(Fanamarihana; Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2009 ity)
Avy ny orana ao Dubai ka feno fanehoan-kevitra momba ny orambe tsy mahazatra tamin'ny vanim-potoana tamin'ity taona ity ny Twitter
MMM, bilaogera Toniziana miasa ao Dubai, nanamarika hoe:
Avy be tanteraka ny orana ao Dubai
Omar F Kassim tsy nanafina ny fientanam-pony:
Woah! Lena be. Tselatra, rivotra sy orana no mamely ao Dubai!
Ash Chagla nilaza hoe:
eny, orambe mivatravatra ao Dubai – mikapokapoka ao am-baravarankely…fotoana tsara indrindra nananako tao anatin'ny tontolo andro
Inona no mampiavaka ity orana ity? TeeJayGee69 manazava:
Misokatra ny lanitra ary avy be ny orana. Tsy fahita firy ny orambe mivatravatra amin'ny volana Martsa ao Dubai
Josephine Lake nientam-po ary nanantena fa tsy hisokatra ny sekoly rahampitso:
Wow! Tena orambe – mahery vaika amin'izao fotoana izao. Mety ho dibo-drano i Dubai atsy ho atsy! Angamba hikatona ny sekoly rahampitso noho ny tondra-drano!
Parky London nanana ahiahy ary nisioka hoe:
Oh! tafahitsoka aty anaty toeram-pisotroana ao Dubai aho noho ny orambe-tsy hain'izy ireo ny mitantana izany eto. Mety tsy ho tafody aho
Mandritra izany, mmgoon nitatitra fa tsy mandeha ny fahitalavitra:
Orana sy kotroka ao Dubai. Tsy mandeha ny fahitalavitra amin'ny zanabolana noho ny tselatra. Ny feon'orana ihany no re ankehitriny.
Ryan Harrison nitaraina momba ny fomba fitondrana fiara:
Avy nitazana tao am-baravarankely. Efa renirano sahady ny lalana, kanefa mbola mandeha 120km/h ny olona. Feno adala i Dubai.
Sioka farany avy amin'i Mister Aedan, izay nanamarika hoe:
Tonga ao Dubaï ny tafio-drivotra – tena mahavariana ny mijery izany ety ambonin'ny seranam-piaramanidina. Te haka sary fa tsy afaka, indrisy.
Indrisy fa na dia nahazo sary tsara aza, tsy mety ny mampiditra izany ao amin'ny Flickr mba hizara izany, satria voasivana ao Emirà Arabo Mitambatra ny Flickr .