Zeorzia: Ny Fahamaroam-Piterahana Masina!

(Marihina fa tamin'ny 30 Martsa 2009 no nivoaka voalohany ny lahatsoratra teny anglisy)

Nitombo 20 isanjato ny taham-piterahana ao Zeorzia Firaisana Sovietika teo aloha ary nahazo tombontsoa tamin'izany ny Eglizy Ortodoksa ao amin'ny firenena. Ny fampanantenana izay nataon'ny mpitarika ny fiangonana Zeorziana amin'ny fanaovana batisa ireo zaza vao teraka no tompon'andraikitry ny fahagagana tamin'ity fahamaroam-piterahan-jaza nilaina fatratra tao amin'ity firenena Kristianina iray ity. Toa nahagaga ireo bilaogera izany .

Nanao fanehoan-kevitra momba ny vaovao ny My Blogian .

The ex-Soviet Georgia doesn’t need virgins for holy conception. Instead, in order to boost population growth, Georgia’s holy father has promised to personally baptize every child born to a family with already two kids.

[…]

Tsy mila virijiny hanaovana fananahana masina i Zeorzia, Firaisana Sovietika teo aloha . Fa mba hampitomboana ny isan'ny mponina kosa dia nampanantena ny hanao batisa manokana ireo zaza rehetra teraka ho an'ny fianakaviana izay efa manan-janaka roa ny ray masin'i Zeorzia .

Nanampy ny heviny i Wu Wei .

The BBC is busy wittering on about the Patriarch increasing the birthrate in Georgia, by his own personal efforts. Not by the usual methods (no nephews or nepotism) but by offering to be Godfather to any baby born this year. The Georgians, being a religious lot, have taken this seriously and upped the birthrate this year.

[…]

Seriny tamin'ny fampitomboan'ny Patriarika ny taham-piterahana noho ny ezaka nataony manokana ao Zeorzia ny BBC. Tsy tamin'ny fomba mahazatra (tsy misy zana-drahalahy na fanaovana kiantranoantrano) fa tamin'ny fanoloran-tena ho mpiantoka ny zaza teraka rehetra tamin'ity taona ity.  Nandray izany ho zava-dehibe ny Zeorziana amin'ny maha mpino azy ireo ka nampitombo ny taham-piterahana tamin'ity taona ity.

Feno faharisihana kokoa ny American Papist  .

I like ending the news week on a high note. It doesn't get much better than this:

[…]

Imagine if American Bishops made that same promise to families in their diocese?

Tiako faranana amin-kafaliana ny vaovaon'ny herinandro. Tsy tsara kokoa noho izao manaraka izao izany:

[…]

Eritrereto raha  manao izany fampanantenana izany ho an'ny fianakaviana ao amin'ny dioseziny ny Eveka Amerikana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.