24 Mey 2017

Tantara tamin'ny 24 Mey 2017

Nizera: Manavotra Aina Amin'ny Someso

  24 Mey 2017

Nisedra olana ara-tsakafo i Nizera, izay nananontanona ny antsasak'ireo vahoaka 14 tapitrisa monina ao amin'ny firenena. Niantso fanampiana maika tamin'ny sehatra iraisampirenena noho ny maha-olombelona ny Firenena Mikambana. Bilaogera iray ao amin'ny Concern US blogs, Amanda McClelland, no mitatitra momba ny fandarahanasa iray hampiasàna ny someso mba hanapariahana vola maika ho an'ireo vehivavy marefo indrindra any amin'ireo vohitra 160 ao amin'ny firenena

Anjerimanontolo Rosiana Saika Hanolotra Mariboninahitra “Doctorat Honoraire” an'i Duterte, Saingy Nandray Sidina Nody Aloha Loatra Lery

Akon  24 Mey 2017

Nanome 'doctorat honoraire' ho an'ny filoha Filipiana Duterte ny MGIMO. Ilay olona iray izay nikarakara rà mandriaka sy nitifitra ny vahoakan'ny fireneny. “Ny mariboninahitra 'Doctorat Honoraire' avy amin'ny MGIMO dia atolotra ireo olom-panjakana, politika sy olontsotra ary diplaomaty miavaka,.." Ireo efa nahazo izany tany aloha : Nicolas Sarkozy, Tayyip Erdogan ary Ban Ki-moon.

Singapaoro GovCamp 2011

  24 Mey 2017

Ny 18 Nov 2011 no natao ny GovCamp andiany faharoa tamin'iny taona iny tao Singapaoro, teo ambanin'ny lohahevitra hoe “Mampifandray ny Olona, ny Angondrakitra ary ny Hevitra". Tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #govcampsg, ireto ny fanehoankevitra avy amin'ireo nandray anjara tamin'ilay kaonferansa

Pôrtô Rikô: Politikam-Pananahana

  24 Mey 2017

"Hey Neny, inona izany fanalàna zaza? Efa nanao izany ve ianao? Ummm eny, ary efa nihevitra ny hanala anao aza aho. Ao anatin'ity lahatsoratra fanangonana ity, miizarazara ny hevitr'ireo bilaogera Pôrtôrikàna momba ny resaka maha-vehivavy, ny zo ara-pananahana ary ny mariazy pelaka.