Iran: YouTube, Mozika sy ny Fifidianana

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Mey 2009 ity)

Nampiasa Youtube amin'ny fomba samihafa ireo mpanao fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Iraniana mba hampiroboroboana ny kandidà tohanan'izy ireo na hanaratsiana ireo mpifanandrina.

Kandidà efatra no hifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jiona, ao anatin'izany ny filoha amin'izao fotoana izao, Mahmoud Ahmadinejad. Ny hafa kosa dia ahitana an'i Mir Hussein Mousavi, Mehdi Karroubi, sy Mohsen Rezaei..

Mampitaha ny Praiminisitra teo aloha, Mir Hussein Mousavi amin'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny feon'ny hira Broadway taloha ny lahatsary iray niseho tao amin'ny YouTube: ‘Ny zavatra rehetra azonao Atao‘. Ny lahatsoratra any amin'ny faran'ny horonantsary dia mamintina fa misaina kokoa i Mousavi raha oharina amin'i Ahmadinejad izay nanimba ny toekaren'i Iran ny politikany

Misy ny horonantsary Youtube iray hafa izay mikendry ny filoha Reformista teo aloha, Mohammad Khatami, izay manao fampielezan-kevitra ho an'i Mousavi.

Araka ny efa nomarihan'ny Tehran Post,  ny vazivazy ara-poko no tena karazana vazivazy malaza indrindra ao Iran. Ny tena mpandray anjara amin'ny vazivazy ara-poko indrindra dia ny Tiorka Azeri. Ao amin'ity lahatsary ity, milaza [amin'ny teny farsi] vazivazy momba ilay mpitondra fivavahana tsotra loatra (Azeri) ao Ardebil izay nanao zavatra feno hadalana i Khatami, na dia ny hampiseho ny fahaizan'ny Ardebills aza no fikasany. Mpianatra roanjato no nanao fihetsiketsehana ho fanoherana an'i Khatami noho izany vazivazy izany (jereo ny lahatsary), ary nangataka tamin'i Mousavi, izay Azeri ihany, mba hiampanga an'i Khatami. Mandritra izany, nilaza i Khatami fa rafitra sandoka ilay horonantsary.

Digital Kalashnikov, bilaogera sady mpanao gazety monina ao Iran kosa naka lahatsary tamin'ireo hetsika maromaro mahaliana nandritra ny fampielezan-keviny amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Vao haingana izy no namoaka horonantsary ahitana an'i Mehdi Karroubi, mpandaha-tenin'ny Parlemanta teo aloha sy ny mpanohana azy namaky ny vavahadin'ny oniversiten'i Amir Kabir, raha voaràran'ny manampahefan'ny oniversite tsy handray fitenenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.