(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2010)
“Raha misy olona tsy afaka ny hitsahatra tsy hitaraina momba ny Algérie Télécom, dia izaho izay, araka izany dia fotoana izao hizaràko aminareo ireo fitarainako,” hoy ilay Alzeriana bilaogera, 19 taona, Houda nanokatra ny lahatsorany “Algérie Telecom, ilay safidy tsara”.
Natao tamin'ny 2008 ny fanomezana ho an'ny tsy miankina ny Algérie Télécom (AT),- ilay goavan'ny tolotra aterineto sy ny telefaona an-tariby sy finday – tamin'ny fotoana izay nialàn'ny Lacom, ilay mpandraharaha faharoa tsy ho eo amin'ny tsena indrindra, taorian'ireo taona telo niasàny, tamin'ny nitanisàny ireo sàkana faneriterena tsy ahafahana mifaninana amin'ny Algerie Telecom, ka namela ny AT hanao ampihimamba virtoaly ny tolotra aterineto manerana an'i Alzeria.
Malaza eny anivon'ireo bilaogera ny AT noho ny haratsian'ny tolotra omeny[FR]. Ny fahatapahana miverimberina amin'ny tolotra no lohahevitry ny fitarainana maro nandritry ny taona maro, niteraka fitarainana teny amin'ireo mpitoraka bilaogy ary hatramin'ireo andianà lahatsary YouTube fanehoana hatezerana amin'ny tolotra omen'ny AT [FR].
Houda manohy hoe:
Le premier truc qui vous attire dans un spot pour AT que ce soit à la T.V ou bien sur les bannières accrochées et que vous lisez 100 fois chaque fois que vous êtes chez AT pour payez la facture et que vous attendez derrière une interminable file d’attente c’est leur slogan mensonger et qui me fout une rage indescriptible « LE BON CHOIX »
Non serieux, c’est ça le slogan « le bon choix »?
Aiza kosa e, ataovy matotra, izao ve no tenifanevan-dry zareo “ilay safidy tsara”?

Fanesoana ny sorabaventin'ny AT, miaraka amin'ny hoe “Ilay hany safidy” nanoloana ny doka tena niandohana “Ilay safidy tsara”
Houda manohy hoe:
revenons sur la définition du mot choix :
choix: Ensemble de choses, d’éléments, etc., parmi lesquels on peut choisir (source: larousse.fr)
Je crains justement que l’ensemble de choses n’est pas là! on ne choisit pas Algérie Telecom mais c’est une condamnation, le crime? être algérien
AT n’a rien d’un bon choix, en faite c’est un mauvais choix qu’on est tous obligés de faire mais ça n’a rien d’étonnant car en Algérie on suit un système binaire, du O ou du 1
Safidy: andian-javatra na karazana iray sns… izay azonao isafidianana.
Matahotra aho fa toa tsy hita eto ilay hoe ‘andian-javatra'! Tsy safidy iray ny Algérie Telecom! fa sazy! ary ny heloka ve? Ny maha-Alzeriana anao.
Tsy ho safidy tsara velively ny AT – raha ny marina dia safidy ratsy, saingy iray tsy maintsy ataontsika rehetra – tsy atao mahagaga satria manaraka ny rafitra binary (fototra roa) ny AT, rafitry ny 0 na 1.
Ataon'i Houda anaty lisitra ireo faritra hafa izay maha-voafetra ihany koa ny safidiny:
Le 0 représente des entreprises qui n’existent pas (et n’existeront probablement jamais); comme une industrie mécanique qui nous fait des voitures algérienne (ohh oui je me rappelle si bien de cette promesse), ou l’existence d’une base de livres comme « amazon » ou « ebay ou encore un « »mcdo » ou un « ikea » bon assez parlé des bits prenants la valeur ‘0′
UN SEUL fournisseur d’accès à internet, UNE SEULE chaîne de télé, UN SEUL moyen de payement, UN SEUL divertissement pour les jeunes (internet)..
TOKANA monja ny mpanome tolotra aterineto, TOKANA monja ny fantsom-pahitalavitra, TOKANA monja ny fomba fandoavana vola, TOKANA monja ny fialamboly ho an'ny tanora (ny aterineto)..
Mitontona any amin'ny endrika hafa eo amin'ny fiainany ny hatezeran'i Houda:
bref, on devrait faire avec, on devrait accepter la situations, et accepter que les jeunes préfèrent traverser la mer et courir les dangers plutôt que de ne RIEN faire, accepter que notre connexion sera médiocre jusqu’à la fin des temps, accepter qu’il n’y aura qu’une seule chaine de télévision qui diffuse des programmes débiles (comme el fhama ou haj lakhder), accepter que l’information du journal de 8 soit mensongère, accepter qu’on vivra de tabous et de parlotes sociales inutiles et signes de sous développement, accepter qu’on mangera du couscous chaque Vendredi….
Na eo aza ireo hatezerany ireo, izay nozarain'ireo bilaogera marobe hafa, zavatra miabo no namaranan'i Houda azy:
Malgré tout, je suis quelqu’un qui croit énormément en son pays et est pour que les choses puissent s’améliorer un beau jour et que j’y contribue !
Araka ny ambaran'ny olona iray mpaneho hevitra, ButterflyOfFire, izay milaza amin'ny antsipirihany ny hatezerany amin'ny AT ary manana fantsona [FR] YouTube iray manasongadina ireo lahatsary fanehoankevitra momba ny teknolojia ao Alzeria :
Il faudrait bien qu’un jour le changement vienne.