Sodàna: Halabato Voarakitra Anaty Lahatsary?

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2010)

Misy lahatsary iray ety anaty aterineto mampiseho  hala-batom-pifidianana tao Sodàna. Nahiliky ny Kaomitim-Pifidianana Sodaney ny fiheverena hoe nisy ny hosoka tamin'ny fifidianana. Asehon'ilay lahatsary ireo manampahefana manesika vatom-pifidianana ao anaty vata. Ambaran'ireo vondron'ny mpanohitra fa porofoin'ilay lahatsary ny fiampangàna nataon-dry zareo momba ny fisian'ny hosoka nataon'ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antokon'ny Kaongresy Nasionaly (NCP)

Ny bilaogy Save Darfur mitatitra hoe :

Na ny BBC na ny Washington Post (tamin'ny alàlan'ny Reuters) dia samy nanao lahatsoratra momba ilay lahatsary avokoa – mivoaka ao amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao – izay nalefan'ireo Sodaney mpikatroka ho antsika. Ilay lahatsary dia toa mampiseho olona manao fitafin'ireo manampahefana amin'ny fifidianana mameno ireo vata fifidianana, tao amin'ny Fanjakàn'ny Ranomasina Mena, ao Sodàna. Na tsy ho azo hamarinina aza izay tao anatiny, misy tranga hafa maneho hosoka tamin'ny fifidianana azo porofoina, ary io angamba no mety ho lahatsary voalohany manaporofo ny hosoka.

Zavadehibe ny hanaovana fanamarihana fa ny Kaomity Nasionaly misahana ny Fifidianana (NEC) dia nilaza io lahatsary io ho sandoka ary nanapaka hevitra ny tsy hanao fanadihadiana momba ilay tranga.

Vaky ny adihevitra momba ilay lahatsary, tao amin'ny sehatra fifampiresahana Current affairs ao Etiopia (ECADAF) :

Ahoana no nahafahan'ilay kaomity nanambàra ilay lahatsary ho sandoka nefa tsy mbola nanadihady akory ? Nahoana no nobahanan-dry zareo ny Youtube ao Sodàna raha sandoka ilay izy ? Miteraka fanontaniana vaovao maro ilay izy an……

Tate milaza fa torolalana amin'ny fomba fangalarana vato ilay lahatsary:

Ilay torolàlana ho an'ny mitapy momba ny fomba atao mba hanodinkodinana fifidianana! Amin'ny fomba fanao Sodaney. Tsy maintsy nahazo torohevitra avy amin'ireo mpitondra ambony ao amin'ny EPRDF ireo olona ireo.

Aklilu tsy gaga satria zavatra efa mahazatra ao Afrika ny hosoka amin'ny fifidianana:

Iraisan'i Afrika io ! Aza gaga amin'izany, ho toy izany mihitsy ny fifidianana etiopiana ny volana May, toy izay nitranga tao anatin'io lahatsary io, ka aza gaga! Tsy zava-baovao ao Afrika izany. Efa nomanin'i Weyane Harnet ny hanaovana ny fifidianana ho toy ny takalonaina.

Fotoana izao tokony hijerena ny rafi-pifidianna manerana izao tontolo izao, hoy i Alaqib :

Fotoana ve izao tokony hamerenana mijery manontolo ny FIFIDIANANA sy ny demaokrasia erantany ? Jereo, na aiza na azia ka misy fifidianana, misy feo miresaka hosoko amin'ny fifidianana foana: Iràna, Iràka, hatrany Etazonia aza…etc

Ny dika avy amin'io lahatsary io navoaka ato dia niteraka ihany koa adihevitra tao anatin'ny faritra natokana ho an'ny fanehoankevitra.

