- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kongo: Eny An-Tànanao (Sy Anaty Findainao) Ny Coltan-n'ny Fifandonana

Sokajy: Afrika Mainty, R.D. Kongo, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny Febroary 2010)

Ny coltan [1] (colombite-tantalite) dia akora mineraly ampiasaina hanamboarana ireny “condensateurs” sy “resistances” any anaty telefona findaintsika, ireny fitaovana filalaovantsika sy ireny fitaovana ao an-tokantrano ireny. Matetika izy io no ampitahaina amin'ny diamondra mamatsy ny ady sy fifandonana ao Afrika [2], ny fitrandrahana azy, tsy hoe fotsiny niteraka faharavana tsy hita noanoa ho an'ny tontolo iainana [3], sy fanitsakitsahana zon'olombelona amin'ny fomba mampivarahontsana, fa ny olona sasany aza mandroso ny hoe mamatsy koa ny fifandonana mitampiadiana ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo izy io. [4]

Ho fanombohana, ny tranonkala ConflictVoice [5]dia manoro hevitra antsika hijery ny Blood Coltan [6], fanadihadiana iray (amin'ny teny frantsay) maharitra 52 minitra novokarin'i Patrick Forestier. Io sarimihetsika io dia nivoaka tamin'ny 2007, ary mamboraka ireo endrika miafina sy ny efa fantatra momba ny tsenan'ny Coltan, ny fampidirana resaka miaramila [amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany] sy ny fomba fiainana andavanandron'ireo Kongoley, izay iharan'ny fakàna io akora mineraly io. Ireo toerana fitrandrahana mampiasa fombandrazana no matetika loharanom-pivelomana ho an'ireo vohitra any amin'ny faritra lavitra. Tsy misy fantatr'ireo mpiasa mitrandraka azy ny momba izay ampiasàna azy io any amparany any.

blood coltan [4]

Tamin'ny 2006, natolotray teto ny [7] fanadihadiana iray hafa, Coltan mihoson-drà ao Kongo [8], novokarin'ny Foibe Pulitzer mpanao fanadihadiana momba ireo fifandirana, [9] natokana ho an'ny resaka coltan sy ny olana ao Kongo RDC.:

Global Post, etsy andaniny, dia namoaka tany amin'ny faramparan'ny 2009 [10] ny tatitra an-tsary manahiran-tsaina narahana tafa iray nifanaovana taminà kongoley iray mpitrandraka coltan, izay ny tantarany dia mety ho tantaran'ny iray hafa mpitrandraka coltan ihany koa.

Tristan McConnell, ao anatin'ny lahatsorany ho an'ny Global PostIreo akora mineraly ampiasaina any anaty telefona finday no mamatsy ny fifandonana miteraka faty olona ao Kongo”, [10] dia mampahatsiahy antsika ny antony tsy maintsy iheverantsika ny tenantsika ho tafiditra amin'io fifandonana io:

Ny endrika tranainy sy maharitra ananan'ireo ady ao Kongo dia mahatonga azy ireny ho mora tsinontsinoavina.

Izany hoe, hatramin'ny fotoana izay ahatsapanareo fa ireny telefaona raitra misy fifandraisana aterineto any ampaosinareo ireny, na ireo fitaovana filalaovana lalao an-dahatsary manampy anareo hanadino ireo fotoana manahirana ireny dia miaty ampahan-javatra bitika avy any atsinanan'i Kongo

Jonathan Gosier, nahazo famatsiamboka tamin'ny TED, no manoritsoritra ao amin'ny Appfrica [11]ireo fanadihadiana nampitahàna ny torohay napetraka an-tsarintany tamin'ny alàlan'ny Ushaidi, fitaovana fanarahana maso ny fifandirana, sy ny sarintanin'ireo faritra izay misy fitrandrahana coltan [12], tamin'ny fanipihana fa misy zavatra mifanindry tsy azo lavina ireo sarintany roa ireo.

coltanmap [11]

Anatin'ny sary etsy ambony, ireo faritra mena dia maneho ny herisetra hita avy ao amin'ny tranonkala drc.ushahidi.com [13] raha ny faritra manga kosa indray maneho ny toerana fitrandrahana coltan

Tsy any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo ihany akory no trandrahana ny coltan, na dia izy aza no anisan'ireo firenena tena mpamokatra azy io betsaka indrindra.  Manome ohatra vitsivitsy i Jonathan Gosier, [11] momba reo fepetra noraisin'ireo orinasa mampiasa ny coltan any anatin'ny vokatra avoakany mba hiantohana fa tsy manampy amin'ny famatsiana ady mitampiadiana izy ireny:

Betsaka amin'ireo orinasa vaventy erantany no mampiasa coltan any anatin'ny vokatra elektronika jifaina betsaka ampiasaintsika isanandro (Wii, Playstation, iPhone, solosaina, sns). hatramin'ny fanombohan'ny taona 2000, nandray fepetra ny ankamaroany mba tsy ho avy any Kongo ny ampahany betsaka amin'ireo coltan ampiasainy. Ahitana an'ireto ny sasany amin'ireny anarana orinasa ireny : Apple, Intel, Hewlett-Packard, Sony, Nokia, Nintendo.

Misy fomba fijery iray tena samihafa momba ny tsenan'ny coltan vidiana any Kongo, ary afaka vakiana ao amin'ny bilaogy Akora Mineralin'ny Fifandonana [14]:

Rehefa niasàna sy voaova ny coltan, dia amidy amin'ireo orinasa toy ny Nokia, Motorola, Compaq, Alcatel, Dell, Hewlett-Packard , IBM, Lucent, Ericsson ary Sony izay mampiasa azy any anatin'ny ampahany betsaka amin'ireo fitaovana fampiasa andavanandro, miainga amin'ny telefaona finday efa toy ny solosaina ka hatramin'ireo fitaovana filalaovana lalao an-dahatsary.

Ny hafa mihevitra fa na misy fifamatorany aza ny ady mitampiadiana sy ny akora mineraly, mitanila ihany ny tetika sy fiketrehana mba hilazàna ireo akora mineraly ho hany loharanon'ny fifandonana ao Kongo. Izany no fomba fijery azo renesina ao anatin'ity lahatsary manaraka ity [15], nomena lohateny hoe Anontanio an'ilay Afrikàna: Kambale Musavuli, avy amin'ny fikambanana Ireo Naman'i Kongo:

Inona no TENA azo atao marina manodidina ny coltan ? Amin'izao fotoana izao, toa mahazo vahana ireo fanentanana natao mba hampahafantarana ireo mpamokatra singa elektronika ho an'ny daholobe, sy angatahana an-dry zareo hiantoka ny tsy hahalasa ny coltan novidiany ho famatsiana fifandonana mitampiadiana. Ilaina ihany koa ny mitandrina fatratra mba tsy hiverenan'ny tantara. Amin'izao fotona izao, lasa manandanja kokoa sy manokana satria ao Kolombia sy Venezoelà, firenena mpiray vodirindrina ary manàna tantara manahirana iraisany, sy filoha mpifahavalo, dia tsikaritra tsy ela akory izao ny fisian'ny coltan, ary dia any amin’ireo faritry ny sisintany iraisana mihitsy [16] no misy azy.