- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Apps4Africa: Mampiasa Fampiharana Finday Ifarimbonana Hiatrehana Ny Fiovaovan'ny Toetrandro

Sokajy: Lanonana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 25 Martsa 2012 no nanoratana ny lahatsoratra)

Ezaka iray nataon'ny orinasan'ny rindrambaiko Ogandey nanomboka tamin'ny taona 2009 ny Apps4Africa [1] izay manampy ny vahoaka eto Afrika mba hampiasa ny teknolojia hahazoan'izy ireo tombontsoa. Natao tamin'ny taona 2010 tany Afrika Atsinanana ny fifaninanana voalohany, izay mandrisika ny fiarahamonim-pirenena, ny akademisiana sy ny fikambanan'ny sehatra tsy miankina niaraka tamin'ny mpanavao teknolojia Afrikana mba hampiroboroboana ny fampiasa finday izay mamaha ny olana eo an-toerana manoloana ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro . Miparitaka hatrany amin'ny firenena atsimon'i Afrika [2] [fr] ankehitriny ny fanambin'ny Apps4Africa ary firenena maro tao amin'ny faritra no nampiantrano izany nandritra ny volana Febroary sy Martsa 2012  . Nokarakaraina tao Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara ny hetsika fanentanana tamin'ny 16 Martsa 2012.

[3]

Ireto avy ny sokajin'ny fampiasa finday ifaninanana :

- Agriculture (distribution)
– Disaster, early warning, resource management,
– Forestry / Deforestation, Transport / Traffic / emissions,
– Food Security, Livestock, Health and Sanitation

- Ny Fambolena (fanapariahana)
– Ny Fitantanana ny voina, ny fampitandremana mialoha, ny loharanom-baovao
– Ny Fitantanana ny  Ala / ny Fandripahana ny Ala, ny Fitaterana / ny Fifamoivoizana / ny Famokarana Etona,
– Ny Antoka Ara-tsakafo , ny Fiompiana, ny Fahasalamana sy ny Fanadiovana

Natao tamin'ny 30 Martsa 2012 [2] [fr] ny daty farany tamin'ny fandraisana anjara  .

[4]

Marieme Jamme tamin'ny fanokanana ny Apps4Africa teto Madagasikara. Sary: Thierry Ratsiz. CC BY-NC-ND

Nanoratra ny bilaogera Malagasy iray sady mpikambana mahazo fanohanana ao amin'ny Rising Voices Klioban'ny Foko Bilaogy The Cyber Observer [5] :

March 16th, 2012: This is a very important date for the newly born NGO: Malagasy i-Hub, because it hosted the second edition of Apps4Africa for the Southern region of Africa. It gathered some Malagasy techies, bloggers, NGOs, associations, entrepreneurs, IT developers, and innovators. [..]

16 Martsa 2012: tena daty manan-danja ho an'ny ONG vao miforona Malagasy i-Hub ny Apps4Africa : satria nampiantrano ny andiany faharoa tamin'izany taty amin'ny faritra Atsimon'i Afrika izy ary namory Malagasy maro toy ny manam-pahaizanan'ny teknolojia  ,bilaogera, ONG, fikambanana, mpandraharaha,  mpandraharahan'ny teknolojia, ary mpamorona . [..]

[5]

Mpandray anjara Apps4Africa teto Madagasikara. Sary avy amin'ny Antahiana


This meeting was organized mainly for sensitizing to the emergency of finding solutions to climate change, solutions which have to involve telecommunication / internet technologies, and also for informing about the project contest (Madagascar will compete against other 04 African countries in the Southern region). This event will continue today at the Malagasy Press Center, Antsakaviro, Antananarivo, Madagascar from 10 to 02pm Madagascar time.

Natao indrindra ity fivoriana ity mba hanentanana ny vonjy taitra amin'ny fitadiavana vahaolana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro, vahaolana izay tsy maintsy handraisan'ny teknolojian'ny fifandraisandavitra/aterineto anjara, ary mba hampahafantarana ny tetikasan'ny fifaninanana ihany koa (nifaninana tamin'ny firenena Afrikana miisa 4 hafa ao amin'ny faritra Atsimo i Madagasikara). Marihina fa natao tao amin'ny Foiben'ny Gazety Malagasy  Antsakaviro, Antananarivo, Madagaskara ny tohin'ity hetsika ity tamin'ny fotoan'androny.

Indro i Brett Bruen [6] mpanohana avy ao amin'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara miresaka momba ny fifaninanana Apps4Africa :