Ejypta: Notapahana ny Mpamatsy Tolotra Aterineto Sisa Tafajanona, Ahiana Hotapahana Ihany Koa Ny Tambajotra Finday

(Fanamarihana: lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny volana Janoary 2011)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana ataonay manokana momba ny Fihetsiketsehana tany Ejypta taona 2011.

Taorian'ny saika fanakatonana tanteraka ny tolotra aterineto tamin'ny 27 Janoary 2011, toa hita fa notapahana ihany koa ny Mpamatsy tolotra Aterineto sisa tafajanona, Noor Group, izay manana vahana ara-barotra eo amin'ny 8%, ka lasa tsy afaka miditra aterineto mihitsy i Ejypta.

@Weddady, mpikatroka monina ao Boston, nisioka tamin'ny 4 hariva teo, ora ATSINANANA:

Urgent ALERT : THE LAST INTERNET CONNECTION AVAILABLE IN #EGYPT IS DOWN #Jan25 via ramy raoof

FANAIRANA maika: NOTAPAHANA tamin'ny alalan'i ramy raoof NY ATERINETO SISA TAFAJANONA AO EJYPTA tamin'ny 25 Janoary

Nampiany hoe:

Urgent: Ramy Raoof says also that there's news of an imminent shut down of ALL cell phone networks. #Jan25

Maika: Nilaza ihany koa i Ramy Raoof fa misy ny fanakatonana tsy ho ela ny tambajotra finday REHETRA.

 Nanamafy ny vaovao i @Alaa, izay nifandray tamin'ny fianakaviana sy namana tao Kairo tamin'ny alalan'ny finday,:

noor net the last ISP standing in egypt is taken offline, there is now no internet in egypt at all #Jan25

nosakanana ny mpamatsy tolotra aterineto, noor nijoro farany tao Ejypta, tsy misy aterineto intsony ao Ejypta ankehitriny

Amin'ny tariby misy ao an-toerana, mety ho afaka mahavita miantso amin'ny alalan'ny tambajotra iraisam-pirenena ny Ejypsiana sasany. Hiezaka ny Global Voices hanohy ny fitantarana amin'ny alalan'ny fifandraisanay amin'ireo ifandraisana ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.