 79 taona, ary manantena izy ireo fa “hitarika ny firongatry ny vondrona mpizahatany marobe” ao Donbass izany.

Mieritreritra lalan'ny mpizahatany manomboka ao Taganro, atsimon'i Rosia hatrao Yenakiieve, tanàna ao Donetsk Oblast, Okraina izay fehezin'ny DNR amin'izao fotoana izao ny sarintany iray naseho tamin'ny fampirantiana Ahitana fiatoana ao Ilovaisk, iray tamin'ireo faritra nisianà ady mihoso-drà indrindra tamin'ny Ady tao Donbas ny lalana.

Fiara fitateram-bahoaka nodorana tao an-tanànan'i Konstantinovka ao atsimon'i Okraina fehezin'ny  governemanta tamin'ny taona 2014. Sary: Wikimedia Commons, CC 4.0.

Nisokatra fotoana fohy taorian'ny DNR nanomboka ny hetsika mikendry hisarika mpizaha tany tandrefana hitsidika ny faritra nisian'ny ady ny fampirantiana: Tamin'ny volana Martsa, nanambara [2] fananganana ny “Fitsidihana an'i Donbass”, tetikasa natao hampiroboroboana ireo repoblika mpisintaka Donetsk sy Luhansk eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny Masoivohom-baovao Iraisampirenena Donbass (DONi), fampahalalam-baovao [3] sy fandefasana fampielezan-kevitra tantanin'ny DNR.

Na dia nirehareha momba ny fisarihana mpizaha tany ao amin'ny firenena tandrefana mba hitsidika ny repoblika mpisintaka aza ny DONi,  toa hita fa tsy miroborobo izany: mbola eo am-pananganana [4]nandritra ny roa volana mahery taorian'ny fampahafantarana ny tetikasa ny tranonkalan'ny “Donbass Tours”, ary tsy fantatra mazava raha hotontosaina ny fitsidihana kasaina atao amin'ny fety volana May (1-9 Mey).

Naneho ny fahalianany indray ihany koa amin'ny fisarihana ireo mpizaha tany hitsidika ny ao atsinanan'i Okraina ireo orinasan'ny Fitsidiham-paritra ao amin'ny lafiny Rosiana ao amin'ny sisintany: ohatra, nanambara ny orinasan'ny fitsidiham-paritra ao amin'ny Faritra Rostov ao Rosia, izay manamorona ny repoblika mpisintaka roa tonta fa hanomboka handray mpizaha tany amin'ny fiara fitateram-bahoakan'ny DNR natokana hanaovana fitsidihana izy, araka ny voalazan'ny tranonkalam-baovao ao an-toerana 161.ru [5]. Nitatitra ny tranonkala fa avy amin'ireo olona ao anatin'ny DNR ny hevitra momba ny fitsidihana saingy mbola “tsy malaza loatra ny fandaharana” ary amin'izao fotoana izao, nokarakaraina tsirairay ny ankamaroan'ireo fitsidihana.

Sary natao hampiroboroboana ny Donbass Tours.

Amin'ny sarany 20,000 robla (manodidina ny 350 dolara), hitsidika ireo faritra an'ady malaza, Donbass Arena (kianjan'ny baolina izay nisy nidaroka baomba tany am-piandohan'ny ady) ireo mpizaha tany ny fitsangatsanganana “Donetsk Unconquered”, ary koa ireo toerana manan-tantara maro hafa, anisan'izany ny Saur Mogila, toeram-pandevenana fahagola izay nanjary faritra an'ady [6] tamin'ny taona 2014.

Satria tsy dia ampy ireo zavatra jerena momba ny ara-miaramila, voalaza fa hitsidika faritra fitifirana basy isan-karazany ireo mpizaha tany ary afaka manao fitsangantsanganana madinika maromaro, anisan'izany ny iray antsoina hoe “Ady sy Filaminana”.

Tamin'ny Febroary 2015, fotoana fohy taorian'ny Ady tao Debaltseve, izay namoizan'ny Okraniana an-jatony, mpisintaka, sy miaramila Rosiana ny ainy, naratra, na ny tsy hita, nanambara [7] ny “Megapolis Resort,” orinasan'ny fitetezam-paritra ao Moskoa fa nikarakara fitsangantsanganana tao  Donbass tamin'ny sarany teo anelanelan'ny roa sy telo arivo dolara.

Mandritra ny taona manaraka, nitatitra ireo tranonkala maromaro fa mikasa hisarika mpizaha tany amin'ny alalan'ny fikarakarana fitsangantsanganana ao amin'ny faritra an'ady ireo repoblika mpisintaka, na dia mbola vitsy aza ny isan'ny mpizaha tany mankao Donbass isan-taona: mpizaha tany 105.000 fotsiny no nankany amin'ny DNR tamin'ny taona 2016 [8].