(Marihina fa tamin'ny 22 Desambra 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Mpaka sary matihanina Iraniana sady bilaogeran-tsary nipetraka sy niasa tao Libanona nanomboka tamin'ny taona 2009 i Mohmmad Reza Hassani. Lasa loharanom-baovao nahitana raharaha mifandray amin'i Iran ao Libanona ny bilaogin-tsariny taorian'ny fitsidihan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad ny fampirantiana sy ny fampisehoana mozika Iraniana.
Fiandrasana an'i Mahmoud
Tamin'ny volana Oktobra 2010, nankany Libanona i Mahmoud Ahmadinejad izay nanasongadina ny hetsiky ny Iraniana tao Libanona.
Fihainoana ny feom-bolamena
Tamin'ny volana Aogositra 2010, nanao fampisehoana tao “Beit Al Dine” tao Libanona i Mohammad Reza Shajarian , mpihira mpanao hetsi-panoherana malaza indrindra ao Iran.
Fiainana marevaka
Tsy ny olo-malaza ihany no hita ao amin'ny fakan-tsarin'ilay bilaogeran-tsary Iraniana fa ny fiainana andavanandro ihany koa.
Tsidiho ny bilaogy ao amin'ny http://mohammadrezahassani.com . Nahazoana alàlana avokoa ny sary rehetra avy amin'i Mohmmad Reza Hassani .