NitroEthiopian manontany hoe: “Fa inona no noheverinareo hitranga? Afrika anie io e”:

hahaha  Fa inona no noheverinareo hitranga ? Afrika anie io e! Ny tena mampalahelo indrindra, dia i Al Bashir hilaza ho nandresy. Hovonoiny araka izany izay olona manohitra, ary avy eo holazainy fa mpihoko. Dia avy eo ny Firenena Mikambana hanafay an'i Al Bashir. I Etazonia koa hanameloka an'i Al Bashir fa rehefa avy eo, afaka volana iray na mahery kely dia ho adino ny aminy. Dia manohy ny làlany izao tontolo izao.

Raha tsy ohatra hoe hokotabaina isanandro ireo mpanao jadona, dia hitohy hamono olona foana ry zareo.

Ho an'i MrPortsudan, asehon'ilay lahatsary hoe hatraiza ny hadisoam-panantenan'ireo politisiana ao anatin'ny fanoherana:

Ok Rangahy a, jereo ilay rakitsary iray hafa misy ilay mpakasary maneho mivantana ireo olona ireo, hanao fanehoankevitra momba io ve ianareo? Faharoa, tsy misy fanajàna ny fanjakàna tàn-dalàna na kely aza ireo olona ao anatin'io sehatra io ary anaovako fanamby fa raha manontany ireo olona ireo eto ianareo, dia hanaiky ry zareo ary hiteny aminareo hoe dia hanao inona amin'izany ianareo. Ary ny farany, ahoana no hahafahanareo hanangona ny porofo rehetra sy hidirana ao anatin'ny fihokoana ? Asehon'io tsara ny halalin'ny hadisoam-panantenan'ny avy amin'ny fanoherana, ary anaovako fanamby fa hiely ao amin'ny aterineto io lahatsary io, any amin'ny farany atsimon'i Sodàna, amin'izao fotoana izao dia afaka manao fety ireo antoko.

Tabiatomdurman mahita hoe safatsiroa ilay lahatsary:

Tena marina tanteraka io lahatsary io. Telefaona finday no nandraketana azy. Tsy misy fanazavana hafa azo omena. Mahafantatra ny ataony ny BBC, ny Washington Post ary CNN . Tsy maintsy manana olona 10 ianareo mba hanao lahatsary tahaka iny ka tsy hisy hadisona na eo am-pijerena ny fakantsary. VITA NY AN'i BASHIR. Tantara ratsy goavana ity.

i Mohdd2 mametraka fisalasalàna ny momba ny maha-tena izy ilay lahatsary. Ity ny fanontaniany : “Ahoana no tsy nahamarihan-dry zareo hoe misy olona maka sary eo alohany eo , amin'ny andro mazava be izao ?”:

Ahoana no tsy ahafahan-dry zareo mahita hoe isy olona maka sary mifanatrika amin'ny hazavan'ny andro ? Ireo mitapy irery ihany, toy ny olon'ny BBC, no hino an'izany na hanantena fa ilay lahatsary dia hanome azy ireo rariny na dia efa fantany izao aza ny fandehan-javatra.

MrNobody808 mamaly hoe:

Mora atao io amin'ny telefaona finday. Ary mbola mora lavitra raha fakantsary afenina 🙂

MrNobody808 koa :

Na olona avy amin'ny fanoherana no mandrakitra an-tsary ilay hadalàna. Na rehefa tsy izay dia olona leo amin'ny hosoka ka nanapaka hevitra ny hanangona porofo. Betsaka no mety ho antony. Aza maika ny hanilika an'io ho toy ny tsy izy.

Mohdd2 mivazivazy hoe :

Adala mihitsy ireto mpikambana ao anatin'ny antokonay ireto, efa nilazako ry zalahy mba handiso ny fifidianana, saingy adinoko ny niteny taminy tsy haka sary sy handefa izany ao amin'ny Youtube! Fisolokiana kidaladàla re izany ary ity BBC tsy misy ilàna azy koa dia nino sy namoaka ilay izy ho lohatenimbaovaon'ny pejy voalohany.

Hatramin'ny 1986 dia ny fifidianana tamin'ny 2010  no fifidianana voalohany tao Sodàna nahitàna antoko maro nandray anjara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.