- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Ireo Olona 10 Voalohany Manan-kery Indrindra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: Lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny Oktobra 2009 ity)

Nanatontosa fanadihadiana [1] ilay bilaogera Ahmed Shokeir mba hahitàna izay olona 10 voalohany manan-kery indrindra ao Ejipta, rehefa talanjona izy [1] nahita fa i Gamal Mubarak [2],  zanaky ny filoha Ejiptiana Hosni Mubarak – izay tokony handimby ny rainy – no mpifaninana 100 tafakatra famaranana tamin'ny [3]TIME taona 2009 [3].

Shokeir nanoratra hoe:

المفاجأة الحقيقة كانت في إسم الشخصية العربية التالية والتي تظهر في القائمة أيضا للمرة الأولى وتحتل المركز الثامن عشر بفارق بسيط عن الشيخ أحمد وتحصل على ثمانمائة وثلاثون ألف صوت بمتوسط 31 نقطة وهو جمال مبارك متقدماً على أسماء مثل بريتني سبيرز التي حلت في المركز الثلاثون وباراك أوباما في المركز السابع والثلاثون
Ny tena mahagaga dia ilay olona Arabo faharoa manan-kery indrindra aorian'ny Sheikh Ahmed bin Zayed Al Nahyan [4], talen'ny fitantanana ny Fahefana Fampiasambola avy ao Abu Dhabi, izay laharana faha-13 ary nahazo vato maherin'ny 839. Sambany ny anaran'i Gamal Mubarak [5] no niseho tao amin'ny lisitry ny Time izay misy elanelana kely (vato 832,593). Nialoha an'i Britney Spears [6](faha-30) sy Barack Obama [7] (faha-37) i Gamal Mubarak.

Zeinobia nizara ireo olona 10 manan -kery indrindra ao Ejypta  [8]araka ny fanadihadian'i Shokei:

First of all we do not have these kinds of lists in Egypt regularly , second you must know that this was held on an Egyptian blog , the participants are considered a very small sample from the Egyptian society “More than 120 participants on his blog and more than 300 participants in the event on the face book [9]” and some may considered it as unrepresentative sample still most of the answers surprisingly represent the views of most Egyptian people as I see it.

Voalohany indrindra, tsy manana izany karazana lisitra izany matetika izahay ao Egypta, faharoa tsy maintsy mahafantatra ianao fa natao tao amin'ny bilaogy Ejipsianina izany, sokajiana toy ny solontena kely avy amin'ny firahamonina Egyptiana ireo mpandray anjara: mpandray anjara maherin'ny 120  tao amin'ny bilaoginy ary mpandray anjara maherin'ny 300 tamin'ny hetsika tao amin'ny Facebook ary [9]mety manasokajy izany toy ny  santionany tsy maha solontena ny hafa, kanefa ny ankamaroan'ny valinteny dia mahagaga fa maneho ny fomba fijerin'ny ankamaroan'ny vahoaka Ejiptiana araka ny fahitako azy:

In 10th place for 168 points The Egyptian National football team trainer Hassan Shahata.
In 9th place for 181 points businessman Naguib Sawiris.
In 8th place for 200 points president Hosni Mubarak. “26 votes”
In 7th place for 200 points journalist Ibrahim Eissa . “46 votes”
In 6th place for 202 points businessman Ahmed Ezz.
In 5th place for 215 points scientist Ahmed Zowail.
In 4th place for 262 points TV hostess Mona El-Shazely.
In 3rd place for 325 points footballer Mohamed Abu-Tarika.
In 2nd place for 364 points Gamal Mubarak.

Eo amin'ny laharana faha-10, nahazo isa 168, ilay ekipam-pirenena mpanazatra Ejipsiana, Hassan Shahata.
Laharana faha-9, isa 181 ilay mpandraharaha Naguib Sawiris.
Toerana faha-8, nahazo isa 200 ny filoha Hosni Mubarak. “vato 26″
Toerana faha-7, amin'ny isa 200, ilay mpanao gazety Ibrahim Eissa. “vato 46″
Toerana faha-6, isa 202, ilay mpandraharaha Ahmed Ezz.
Toerana faha-5, isa 215 ilay mpahay siansa Ahmed Zowail.
Eo amin'ny toerana faha-4, isa 262, ilay mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, Mona El-Shazely.
Eo amin'ny toerana faha-3, isa 325, ilay mpilalao baolina kitra Mohamed Abu-Tarika.
Eo amin'ny toerana faha-2, isa 364 i Gamal Mubarak.

Ary ny olo-malaza manan-kery indrindra ao Ejypta

Now to my surprise :

In 1st place for 496 points comes Islamic TV preacher Amr Khalid.
With no doubt that the previous nine except for Ahmed Zoweil has played an important and influential role in our lives in 2009 but Amr Khalid !!??

Nahagaga ahy :

Ny laharana voalohany, manana isa 496 dia ilay mpitory teny ao amin'ny Fahitalavitra Silamo, Amr Khalid.
Tsy isalasalana fa ireo sivy voalohany, ankoatra an'i Ahmed Zoweil dia nandray andraikitra lehibe sy manan-kery teo amin'ny fiainantsika tamin'ny taona 2009 ankoatra an'i Amr Khalid !!??

Mahafantatra i Zeinobia fa:

this survey came at the seasonal peak of Khalid’s popularity after his Ramadan TV shows this year contributed much to this result besides of course the role of religion in our lives.

Notontosaina tao anatin'ny vanim-potoana nampalaza be an'i Khalid ny fanadihadiana, izay nanampy betsaka nahazoany isa maro tamin'ity vokatra ity ny fandaharany amin'ny fahitalavitra Ramadany tamin'ity taona ity, ankoatra ny asany ara-pivavahana eo amin'ny fiainantsika.

Saingy mbola manontany izy raha mendrika ho voalohany ao anatin'ny lisitra izy.