- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manerantany: Ny Hijablogging Fashionistas

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Norvezy, Mediam-bahoaka, Saripika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 16 Aprily 2009 no nanoratana ny lahatsoratra)

Tamin'ny volana Martsa 2009, nihaona [1] tamin'ny ekipa vaovaon'ny “bilaogerahijab” izahay, ireo vehivavy izay misalotra hijab [2] ary mibilaogy momba izany. Miparitaka manerantany ny bilaogera toy izany, ao ny mamahana bilaogy momba ny lohahevitra maro samihafa toy ny andraikitry ny ray aman-dreny, ny lamaody, ny dia ary ny politika. Ato amin'ity lahatsoratra ity isika hitsidika indray ny “hijablogosphere” (tontolon'ny bilaogy hijab) mba hamantatra ny vaovao.

Vaovao “hijabilaogera” mahafinaritra iray ny Hijabs High [3], rakitsarin'ny vehivavy mitafy hijab manerana izao tontolo izao. Antsoin'ny bilaogera hafa hoe “Miozolomana Sartorialista”, Mivaky toy izao andininy “momba”  ilay bilaogy :

Hijabs High is inspired by the stylish and dynamic global community of Muslim women who fuse their identities and pronounce their place in the world everyday through beauty and fashion.

It is my hope that this blog inspires, motivates and encourages Muslims and non-Muslims alike to revisit their perceptions of the “look” of Muslim women who wear the veil and encourage us all to be a little bit more fabulous.

To the chic gang of Hijabs High photographers – you know who you are – thanks for doing it all with grace and panache. 🙂

Finally, Hijabs High owes a debt to The Sartorialist [4], who first helped focus our cameras on the everyday. Thank you.

Nahazo ny aingam-panahin'ny vondrom-piarahamonin'ny vehivavy Miozolomana mahay mihaingo sy mavitrika manerantany ny Hijabs High izay mampifangaro ny mari-panondroana azy ireo ary mametraka ny toerany eo amin'izao tontolo izao isan'andro amin'ny alàlan'ny hatsaran-tarehy sy ny lamaody.

Manantena aho fa hanome aingam-panahy, fandrisihana sy fankaherezana ny Miozolomana sy ny tsy Miozolomana ity bilaogy ity mba hijery indray ny “endriky” ny vehivavy Miozolomana misalotra voaly sy mandrisika antsika rehetra mba ho mahafinaritra kokoa.

Ho an'ny ekipa mpaka sarin'ny Hijabs High mahafinaritra, fantatrareo hoe iza ianareo. Misaotra noho ny fanaovana izany rehetra izany tamin'ny fahasoavana sy ny fanasongadinana 🙂

Farany, ananan'ny The Sartorialist [4] trosa ny Hijabs High, izay nanampy voalohany tamin'ny fifantohan'ny fakantsary tamin'ny andavanandro. Misaotra anareo.

Namoaka lahatsoratra an-tsary [5] vao haingana momba ilay mpamorona lamaody Egyptiana Reham Farouq, mpamolavola  manokana ho an'ireo misalotra ny hijab ny Hijabi Style, bilaogin-damaody iray hafa. Namoaka lahatsoratra mitovy amin'izany [6] vao haingana momba an'i Farouq ny Hijabilaogy , izay nahazo fanehoan-kevitra maro midera ilay akanjo.

Farany fa tsy ny kely indrindra tamin'ny dian'ny “hijabilaogy” androany dia nisy ny lahatsoratra lehibe  avy amin'i Nuseiba, izay manana bilaogy mikendry ny hanamafy sy hanome fanazavana momba “ireo feo marobe sy ny traikefan'ny vehivavy Miozolomana.” Nanoratra [7] ilay bilaogera tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no mila manomboka amin'ny fitiavana ny hijab ny feminista, ”  :

So I was reading the news this morning and I chanced upon this [8]. It seems the hijab has set off a national controversy in Norway. It all started when a Muslim woman petitioned to wear her hijab with her police uniform. And from there things pretty much went downhill when another Muslim woman set fire to a hijab on International Women’s Day. Oh, don’t you just love these gliberal feminists! They are quick to flutter their hankies on behalf of feminism, but rather see a Muslim woman’s brains splattered to the walls of her house than see her trapped in a hijab!

Sendra izany [8] aho rehefa namaky ny vaovao io maraina io. Toa niteraka adihevitra nasionaly tao Norvezy ny hijab . Nanomboka izany rehefa nisy vehivavy Miozolomana nangataka ny hanao hijab niaraka tamin'ny fanamian'ny polisy. Ary nanomboka teo dia nitotongana ny zava-nisy rehefa nisy vehivavy Miozolomana iray hafa nandoro ny hijab tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy. Oay! tsy tianao ve ireo feminista liam-pandrosoana ! Haingana izy ireo manofahofa ny mosoara ho an'ny feminisma, kanefa aleo mahita ny atidohan'ny vehivavy Miozolomana miparitaka eny amin'ny rindrin'ny tranony toy izay mahita azy ireo voafandrika ao anaty hijab!