Okraina: Ny Faharavàna sy ny Fitiavan-karena Tafahoatra

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aprily 2009 ity)

Nandefa sary misy ny sisa tavela tamin'ny faharavàn'ny tobin'ny tanora mpisava lalana taloha teny amoron-dranomasina ao Odesa ilay mpisera LiveJournal, sabeloff ary nizara tantara vao haingana momba ny toerana (amin'ny teny Rosiana) – izay indrisy fa fahita mahazatra ao Okraina ankehitriny:

[…] This is an old summer camp near the 13th Station of the Bolshoi Fontan in Odesa. It's totally deserted, which is surprising, because all around it are elite mansions. The demand for such plots used to be VERY high.

The story of this land plot is more or less the following:

The plot together with the camp was acquired for a large amount of money (how much is not known) and it was decided to build a multi-story elite house there. A strange decision, because of the “cool” mansions around, whose owners didn't want to observe a multi-story building instead of the sea out of their windows. The construction of this elite multi-story building was canceled. The owners decided to sell the plot. They were offered $130,000 per [hundred square meters] last summer, but they wanted $150,000. In the fall, they were fine with $130,000, but the buyers lowered their offer to $100,000 and later decided not to buy it at all… In the past half a year, there hasn't been a singe offer for this plot. […]

[…] Toby filasiana andro mafana fahiny izy ity, eo akaikin'ny Toby faha-13 ny Bolshoi Fontan ao Odesa. Foana tanteraka ny toerana, izay mahagaga, satria ahitana tranobe mihaja manodidina azy. TENA betsaka taloha ny fangatahana tany tahaka izany.

Somary tahaka izao ny tantaran ‘ity tany ity:

Azo tamin'ny alalan'ny volabe (tsy fantatra hoe ohatrinona) ny tany miaraka amin'ny toby ary tapaka ny hevitra tamin'izany fa hanorenana trano goavana mijoalajoala tao. Fanapahan-kevitra hafahafa, noho ireo trano mihaja “mahafinaritra” manodidina ny tany, izay tsy te hahita tranobe mijoalajoala ireo tompon-trano ireo fa aleon'izy ireo mijery ranomasina avy eny am-baravarankely ihany. Nofoanana ny fanorenana izany trano mijoalajoala izany. Nanapa-kevitra hivarotra ny tany ny tompony. Namidy 130.000 dolara isaky [zato metatra toradroa] ny tany tamin'ny fotoam-pahavaratra farany, raha 150.000 dolara no vidiny nokasaina. Tamin'ny fotoam-pahavaratra, nanaiky ny 130.000 dolara izy ireo saingy niady varotra 100.000 dolara ireo mpividy, taty aoriana, nanapa-kevitra tsy hividy izany mihitsy indray ireo mpividy … Nandritra ny enim-bolana farany, tsy mbola nisy nanome tolo-bidy ity tany ity. […]

Ity ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra tamin'ity lahatsoratra ity, avy amin'ilay mpisera LJ,  yelpat:

This isn't financial crisis. This the crisis of greed. Greed has become the post-perestroika morality and those who were able to grab – they've grabbed. And the country is falling apart, and people are fleeing the country exactly because greed has devoured the infrastructure that's supposed to facilitate people's lives.

Tsy krizy ara-bola ity. Fa krizin'ny fitiavan-karena. Lasa fitondratena taorian'ny perestroika ny fitiavan-karena tafahoatra ary ireo izay afaka nandroba-dia nandroba. Ary rava ny firenena, nandositra ny firenena ny olona, ny tena antony indrindra dia satria nandroaka ny foto-drafitrasa izay tokony hanamoràna ny fiainambahoaka ny fitiavan-karena tafahoatrai.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.